iza no nanoratra ary inona no heviny

1. Rajordri ( 15/12/2007 21:10)
toa zavatra kely nisisika.....
(Eric Manana mihira an'io koa)
2. pissoa ( 15/12/2007 21:23)
:-D:-D:-D

tsy haiko zany hira zany !
fa sao tsy io no hirainy fa hoe

Fitiavana kely nisisika,
Fitiavana kely tsy levona
Toa zavatra manitikitika
Toa sery nirina hampihevina
Kinanjo nampiditra angano,
Tonga afo tsy matin'ny rano.

:-D
3. 2gasy ( 16/12/2007 03:18)
Tononkalo nosoratan'i Rado ary fitiavana no tiany hambara @ ilay "zavatra kely nisisika... tonga afo tsy matin'ny rano"
4. xxx ( 16/12/2007 15:10)
iza no nanoratra
--> Rodlish (raha tsy diso aho, fa tsy i Rado aloha e)

ary inona no heviny
--> Afo tsy matin'ny rano no lohateny.
Ohatrohatra ny hoe izay zany ny bandy rehefa misy sipa mahatara azy e

Lava be io tononkalo io fa toa tsy hirain'i Erick Manana manontolo raha ilay hitako ao amin'ny tononkira. Ohara an'zao fotsiny no tadidiko :

Fihetsika mampihodivitra
Lamba nihelatra monja
Hanitra nentin'ny rivotra
Fitopan'ny zipo manonja
Toa zavatra tsy inona akory
Kinanjo nofisi-matory


ps : soa ihany fa tsy vehivavy no mpanoratra na mpihira, fa raha tsy zany nimeme fotsiny ohatra an'io ambony eo io :b:-D:-D:-D

Fitiavana kely nisisika,
Fitiavana kely tsy levona
Toa zavatra manitikitika
Toa sery nirina hampihevina
Kinanjo nampiditra angano,
Tonga afo tsy matin'ny rano.
5. cutie ( 16/12/2007 15:42)
ohtran'ny mba tiako zany tononkalo zany :)
raha misy mahay de mba ataovy lavalava :)
6. pissoa ( 16/12/2007 18:47)
xxx :twisted::twisted::twisted:

tsisy sora-mandry akory teo ambony teo :b:-D:-D:-D
7. Rajordri ( 16/12/2007 20:07)
toa hoatran'ilay lazain'i Pissou no izy, fa ilay hoe Rado na Rodlish no nanoratra dia hoatry ny hafahafa raha ilay tohiny hoe "Fitopan'ny zipo manonja(....) tonga afo tsy matin'ny rano", izaho mahalala ny tononkalon'i Rado, ary iRodlish dia olona taloha tsy hitondra an'io fomba filaza zavatra io. MIsaotra betsaka e.
8. xxx ( 17/12/2007 08:30)
Raha mba misy manana Takolaka Notsongoina I (nosoratan'i Simeon Rajaona) any dia mba angatahana re io tononkalo io e. Dia misaotra sahady :)

pissoa, ireny mpanao tononkalo ireny ange hono misy manao steganographie e :-P:wink::°):°)

Rajordri, tairo 10 vs 1 ary fa za manao hoe tsy i Rado hoa io fa Rodlish. :-w:wink:
9. pissoa ( 17/12/2007 13:03)
efa hoe :twisted: hoa !!! :-D:-D:-D
10. xxx ( 17/12/2007 15:52)
http://www.tshirtstudio.com/DesignCache/A8430F.jpg :-D:-D:-D
11. pissoa ( 17/12/2007 17:58)
tssss, zay de nitady an'io mitsy http://serasera.org/smileys/smile2.gif :-D:-D:-D
12. xxx ( 18/12/2007 14:22)
Eo ary e : http://serasera.org/smileys/icon_cool.gif
13. pissoa ( 19/12/2007 14:21)
zay ahay http://serasera.org/smileys/icon_wink.gif :-D:-D:-D
14. booboo ( 19/12/2007 15:01)
Tsy tadidiko aby hoe inona aby moa ny vanim-potoana nisy t@ resaka tononkalo Malagasy ( miforitra anaty ihany no tadidiko ) fa io tononkalo iraika io iray vanim-potoana @ ilay " Rajakom-bazaha " nosoratan'i tsy tadidiko kounkou.
Ny idée gle n'ilay raha fotsiny " fakana tahaka ny fomba vahiny " ohatra² zay....
15. LemizoTexas ( 27/02/2011 19:27)
hitako tanaty boky hoe i Dox no nanoratra io tononkalo io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077