Antso ho fampiroboroboana ny aterineto eto Madagasikara.
Lohahevitra : Informatika Fitohizan'ny hafatra : Antso ho fampiroboroboana ny aterineto eto Madagasikara. Valiny : 9
nirijimka - 29/10/2007 12:10
Efa imbetsaka no voaporofo fa kinga amin'ny fikirakirana haitao vaovao ny eto Madagasikara. Raha efa nivezivezy manerana ny firenena ianao dia hibaribary aminao fa tsy voatery natokana ho an'ny sarangan'olona ambony monina an-tanan-dehibe ihany io fampiasana haitao vaovao io: Tsikaritra aza fa maro ny olona mahay mampiasa finday, fihainoana sy fijerena rakikira na rakitsarimihetsika VCD na MP3, MP4 ary mitady ny fomba rehetra ahafahana mampandeha ireny fitaovana ireny any amin'ny faritra maro tsy tongan'ny herin'aratra akory.
Ao anatin'izany haitao maro izany dia hita taratra fa ny fampiasana aterineto ,no fitaovana mahabe fanantenana indrindra hampandrosoana an'i Madagasikara.
Volana vitsivitsy izay dia nahitam-pivoarana ny fifandraisana amin'ny aterineto, efa mihatakatry ny fahefa-mividy kokoa ny tolotra omen'ny orinasa misahana izany ary mihahaingana kokoa sady tsy miovaova loatra ny fikorianam-pifandraisana.
Noho ny fisian'ny cybercafés, ny halakim-pifandraisana ary ny fanovozan-tserasera amin'ny alalan'ny finday dia efa mihamora kokoa ny hidirana amin'ny aterineto. Mety ho tsy misy dikany loatra izany fivoarana izany ho an'ny olona tsy mbola niditra aterineto. Mihevitra kosa anefa izahay fa tahaka ny nizaran'ny olona mpampiasa onjam-peo mivezivezy an-tendro roa (AM) ho amin'ny fiovaovan-katetik'onjampeo (FM) tamin'ny taona 1991 teto Madagasikara ity fivoarana atrehintsika etoana ity.
Fomba fiteny moa fa misy ny hantsana arak'isa ateraky ny tsy fitoviam-pahafahana mikirakira haitao arak'isa. Tsy azo lavina ny fahasahiranan'ny tsirairay hahazoana izany finday izany na solosaina na hampiasa izany aterineto izany, na izay zavatra rehetra sokajiana ho haitaon'ny fampahalalam-baovao sy ny serasera (TIC). Mety ho olana amin'izany ny vola, ny halaviran-tany na ny kolontsaina ihany koa.
Na eo aza izany dia mora dinganina kokoa noho ny sisintany iraisan'ny firenena roa io hantsana arak'isa io ary antony be dia be no ahafahana milaza fa azo tanterahina izany dingana izany. Mora kokoa ho an'ny tanora Malagasy mipetraka amin'ny tanandehibe antonontonony ny manovo fahalalana amin'ny alalan'ny fianarana an-tserasera noho ny handeha any amin'ny Oniversite eto an-toerana na any ampitan-dranomasina. Mora kokoa ho an'ny olona avy amin'ny toerana samihafa sy saranga tsy mitovy ny mifankafantatra sy miaramiasa amin'ny alalan'ny aterineto fa sarotra izany raha tsy misy aterineto.
Ny fisian'ny karazan'olona niandohan'ity lahatsoratra vakianao ity no ohatra velona maneho aminao ny fampifanatonan'ny aterineto ny olona. Ny masontsivana roa hany mba iraisanay manko dia noho izahay samy Malagasy na mipetraka eto Madagasikara sy ny nampiasanay ny aterineto ihany.
Misy aminay no mivelona amin'ny haitaon'ny fampahalalam-baovao (fifandraisana no marina kokoa), ary misy aminay ihany koa no mpampiasa tsotra efa zatra na tsia ny aterineto. Misy aminay no mipetraka eto Madagasikara, ary misy aminay ihany koa ny avy any ampielezana any. Mbola tanora ny sasany aminay raha efa lehibe kokoa ny hafa. Efa mpikambana anatina fikambanana (tahaka ny namana serasera Dago na Foko Madagascar) ny sasany raha tsy mbola mpikambana na aiza na aiza kosa ny hafa. Misy ny efa mifankafantatra anaty fiaraha-monina saingy ny maro an'isa kosa dia tany amin'ny dinika (forum) na tany amin'ny bilaogy tany no nifankalala.
Mieritreritra izahay fa afaka hampandrosoana an'i Madagasikara ny fitaovan-tserasera nampifanatona anay(aterineto) nefa mbola tsy nampiasaina loatra na tsy tsara trandraka.
Maniry indrindra izahay ny hampiasan'ny olondrehetra tsy anavahana ny aterineto, ny hampitomboana ny ambaindain'ny mpampiasa azy ary ny hitarihan-dalana koa ireo mba hanandrana hampiasa ny aterineto.
Maniry indrindra izahay mba ho maro kokoa ny Malagasy, tanora indrindra indrindra, hampiasa ny aterineto ho fitaovana hanamorana sy nahatsarana ny fiainana andavanandrony sy hampivelarany ny mahaolona.
Maniry idrindra izahay mba ho afa-mampiasa aterineto ny sekoly miankina sy tsy minakina hatramin'ny sekoly ambony mba ahafahany manome fampianarana tsara sy mendrika kokoa.
Mamporisika ireo izay efa mampiasa aterineto koa izahay tsy hianona fotsiny amin'ny fampiasa hatramin'izay tahaka ny mailaka, ny karajia, ny tranokalam-pitadiavam-bady ary ny tranonkala hafa fa mba hivoatra hikaro-java-baovao, hahaleo tena amin'ny fikirakirana fitaovana hafa rehetra mety ampiasana ny aterineto.
Maniry indrindra izahay ny hiroboroboan'ny teny malagasy amin'ny aterineto sy ny mba hahitana ao ny hevitry ny Malagasy eto antoerana sy any ampitandranomasina.
Maniry indrindra izahay mba ho fitaovam-panehoan-kevitra demokratika sy ho fitaovam-pampandrosoana tokoa eo amin'ny malagasy ny aterineto fa tsy ho fanaovana tora-po fotsiny.
Efa manomana hetsika vitsivitsy azo atao izahay:
__ Manatona sekoly maromaro sy mampahafantatra azy ireo ny aterineto amin'ny alalan'ny fanazavana sy ny fizarana trakitra (na boky) ary manome fanofanana amin'ny fomba fampiasana aterineto.
__ Managona loharanom-baovao rehetra mety hahaliana ny Malagasy ary mametraka ny rohy amina bilaogy anankiray ary any aoriandriana any dia manokatra varavaram-ben-tserasera mirona amin'ny fanabeazana sy mifanaraka amin'ny zavamisy eto Madagasikara.
Mahafinaritra be ilay ezaka, ary ataoko fa anisan'ny zavatra efa imasoan'ny malagasy sasantsasany amin'ny ampahany ihany zavatra ataonareo. Efa misy vohikala manokana mihitsy, ny infogasy.net, natokana ho amin'izany indrindra natsangan'ny namana efa elaela ihany izay.
Ny zavatra irin'ny ifg moa dia ny hanamora ny accès-n'ireo sarangan'olona rehetra amin'ity taranja TIC ity, fa ny hetsika atao angamba no tsy itovizana amin'ny ataonareo io, kanefa dia tena MIFAMENO tokoa. Ny efa atao ao izao dia :
- fandefasana angona logiciels sy documentations isan-karazany sy boky mba ho afaka zaraina amin'ny olona. (maimaimpoana saingy samy miantoka ny CD-ny). Misy namana mahafatra-po miandraikitra an'izay any izay isaorana bediabe hatrany.
- vohikala ezahina ho fenoina mba hisy tahirin-kevitra "pratika", torolalana sns. Misy tahirin-kevitra tsara dia tsara tokoa nosoratan'ny namana
- sehatra forum izay ahafahana mifamaha olana sy mandefa adihevitra momba ny informatika
- sehatra anangonana loharanom-baovao izay mety sy tokony hahaliana ny malagasy
Ny ifg dia misokatra malalaka ho an'ny rehetra, ary ny namana serasera rehetra dia efa manana kaonty ao daholo ... il suffit de se logguer !! Misy toerana malalaka ho an'ny tsirairay foana
Ka araraotiko izany ity resak'i nirijimka ity mba hiantsoana fiaraha-miasa, mba hatambatra ny hery kely izay efa misy. Raha ilaina ka mety aminareo dia azo atao mihitsy ny manokatra espace manokana ho an'io activité kasainareo io.
Ka izay mihintsy ilay ezaka : beazina ny olona hampiasa Internet mba tsy ho variana amin'ny tsaty sy ny download-na film sy hira fotsiny... Fa hitady fika hamadihana ny internet ho kaly !
Tahaka ny lalana ihany io, misy miteny hoe tsy azo hanina ny lalana nefa na ahoana na ahoana tsara kokoa ny mandeha amain'ny lalantsara toy izay mandeha amin'ny lalandratsy.
Efa voasoratra ao anatin'ny fanambarana ihany fa misy "orientation" atao izany hoe tarihina ny olona hazoto hamaky zavatra mahafinaritra satria tsy karajia sy fisintonan-kira sy fisitonan-tsarimihetsika (io dia lasa fihoarana rehefa any ampiasana no atao ka tapahina avokoa ny fifandraisan-tseraseran'ny hafa mpiara-miasa) no hany anaovana ny aterineto fa misy fanabeazana ihany koa ao saingy difotry ny mahafinaritra ny maso fotsiny.
Manaraka izany raha misy miteny fa tsy mihoatra ny boky ny aterneto dia noho ny fahitan'ny tandrefana fa mamono ny tsenam-boky ny aterineto raha alefa ao avokoa ny fahalalana rehetra dia noferan'(ny sasany tsy handefasana fahalalana loatra ao. Ny hafa anefa dia mampianatra soa aman-tsara maimai-poana ka moa tsy misy fitiavana lehibe toy izany?
okay okay!
tsara sy mahavelom-panantenana ny mahita fa misy sahady ny namaly ny antso dia ny "foko" zany!
iriana araka izany ihany koa ny hahamaro an'ireo hery rehetra mety mahatsapa fa misy azony atao hanatontosana ny hetsika sy ny fanentanana. misaotra anareo rehetra izahay!!!!!!!!!!
FOKO Madagasikara dia tena faly be hiaraka miasa amin'i namana serasera. Mandray an-tanandroa ny fiantsoana nataon'ny namana serasera anay izahay. Fantatray ny efa asa lehibe vitanareo teto amin'ny sehatra aterineto teto Madagasikara, sy ny fahatsoram-ponareo ary ny firaisan-kina nasehonareo.
Izahay moa dia mikajy ny fampiasana ny fomba vaovao fizarana hevitra sy fifampidinihana eto amin'ny aterineto, na koa ny atao hoe "blaogy" ary efa nanomboka nampivory ny mpiserasera mipetraka eto an-drenivohitra mba hanomboka hampiasa io fomba vaovao io. Io ilay atao hoe FOKO Blog Club, izay hiantsoana ny namana serasera rehetra vonona handray anjara. Maimaim-poana izy io.
Koa dia mamerina indray ny fankasitrahana ny fiantsoana nataonareo sy ny fahatsoram-ponareo izay tena ankasitrahanay tokoa.
Efa mahazo mametraka anarana ao amin'ny info-at-foko-madagascar.org na miantso an'i ekipa FOKO eto antananarivo (033 14 57803 stefa na 33 11 052 55 Harinjaka ). Hapetraka ao @ http://www.foko-madagascar.org ny momban'ny ora sy ny toeran'io Blog Club io.
Faly izahay ho avy amin'ny 10 nov izany hiaraka hahita anareo any. Izahay eto antoerana fa izahay aty lavitra kosa dia faly foana manohina. Lazao fotsiny hoe ahoana.