Vehivavy mitady vady amizay

1. ni81 ( 17/07/2006 21:34)
Mitandrema ihany ianao amin'io resaka io fa maro no tsy mifaditrovana mamitaka ary milaza antsanga tsy aman'orana. Ny tiako ho lazaina dia mandainga ny olona sasany @ ireny site de rencontres ireny ary nisy namana mihitsy diso fanantenana tamin'izany. Io zavavy namana io dia tsy nitady olona hoe gasy akory fa napetrany fotsiny ny profil-ny. Dia nahita io ilay lehilahy mpandainga dia nanoratra taminy, nilaza fa miasa @ entreprise manao trano, amerikanina hono izy, maty vady ary manan-janaka vavy tokana. Kristiana aho hoy izy hono ka hitako fa mety raha mba mitady namana @ zay aho hiara-hamakivaky amiko indray izao fiainana izao satria tsy tiako ilay manao sipasipa fotsiny ary mba tiako hisy solon-dreny ilay zanako vavy tokana...(lazainy fa efa 5 taona no maty izao ny vadiny). Dia nifanoratra @ internet foana ary dia nomeny ny téléphone tany afrika ary dia nilaza izy fa aza antsoina (satria ilay zavavy eto france)fa izy ihany no miantso rehefa misy fotoana. Dia niantso tokoa izy ary dia niteny anglisy be nipoapoaka ary ilay zavavy namana koa tsy ambaka an'izany fa mahay miteny tsara na dia malagasy aza. Nandefa sary izy ary teo anoloan'ny tranony no nalaina ilay sary (villa tsara tarehy), misy fiara ary ny sarin'ny zanany vavy. 2 volana teo ho eo no nifanoratany. Mifanao fotoana ry zareo rehefa w.e fa hi-tchat dia eo mandritry ny ora maromaro; dia tampotampoka dia tsy hita izy, tsy manao veloma tsy maninona fa tonga dia tapaka tampoka ny resaka. Dia roa andro na telo aorian'izay dia manoratra indray izy ary milaza fa nisy fahasimba ny ordinateur dia izay no nahatapaka ny resany t@ ilay indray mandeha iry sns... Dia nilamina aloha teo. Lava ny tantara fa ny tiako ho lazaina dia fantatr'ilay namana zazavavy fa lainga daholo no noforonin'ilay lehilahy, tsy maty vady izany izy fa noforonina io, ary tsy sariny, tsy tranony, tsy fiarany, tsy zanany io teo @ sary fa laingabe avokoa. Tsy amerikanina izy fa mponina avy ao afrika ary nifona izy avy eo fa tsy nanaiky na dia hifampiresaka aminy intsony aza ilay namana. Ilay namana zazavavy io moa manana ttasy ara-dalàna fa ny vady no notadiaviny tao. Koa mitandrema fa sao dia sendra ny toy izany ianao!
2. lalagasy ( 11/12/2007 22:07)
Misy ve any Eropa lehilahy, 30 - 40, mitady vady ho tia sy ho tiavina?
Izaho, vehivavy 29, tokan-tena, tsy manan-janaka, te-hanorina fiainana vaovao tsara kokoa.
lalagasy@gmail.com ny mail-ko.
Resaka matotra ka aoka ny mpamazivazy tsy hivaky loha firy amin'ity hafatra ity.

Misaotra anareo.
novalian'i tsiafoi1 ny 25/02/2008 12:39
3. Veloo ( 12/12/2007 01:21)
dia mirary soa ho anao ahita izay tiana anie ianao:-*
4. cutie ( 12/12/2007 01:43)
de mahaiza aza mifidy de bonne chance :)
5. Veloo ( 12/12/2007 01:48)
cutie a miaraka @ fivavahana aky dia mety a hihihihi
6. cutie ( 12/12/2007 01:51)
zany moa izy io
iny no adinoko :-D
7. slym ( 12/12/2007 06:13)
Ao ary ah fa tsy hiteny eh.:wink:
8. remandilatse ( 12/12/2007 11:25)
tsara, au moins mazava ny tianao, franchise tsara saingy laha afake manome hevitse de izzao:tsy voatery hahazaka ty direct-nao ndaty iaby toy, volano avao hoe lehilahy 30-40 ans, fa aza asiana eoropa:
-misy candidature ho avy eo, eoropa,madagasikara, asie, amerika, afrika, de anjaranao mi-selectionner juste ny ao eoropa
satria tsy azoko ny ifandraisan'ny fiainana tsaratsara sy hoe eoropa: any australie sy amerika, na madagasikara aza mety ho tsaratsara fiainana laha misy drala
-le 30-40 iny ndraiky mazava, fa eo vao matotse, sy mahay position maro, sy mahasahy manao cunnulingus le bandy,
bon appetit!
9. diamondra27 ( 12/12/2007 12:14)
de raha gasy de ahoana sa mila paps fotsiny ndriko
10. Zina ( 12/12/2007 13:36)
mahery loatra izany teny zany ry diams ka
11. lalagasy ( 12/12/2007 13:45)
Eropa hoy aho, de préférence io satria ao daholo ny fianakaviana.
Tsy ny vola no manahirana fa paps araka ny tenin'i Diamondra. Fa tsy hoe paps fotsiny anefa satria tena efa te-hanambady sy hiteraka amizay aho. Te-hanana fiainana stable.
Ary malagasy no iriko matoa nataoko teny malagasy ny hafatra.
Misaotra ô!
12. tynah ( 12/12/2007 19:49)
Bonne chance dia mahaiza mifidy.:-*
13. KAMBANA3 ( 13/12/2007 10:24)
Mety @nao aloha tsy koropaka fa miandrasa anjaranao. Midira ao @site de rencontre ianao. TOY NY HOE MEETIC IZANY de bonne chance ary fa aza ny manaiky ny hivoaka any ivelany raha tsy matotra t-sara ilay fifanarahana.
14. sakaizakely ( 13/12/2007 13:13)
zany ka direkta :-D

mivoaha tao nareo lhl manana paps reo fa misy mitady :-P
15. xxx ( 13/12/2007 13:31)
KAMBANA3:

Mety @nao aloha tsy koropaka fa miandrasa anjaranao. Midira ao @site de rencontre ianao. TOY NY HOE MEETIC IZANY de bonne chance ary fa aza ny manaiky ny hivoaka any ivelany raha tsy matotra t-sara ilay fifanarahana.



fa nga ko rise ao @meetic ao mis lhl gasy
16. lalagasy ( 13/12/2007 21:55)
Misaotra anareo manoro hevitra. Tsy mikoropaka aho ka. Zavatra haharitra no haorina tsinona.
Ny meetic sns tsy vonona hanao izay aho satria efa eto ny pejin'ny 'namana' ka mino aho fa hita to ny tena namana toa anareo manoro ny mety.
Veloma mirary soa indray!
17. DESCARTES ( 14/12/2007 14:21)
Mila entina am-bavaka ihany koa 'lé fiainam-pitiavana ry lalagasy a!Satria ny vady sahaza ngé dia avy @Jehovah é!.Za tsy pasitera fa zay no ao anaty bible d mampatsiahy fotsiny a.ok!
18. lalagasy ( 15/12/2007 19:22)
Misaotra anareo rehetra ary misaotra manokana an'i ni81 manoro lafiny tena mety hitranga. Tena tsy mataho-tody marina ny lehilahy sasany fa milalao fihetseham-pon'olona fotsiny. Hitandrina aho ka.
19. reve ( 16/12/2007 13:56)
de mazahoa vady hiadanana hoy ny malagasy e! tsara ny mahintsy hoatranao zao ary midera anao am le courage asehonao mirary soa anao de mba tsy ho sendra ny miaramilan'ny satana anie enao! fa mba ahazo ze irinao satria na vody sobika aza manantandrify hoy ny ntaolo!8)
20. nanourand ( 23/12/2007 07:21)
ary ra bandy manan paps nefa aty dago, tsy dé misy sôsy dé ahoana?

ny tsininy kely dia mbola miandry volana vitsivitsy vao 30 taona?

nefa kosa maharaka tsara ireo notenen'i ndaty reo :°)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4067