Tena mifindra be ny nendra fa mila tandremana ny zaza.
Raha tsy diso aho dia ny rora sy ilay fery amin'ny tenany ireny no mamindra ny nendramboalavo. Mety tsy mivantana koa nefa ny fifampikasohana, ka mila mitandrina ianao amin'ny fitaovana ampiasaina, mila sarahina daholo. Raha mety koa dia aza atao miray hefitra aloha izy ankizy fa raha mikohoka ilay iray ohatra dia misy ihany koa ny risk hifindrany amin'ilay zaza kely (piti-drora sns). Sady mbola zaza telo taona izy tsy hahatandrina zavatra toy izany.
nenipita : tsy olana anie na voa aza ilay zazakely e (aleo lavitra aza voa mbola kely).
Tsy misy tokony atahoranao fa tsy maintsy mandalo @izany ny ankizy e.
Ny fiambenana azy tsy hikitika loatra an'ilay boutons no manahirana ; satria mangidihidy be mandra-paha-maina an'ilay izy. Misy fanafody manamaina an'ireny sy manamaivana ny hidihidy fa anontanio ny dokotera e.:wink:
sanatria tsy manao automedication za, fa nisaceptole (tsy tadidiko ilay fanoratra azy) manamaina vetivety ny varicelle no sady tsy dia mampangidihidy azy, natoron'ny dokotera tam za nitaiza ny zanako voalohany.
Ny nendram-boalavo dia tsy mamindra raha tsy izy ilay manomboka mihofaka iny ka raha azo atao izany ny mampifanalavitra ireo zaza ireo amin'izay fotoana izay dia tsara.
Ny kitrotro dia hatrany anaty vavan'ny ankizy menamena feno bouton sady mikohaka be ny ankizy tratran'ny kitrotro, sady mety mahafaty raha tsy voatsabo tsara fa ny varicelle dia eraky ny tenany ftsn no feno bouton sady mamay le zaza fa io nisaceptole io no rapide, tsara noho ny eosine fa tsy mandoto (ny eosine menamena b d manasy), dia mirary fahasalamana hoan'ny ankizy e!
ny 15 andro mialoha ny isehoany no mifindra ny nendramboalavo. Rehefa mipoitra izy dia trop tard, tsy misy n'inn n'inn azo atao intsony fa dia miandry ny hipoirany @ le zaza faharoa indray.
tsy dia mampatahotra loatra io aretina io @ zazakely