29 marsa 1947???

1. ni81 ( 29/03/2008 07:09)
Maro no nitondra ny mangidy t@ zany fotoana izany. Isaky ny tonga io vanin'andro io dia mitamberina ao an-tsaiko ny loza nihatra t@ fianakaviana maro, ary anisan'izany ny raibeko.
Ny malagasy ihany no namono ny malagasy toa azy...
novalian'i endrika01 ny 12/05/2008 11:42
2. rabilabila ( 29/03/2008 20:44)
Izaho koa dia mahatsiaro ny tantaran-dRaiko ( mbola velona ) sy ny diam-bala eny an-tongony ; namoy ny anabaviny tany anaty ala tany Vohilava .
Ny mahafinaritra aminy nefa dia tsy manana fankahalàna ( haine ) izy ;hoy izy tamiko androany rehefa avy niantso azy aho :" Tsy maitsy nandalo tamin'izany , anaka , tsy ho vitako ny hanorina tokatrano sy hanana zanaka ao ambanin'ny ziogan'ny fanjanahana , ka niezaka aho nanafaka ny taniko mba hijoroanareo ho olon'afaka ".
3. todisoa2 ( 10/04/2008 16:10)
Eto izaho dia mahatsiaro ny tantaran' Atoa Andriamampianina tao Talatan'Ampano. Lay nomena chance fa tsy hovonoina raha miteny ity fehezan-teny iray ity. " Vive la France". Tsy nanaiky anefa izy. Vokany bala 35 nipetaka t@ vantany. Fransa reny malala!!!!.........blabla fotsn
4. endrika01 ( 12/05/2008 11:42)
ni81:
Maro no nitondra ny mangidy t@ zany fotoana izany. Isaky ny tonga io vanin\'andro io dia mitamberina ao an-tsaiko ny loza nihatra t@ fianakaviana maro, ary anisan\'izany ny raibeko. Ny malagasy ihany no namono ny malagasy toa azy...
ny malagasy anefa dia voalaza fa fatram-pandala ny fihavanana,ary tena mba tsy marina io izany sa nanomboka hatr@nahazoana ny fahaleovantena e,mbô alefaso tokou ireo antoko rehetra t@zany andro zany e,zay taloha lay mpingitrika Histo Geo de tsy naharaka tantara hi hi hi:-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.174