Farmaciste catholique

1. piste ( 01/11/2007 11:59)
Tato ho ato dia nahoraka ilay resaka momba ireo Farmaciste katolika izay tsy manaiky ny hivarotra ny médicaments abortifs, satria karazana fandraisana anjara sahady @ famonoan'olona(na fanalan-jaza) ny fivarotana izany. Ny Fanjakana anefa tsy mety fa manery azy ireo hanao izany satria zavatra légale ireo fanafody ireo ka tsy hita izay antony tsy tokony hivarotana azy.
Ny olana anefa dia tsy mipetraka any @ légal( ara-dalàna) fa hoe : morale sa tsia. Ny Papa dia nanipika tsara fa tokony hahazo alalana hanao " objection de conscience" ny Farmaciste katòlika manoloana ny toe-javatra iray tsy mifanaraka amin'ny moralin'ny Fiangonany.

Akory ary ny hevitsika ry mpi-forum havana, anareo ny sehatra.
novalian'i arnaud14 ny 23/11/2014 16:45
2. pissoa ( 01/11/2007 14:02)
Misy tsy azoko ... :-D:-D:-D

Ny Fanjakana anefa tsy mety fa manery azy ireo hanao izany satria zavatra légale ireo fanafody ireo ka tsy hita izay antony tsy tokony hivarotana azy.

Fa angaha ny fanjakana manana fahefana hanery ny olona hivarotra ?
3. Jeankely ( 01/11/2007 14:07)
Inona ny olana @'izany? Sahala ny Silamo tsy mivarotra kisoa koa atao ahoana fa any @'ny hafa no mitady izay tianao ianao. Rehefa afaka vidiana sahala ny mividy Bonbon ny fanalana zaza any @'ny firenena hafa dia sahala izay ve no tokony hataon'ny Malagasy? Fa mitovy ve ny olan'ny Malagasy sy ny firenena mametra ny isan'ny zaza teraka?
4. simplex ( 01/11/2007 14:43)

misy tsy mazava le tsara le izy, resaka fanabeazana aizana (birth control) ve no tsy varotany sa fanafody manana effet secondaire mety mahaafaka zaza? :)

Zony tanteraka ilay izy dans les deux cas e.

@ le faharoa kosa anefa misy jurisprudence kely satria ra mety hahafaty an'ilay olona kosa ve le izy d ahoana, lasa mamono an'ilay reniny sy zanany zany. Au lieu de mamono an'ilay zanany fotsiny...

5. Fody ( 01/11/2007 15:29)
fanafody fanalan-jaza no terena hamidin'izy ireo. Izy ireo tsy mety hivarotra an'izany. Ny fanjakana milaza fa legal ireo ka tokony hamidy. Dia izay no olana.
Izay no fahazoako azy.
6. niryna ( 01/11/2007 17:08)
Fody:

fanafody fanalan-jaza no terena hamidin'izy ireo. Izy ireo tsy mety hivarotra an'izany. Ny fanjakana milaza fa legal ireo ka tokony hamidy. Dia izay no olana.
Izay no fahazoako azy.

Dia hafaro ny mpitondra fanjakana hampianatra ny ankizy mba hiaro tena fa tsy hanaonao foana alohan'ny hanambadiany. Tazao amin'ny fivavahana ny ankizy dia mahafantatra ny mety sy ny tsy mety alohany .Farafaharatsiny izy ireo mahafantatra fa tsy mety ny ataony dia mihato kely vao sahy hiroboka raha hiroboka :D miala ny devoly :evil::evil::twisted:

7. piste ( 01/11/2007 20:06)
Hazavaina kely fa mety tsy mazava. Niainga tany Argentine ny olana momba io ary nitohy tany Portugale vao tsy ela.
Izany hoe : akatona ireo Pharmacie izay tsy manaiky hivarotra fanafody "ara-dalàna". tafiditra @ izany ireo fanafody fanalan-jaza.
Kanefa ireo pharmaciens catholiques dia tsy manaiky hivarotra ireo fanafody ireo, satria ho azy dia fandraisana anjara an-kolaka @ fanalan-jaza sahady ny fivarotana izany.
Ka nangataka izy ireo raha manana droit @ Objection de conscience @ trangan-javatra toy itony. Afaka mandà tsy hivarotra ireo produits( abortifs, etc) mifanohitra @ conscience-ny ve izy.
8. rabilabila ( 01/11/2007 20:07)
Ny fahalalàko azy dia:
- raha pharmacien privé izy dia tsy voatery mivarotra raha toa ka izay no finidiny ,saingy manana obligation izy manoratra eo amin'ny varavarany milaza fa tsy mivarotra an'izao sy izao (tsy fantatro io raha valable Frantsa ).
- raha pharmacien publique indray dia n'inon'inona conviction-ny dia voatery izy mivarotra rehefa tonga eo ambanin'ny masony ny ordonnance.

Manana ny code de déontologie-ny ny pharmaciens ka raha nifidy io asa io izy dia tokony hanaja ny codes .

Raha ny ankoatr'izay dia tsy misy manana droit hitsara an-dranona sy ranona amin'izay fomba hi-disposer-ny ny tenany . Prévention no atao fa tsy fandraràna .
9. fijo ( 01/11/2007 20:29)
raha azoko,dia politikam panjakana ilay fanomezana zo ny vehivavy hisafidy ny mikasika ny tenany.
ekeko fa malalaka ny mpivarotra raha tsy te hivarotra,saingy raha toa ka tsy misy mpivaropanafody hafa tsy izy irery eo amin'ny toerana iray.amiko dia azon'ny fanjakana atao ny manery azy hivarotra an'io,satria politika hiarovana ny tombotsoam bahoaka io,ka mila arahana.
10. Fody ( 01/11/2007 20:52)

Ny conscience ny tsirairay dia tokony hajaina, raha milaza fa tena manaja ny maha olona tokoa. Ambony noho ny codes sy fitspika rehetra apetraka io.

Ataoko fa mitovy amin'ny teny omen'io mpitsabo ihany, no ataon'ireo mpivarotra fanafody dia ny hoe: hamelona fa tsy hamono. Ka rariny izy raha manda tsy hivarotra an'ireo fanafody fanalana zaza, satria tsy mamelona izany fa mamono olona.
11. fijo ( 01/11/2007 21:25)
ka ny konsiansy azy irery iny,fa ny vokany tsy azy irery,eo ny olana.
12. Fody ( 01/11/2007 21:37)

Tato ho ato dia nahoraka ilay resaka momba ireo Farmaciste katolika izay tsy manaiky ny hivarotra ny médicaments abortifs, satria karazana fandraisana anjara sahady @ famonoan'olona(na fanalan-jaza) ny fivarotana izany.

Famonon'olona ny fanalan-jaza!
13. fijo ( 01/11/2007 21:39)
amiko fiarovan tena io.raha ateraka daholo izay zaza vita eo;ny katolika ve no hitaiza azy???
14. Fody ( 01/11/2007 21:46)

Olona ny zaza ao an-kibo, ka ny fanala azy dia midika ho famonona azy.

Fitiavan-tena tafahoatra ny anao. Tsy te hitaiza nefa tsy mahafehy tena. Tsy te handray andraikitra dia aleo mamono ny zaza tsy mba afa-mamaly sy tsy afa-miteny akory. Raha misy crime tena ratsy dia ny fanalan-jaza fa lazaiko aminao, na manao ahoana ny fanatanterahana azy, na manao ahoana.
15. fijo ( 01/11/2007 21:52)
mba nianatra lalana hao fa tsy crime aloha ny fanalana zaza hatramin'izao ary zo io.ka mila harovana.aradalana io fa tsy hoe atao antsokosoko
16. pissoa ( 01/11/2007 21:53)
amiko fiarovan tena io.raha ateraka daholo izay zaza vita eo;ny katolika ve no hitaiza azy???

Dia aza manamboatra rehefa tsy te hitaiza ! Sarotra be ve izany ? :-D:-D:-D

Mampihomehy fa rehefa te hanao ny olona dia raisina ny teny ao amin'ny baiboly hoe "miteraha ary mamenoa ny tany" ... fa rehefa tsy afaka "mivarotra fabafody" ny olona noho ny famonoana olona izay voararan'ny baiboly dia lazaina indray fa ny Katolika ve no hitaiza.

Ahoana ihany isika itony e :-D:-D:-D
17. fijo ( 01/11/2007 22:04)
ka aradalana anie io e,
tsy hoe manamboatra fa sendra ny alimangina de lasa ity e,fiainana daholo izany
18. pissoa ( 01/11/2007 22:19)
Inona no ara-dalana ?
Dia lalanan'iza no resahina ?

:-D:-D:-D
19. Fody ( 01/11/2007 22:23)
14. Mpandefa : fijo [ Valio ] 01-11-2007 22:52:21
Lohateny : Re : Farmaciste catholique
mba nianatra lalana hao fa tsy crime aloha ny fanalana zaza hatramin'izao ary zo io.ka mila harovana.aradalana io fa tsy hoe atao antsokosoko

Firy isan-jato ny firenena eto an-tany no manaiky fa tsy crime ny fanalan-jaza?

Ary raha lazainao fa zo io, dia izao: moa tsy mba manan-jo ho velona koa ve ilay zazakely?
20. fijo ( 01/11/2007 22:26)
eto frantsa aho aloha no miaina ,ary eto io tsy crime.fa aradalana.
amiko ny zon'ny reny aloha vao ny tsaikany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2743