You are here: home > Forum

Tafiditra andegilizy ny Mpagalatra

Lohahevitra : Tontolo iainana
Fitohizan'ny hafatra : Tafiditra andegilizy ny Mpagalatra
Valiny : 6
rafoko - 06/02/2008 13:29
Lahady ny andro samy ao ampiangonana
daholo mivavaka ,avy ny fandatsahan-drakotra
Fomban'ny vehivavy ny mametraka ny pôketrany
eo @ban ,kay ny sasany miandry ny fiodinana
makany @alitara. Amin'iny fotoana iny no manararaotra ny mpangalatra.Ka rehefa mahazo dia
lasa mivoaka
Tsisy intsony fahatahorana
Sa ve mafy ny Fiainana ?
Valio | Miverina eny ambony
ainaheri - 06/02/2008 16:16
Amin'ny mpangalatra mety daolo zay ataony,ary io tsy mifidy zay toerana hamelezana,refa nisotro an'ilay ramangalara zay na ny lavenona aza angalarina ary tsy ankifidy io na aiza na aiza!!
Valio | Miverina eny ambony
melody - 06/02/2008 19:50
Citationna ny lavenona aza angalarina

marina ve izany?
Valio | Miverina eny ambony
rafoko - 07/02/2008 06:32
melody
Citationna ny lavenona aza angalarina

marina ve izany?


Tsy mba hoe zavatra noforonina fa
tena nisy taty aminay
Valio | Miverina eny ambony
melody - 07/02/2008 11:37
dia atao inn hono ny lavenona no hangalarina? Tsy azo hohanina iny, tsy azo hamidy sa atao zezika?:oops:
Valio | Miverina eny ambony
prime - 07/02/2008 13:01
Ny tenin'Andriamanitra aza efa nanamafy fa raha mivory ny zanak'Andriamanitra dia eo foana koa Satàna... miambena! miambena!
Valio | Miverina eny ambony
catalyn - 11/04/2009 18:02
Ny mpangalatsy tompoko dia efa tsy manana izany tahotra an'andriamanitra izany intsony . Na hamono olona aza vitany ; Ka anjarantsika no mitandrina fa tsy kely lalana ny ratsy , na any am-piangonana io na any am-pasana , n'aiza n'aiza. Ny anay indray bisikileta mifatotra ao an-tokotanin'i Mompera no nanjavona nefa dia misy alika be izao eo an-tokotany â ! dia variana fotsiny hoe tsy misoratra eny @ tava marina hoe mpangalatra ity. Marihina koa fa tsy ireny olona malotoloto ireny ny mpangalatra â! aza mijery harina an-tava hoy ny fiteny, fa ireny mikaravato,miaraka @ velon-drirana sy manimanitra ireny no misy azy. Sarotra ny maminany fa samia mailo fotsiny dia izay.
Valio | Miverina eny ambony