Ny tononkalo tamin'ny andron-dry Dox sy Ny Avana ...

21. pato ( 10/04/2008 13:33)
tena ikoizako (tsy haiko na mety na tsy mety izao fomba fanoratako io teny io izao na tsy) mihitsy ny fomba fifamalianareo tsy haiko na roalahy na roavavy na mianadahy ity resaka ity. Hita mihitsy hoe misy ra Malagasy tena tia ny teniny, ny taniny, eny fa na ny zava-tsoa misy eto aminy aza ianareo ary vonona hanisy fiezahana hampandrosoana sy hampiroboroboana azy bebe kokoa hatrany. Toa lasa ianareo mihitsy aza ilay sakamalaho sy havozo voatonona foana. Tohizo ry zareo an tena mahafinaritra.
22. rahonala ( 05/05/2008 06:01)
Ny haisoratra zalahy tsy azo ampiadiana na lanjaina a!
ny tranganjavatra nanoratana azy mantsy tsy hitovy mihintsy
satry maso samy hafa.
Ny fahaizana milaza angamba no mety omena isa tahaka ny misy eto @ ity
tranokala ity!
fa ny kalony fahina ve tsy tsara, ny hiran i mahaleo ve tsy tsara, ny any tanora vao misindrotra mbola tsara ihany...
Ny kabary no misy adimborotsiloza(sarin'ady e).

23. bazylou ( 25/08/2008 01:59)
mba misy tsara ihany kosa ,ny vaovao ankehitriny e!! :-D :-D
24. Zozoro ( 25/08/2008 17:51)
DOX sy ny Avana dia hitako fa mpanoratra mahay tokoa, indrindra fa eo amin'ny fomba enti-milaza, lasa loko velona syiainana ilay fehezan-teny. JEREO ange ity tononkalon'i DOX ity ê !

ASA IZANY

Ny masonao no itiavako iny habakabak'iny
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga !
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliana
Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga.

Ny tsikinao no itiavako ny fivelaran'ny voninkazo
Sa ny molotrao no tiako, dia ny voninkazo ihany !
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra ny mivazo
Anoloan'ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany.

Tia ny vorona mihira aho fa nandre anao nikalo,
Sa ny vorona mihira no iventesako anao mandalo
Nitondra hira tamin'ny fiainako nangina hira antaona maro !

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako,
Hatramin'ny niarahantsika dia mihentana ny foko
Ka mivetso ny fitiavana.
Ny antony ? Fantaro
25. Ratoa ( 11/05/2009 19:59)
Omeo anay ry rahoana
Ny fiefenanao
Fa mangidy toa ny vahoana
Ny adidy mba atao.

Omeo anay ry fasana
Ny fitsimbinanao
Mba tsy halaky ho lasana
Ireto aina vao

Omeo anay ry fiainana
NY mamy aminao
Ny ora itarainana
Tapero sy ravao.

Omeo anay ry fitiavana
Omeo ka mba valio
Ombay hasoavana
Ny ataoko eto anio.

Ny Havana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4942