You are here: home > Forum

Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra rehetra

Lohahevitra : Fivavahana, finoana
Fitohizan'ny hafatra : Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra rehetra
Valiny : 120
Pejy:  1 2 3 >  Farany
Fody - 14/04/2008 11:07


Ny Baiboly dia tsy Andriamanitra.... Mpanompo sampy izay milaza fa Andriamanitra ny Baiboly.


Ny Andriamanitry ny Kristiana dia ilay Andriamanitry voalaza ao amin'ny Baiboly, fa tsy ny Baiboly akory. Ary tsy azo ferana amin'ny Baiboly fotsiny izay Andriamanitra izay, satria lehibe mihotra an'izao tontolo izao.



Misaotra!
Valio | Miverina eny ambony
booboo - 14/04/2008 11:10
tsisy fisaorana !

:°)
Valio | Miverina eny ambony
Mandefitra - 14/04/2008 11:13
:-D
Valio | Miverina eny ambony
bichette - 14/04/2008 11:40
et alors ???
Valio | Miverina eny ambony
ZEMJOS - 14/04/2008 13:54
Baiboly tsy Atra fa kisoratra natao hampahafantarana anao an' Atra.
Valio | Miverina eny ambony
cutie - 14/04/2008 15:05
CitationNy Baiboly dia tsy Andriamanitra.... Mpanompo sampy izay milaza fa Andriamanitra ny Baiboly.

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
Valio | Miverina eny ambony
soanja - 14/04/2008 16:07
Fody


Ny Baiboly dia tsy Andriamanitra.... Mpanompo sampy izay milaza fa Andriamanitra ny Baiboly.


Ny Andriamanitry ny Kristiana dia ilay Andriamanitry voalaza ao amin'ny Baiboly, fa tsy ny Baiboly akory. Ary tsy azo ferana amin'ny Baiboly fotsiny izay Andriamanitra izay, satria lehibe mihotra an'izao tontolo izao.



Misaotra!


Izaho aloha mbola tsy naheno na nisy nilaza fa "Andriamanitra ny baiboly" fa saingy kosa azoko lazaina fa ny fanompoana ny baiboly dia efa hitako ombieny ombieny ary indrindra any ampiangonana: iny no orokorohana, iny no asandrasandratra iarahana madihy ary iny no fihinina iresahana, atao ambany ondana, indrindra hanambanimbaniana ny hafa tsy mahalala sy tsy maharaka izay ao anatiny rehetra tsianjery, iny no avingivingy adiridiry rehefa misy zavatra tsy mampifanaraka hevitra ka milaza fa azy irery ilay Andriamanitra satria arany ny ao anatin'iny boky iny ary iny no mahery noho ny an'ny hafa.

Ka asa na ireo acts ireo afaka ilazana fa manao Andriamanitra baiboly ny olona iray na ny mpino betsaka sns....?

Amiko tsy maninona na tompoina aza ny baiboly, ny fomba entina kosa ilazana fa izay tsy manompo baiboly no badraodra tsy ahita ny lanitra no mampanontany tena ahy ka ilazako hoe nahoana ary no tsy araka Andriamanitra mialoha fa hivadika hisy ny Helo sy ny Satana???

Amiko manana toerana ho antsika rehetra Andriamanitra na izay nahita sy mahalala ary namaky ny baiboly na ho an'ireo izay tsy nahita tsy namaky baiboly nefa mahalala fa tsara ny fiainana nomen'Andriamanitra ary manisy lanjany izany amin'ny fiainany sy ny fanasoavana ny hafa ary ny fiarovana ny zavaboariny.

Sady miiba sy miabo mifandray Andriamanitra. Ireo no mitondra amin'ny fihoarana hikatsahana ny tsara indrindra: Andriamanitra izay lalana izay, ary Izy koa no iafarana mandrakizay!




Valio | Miverina eny ambony
todisoa2 - 14/04/2008 16:14
Fiza alou n nlaza fa Baiboly=Atra e!!!
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 14/04/2008 16:23
ilay ramatoa iray ary..

ny Andriamanitry ny kristianina amiko dia ny andriamanitra voalaza ao anaty baiboly.. fa raha te hahalala bebe kokoa ny momba azy dia tsy ampy raha baiboly rery no atao fototra satria tsy miorina @ lalam-panorenanana voasoratra ao anaty boky ilay Andriamanitra fa tsy manam-petra
-> ivelan'ny boky izy..
tsy soratra Izy fa teny, tsy taratasy Izy fa fanahy. tsy boky izy fa feo!

Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 14/04/2008 16:28
ilay ramatoa iray ary..

ny Andriamanitry ny kristianina amiko dia ny andriamanitra voalaza ao anaty baiboly.. fa raha te hahalala bebe kokoa ny momba azy dia tsy ampy raha baiboly rery no atao fototra satria tsy miorina @ lalam-panorenanana voasoratra ao anaty boky ilay Andriamanitra fa tsy manam-petra
-> ivelan'ny boky izy..
tsy soratra Izy fa teny, tsy taratasy Izy fa fanahy. tsy boky izy fa feo!

Valio | Miverina eny ambony
soanja - 14/04/2008 17:00
Ny hitako tsara ametrahana azy angamba dia hoe MASINA VE NY BOKY BAIBOLY?

Inona no antsoina hoe Masina na Fahamasinana? Nahoana no atao hoe masina ny zavatra iray na teny iray na didy iray na inona?

Fa nahoana masina ny boky baiboly oharina amin'ny boky nosoratan'i Mpandinika hafa sy ny manam-pahendrena isan-tokony?

Amiko dia betsaka ny teny masina ao anaty baiboly saingy tsy izy rehetra izay voalaza ao akory dia masina aby.

Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 14/04/2008 17:16
tsara hazavaina koa iznay ny fihevitra ny atao hoe "masina" aloha... sao vao mainka polemika be eo indray
Valio | Miverina eny ambony
cutie - 14/04/2008 17:24
CitationAmiko dia betsaka ny teny masina ao anaty baiboly saingy tsy izy rehetra izay voalaza ao akory dia masina aby.

:-D :-D :-D :-D :-D
Valio | Miverina eny ambony
cutie - 14/04/2008 17:25
Citation. Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 14-04-2008 17:16:56
Lohateny : Re : Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra reh
tsara hazavaina koa iznay ny fihevitra ny atao hoe "masina" aloha... sao vao mainka polemika be eo indray

za tsy mahay
in ny dikany >?
Valio | Miverina eny ambony
soanja - 14/04/2008 17:34
ikaretsaka
tsara hazavaina koa iznay ny fihevitra ny atao hoe "masina" aloha... sao vao mainka polemika be eo indray


Izay indrindra manko. Io voalazako eo ambony io hoe tsara ny fahafantarana ny MASINA ho an'ny tsirairay angamba.

Izay vao hiresaka ny fahamasinan'ilay boky baiboly isika.


Valio | Miverina eny ambony
cutie - 14/04/2008 17:45
de in wa zany le "Masina" ?????
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 14/04/2008 19:04
aminao ahoana, raha araka ny eritreritr'i cutie, rehefa inona ny taha anankiray no atao hoe "masina"?
Valio | Miverina eny ambony
rakaroka - 14/04/2008 19:23
Dia mitombina mihitsy ny "approchen'i Fody eto" ho an'ireo mpino izay manankina ny anjerimanontolony amin'ny "baiboly"; OUI ^:^ ^:^ ^:^ .
'zary AndrIamaniny ilay izy ary na ny saina tokony handinika aza dia tsy misy intsony vokatr'ilay fanompoana baiboly tafahoatra , ka inn moa fa tsy tahaka ny manao izany ho Andriamanitra ihany.
Tsy miresaka ireo olona mba mandalina boky hafa aho. Fa ao ireo tsy mahalala boky raha tsy baiboly, dia hoe io ihany. Dia rizareo ireny no manao ny baiboly ho Andriamaniny; satria raha ilay Andriamanitra Inoan'ny rehetra eto no inoany koa; 'ngaha moa azo afatratra ao anaty baiboly ao Izy izay?....
Dia mbola manamarina ny fanamarinan'i Fody fa tsy mahalaza ny mikasika an' Atra rehetra tokoa ny "baiboly" fotsiny.
Valio | Miverina eny ambony
ikaretsaka - 14/04/2008 19:33
izay ilay heo zavatra tsy manam-petra sy tsy taka-pesipesenina aza fehezina @ boky!
Valio | Miverina eny ambony
cutie - 14/04/2008 20:06
Citation Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 14-04-2008 19:04:23
Lohateny : Re : Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra reh
aminao ahoana, raha araka ny eritreritr'i cutie, rehefa inona ny taha anankiray no atao hoe "masina"?

taha????
Valio | Miverina eny ambony
Pejy:  1 2 3 >  Farany