Nakaiza ny hafatro?

1. niryna ( 15/12/2007 18:14)
MIARAHABA ANTSIKA REHETRA TRATRY NY ANDRO FIRAVORAVONA DIA NY NAHATERAHAN'ILAY KRISTY MPAMONJY NY REHETRA.
MISAOTRA AN'NY TOMPO FA MBOLA NOMENY HERY HIANTSO ,HIDERA ARY HANKALAZA NY ANARANY HATRANY.
HO AZY IRERY IHANY ANIE NY VONINAHITRA,NY FIADANANA KOSA DIA HO ANTSIKA TSIRAIRAY AVY.

Raiso izay fantatrareo fa marina ary izay tsy marina dia ario.Tsy ny anarako na ny hafa hinoana fa I KRISTY IRERY ,IZY NO NANIRAKA NY TSIRAIRAY AVY hitory ny tenin'Atra.TSY IZAHO NA RABE NA RAKOTO NA RALAY NO ARAHO FA I KRISTY IRERY IHANY.

Saika andefa sujet aho omaly dia izao no nitranga:
1- efa im-betsaka no nofafan'ireo tompon'andraikitra ato amin'ny serasera foany ny valin-teniko ary tsy afaka mamaly ny olona aho.Tsy misy izay tsy mahalala izany ny rehetra but I hery and I for you that God uses us to preach his word in this web.
Enga anie ka tsy ho fitaovana am-piasain'ny satana intsony ity fivavahana ity fa mba ho voninahitra,famonjena ny mpiara-belona sy ny rehetra.Ampy izay ary tsy misy na iray aza hanala ny fitiavan'Atra ao amin'ny tsirairay na tsy avelan'ireo tompon'andraikitra azy ny fitoriana ny teniny ato.
2- nandefa hafatra tany aminy aho alina ary indroa fa tsy mahazo mandray anjara amin'ny fandefasana sujet aho fa nomeny 743842 mn vao afaka manoratra na mamaly amin'ny fivavahana.
3- nofafany indray ny sujet nalefako omaly mikasika ny Ezekiela mampianatra antsika fa anjaran'ny kristiana no manampy ireo tsy mahalala na manao adisoana eo amin'ny fiainana satria raha manafina isika dia any amin-tsika no hianjeran'ny hatezeran'Atra ka ho adinina amin'ny ran'ireo olona ireo isika izay mahalala kanefa tsy miteny.

IZAY FA MAHEREZA DAHOLO,ENGA ANIE KA ITY SEHATRY NY FIVAVAHANA ITY HO HANJAKAN'NY FAHAMARINANA ,FITIAVANA,FAHALALAHANA AMIN'NY FINOANA AN'ILAY KRISTY MPANDRESY.
AMENA
novalian'i xxx ny 24/12/2007 12:02
2. pissoa ( 15/12/2007 18:42)
:-D:-D:-D

toa dinika iray anie ry niryna dia efa hitan'ny olona io e. toa dinika be dia be mbola tsy afa-po ihany.

aza hadino ny any amin'ny resak'olon-dehibe ary :-D
3. xxx ( 15/12/2007 19:05)
:-D somary visa A ny any ry pissoa a!:-D
4. pissoa ( 15/12/2007 19:40)
:-D:-D:-D:-D
5. ratonga ( 18/12/2007 00:02)
omeo visa kosa i niryna ametrahany dinika any ry xxx:-D:-D:-D
6. xxx ( 18/12/2007 16:56)
ka malalaka be nge any tsy mila visa e!:wink::-D en tré libre:-P:-D
7. xxx ( 24/12/2007 12:02)
Enga anie ka tsy ho fitaovana am-piasain'ny satana intsony ity fivavahana ity fa mba ho voninahitra,famonjena ny mpiara-belona sy ny rehetra.Ampy izay ary tsy misy na iray aza hanala ny fitiavan'Atra ao amin'ny tsirairay na tsy avelan'ireo tompon'andraikitra azy ny fitoriana ny teniny ato

ianao zany koa anie tena milaza mitsy zany oe mpivavaka v?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1497