Ny lainga ao ambadiky ny tontolo iainana eto Mada

1. zamanoro ( 18/10/2007 18:36)
Vita ny "Evaluation mi-parcours" ho an'ny PE3 eto MAdagasikara, mijery ny manombana ny zavatra vita tamin'ity fandaharan'asa faha-telon'ny tontolo iainana ity.
17%-20% no vokatra tratra tamin'ny 100% nosorotana fa ho vitain'ireo ONG International misy eto Mada, vokatra hitan'ireo consultants nanao ny fanadihadiana io.
Tonga anefa ny teny midina sy ny fandrahonana avy amin'ireo ONG International ireo ny mba hanovan'ny Consultants isanisany ny resultats, raha tsy izany dia mety ho tapahana ny vola fanampiana amin'ny tontolo iainana, no sady manaratsy be fahatany ny ONG miasa any hoy ry zareo.
Dia nanao fanambarana an-gazety ry Gaylor fa mahavelombolo ny zavatra vita tamin'ny fandaharan'asan'ny tontolo iainana novatsian'ny USAID vola.
Dia nilaza fa nihena ny tsy fahampiantsakafo amin'ny faritra manodidina ny ala, nefa ny any Farafangana ka hatrany Manantenina dia kere isan-taona ny vahoaka, vokatry ny kely tsy mba mamindro ataon'ny ONG vatsin'ny Amerikanina vola. Izay tsy nisy tsy niseho an-gazety efa hatramin'ny taona 2002 no nakaty
Izany hoe moa azy ny vola dia izay tiany atao angaha no atao sy tenenina koa no teneniny, dia tsy misy sahy mitsipaka sao very saosy
novalian'i TIABESERA ny 04/08/2009 10:34
2. xxx ( 18/10/2007 19:14)
Efa hatramin'ny fanjanahantany no heno foana ny toa izao isaky ny misy rapport vita.
Resaka tontolo iainana = resak'etotra avadika resabola.
Avelao ny vola ho avy fa aza bahanana, raha ny chiffre tena izy foana no soratanao ao dia ho foana vetivety daholo ny zava-drehetra, sy ny famatsiana.
na ny PIB aza ataovy faran'izay ambany mba ho gisitra i madagasikara amin'ny laharana toekarena amin'izay miraraka foana ny saosy sady ny an'ny USAID financement parallele na Extrabudgetaire nefa mamatsy tsara ny FBCF amin'ny Kaonty nasionaly, ka tsy hitako izay maharatsy azy.
3. xxx ( 18/10/2007 20:17)
Izay no mbola maha-nandra antsika ry xxx satria vola indramina io fa tsy omena fafikatrana fotsiny akory an
4. sitlo ( 18/10/2007 20:23)
Izany ve ry xxx dia tsy hitanao ny maharatsy azy? Miraraka foana ny vola fa miraraka mankaiza?
Any amin'ny ONG.
Sa ianao ao anatin'ireo ONG dia tsy raharahianao ireo tantsaha fa ataonao fitadiavam-bola?
Raha amin'izay ianao dia aza manahy fa tsy vao ianao no henoko nanao ohatra izany. Na resaka tontolo iainana io na resaka ady amin'ny SIDA. ;-)
5. xxx ( 19/10/2007 02:05)
ny volan'ny USAID fidin'ny senat amerikana isaky ny 4taona, vola natokana ho an'ny tontolo iainana ny fahasalamana ary ny fampandrosoana, tsy averina satria ny usaid ihany no mi-gerer azy fa ny partenaire toy ny chemonics intl no mampiasa azy toy ny marché poblika.
tsara satria vola adala tompo zaraina ho an'ny mpiasa malagasy ny tantsaha sy ny ambiny.
-titleI gouvernement-gouvernement
-titleII gouvernement-privé.
-monetization: mamatsy menaka ho an'ny tiko ary koba ho an'ny Kobama, izay mba hany orin'asa gasy milay manana pipeline miditra directa amin'ny tanker.

izany hoe volan'ny tiko sy kobama ny sasatsasany, ny sasany fanomezana. ny tambiny dia ny tsy handoronareo ala.=))
6. Herimiafina ( 19/10/2007 05:15)
zamanoro:

Vita ny "Evaluation mi-parcours" ho an'ny PE3 eto MAdagasikara, mijery ny manombana ny zavatra vita tamin'ity fandaharan'asa faha-telon'ny tontolo iainana ity.
17%-20% no vokatra tratra tamin'ny 100% nosorotana fa ho vitain'ireo ONG International misy eto Mada, vokatra hitan'ireo consultants nanao ny fanadihadiana io.
Tonga anefa ny teny midina sy ny fandrahonana avy amin'ireo ONG International ireo ny mba hanovan'ny Consultants isanisany ny resultats, raha tsy izany dia mety ho tapahana ny vola fanampiana amin'ny tontolo iainana, no sady manaratsy be fahatany ny ONG miasa any hoy ry zareo.
Dia nanao fanambarana an-gazety ry Gaylor fa mahavelombolo ny zavatra vita tamin'ny fandaharan'asan'ny tontolo iainana novatsian'ny USAID vola.
Dia nilaza fa nihena ny tsy fahampiantsakafo amin'ny faritra manodidina ny ala, nefa ny any Farafangana ka hatrany Manantenina dia kere isan-taona ny vahoaka, vokatry ny kely tsy mba mamindro ataon'ny ONG vatsin'ny Amerikanina vola. Izay tsy nisy tsy niseho an-gazety efa hatramin'ny taona 2002 no nakaty
Izany hoe moa azy ny vola dia izay tiany atao angaha no atao sy tenenina koa no teneniny, dia tsy misy sahy mitsipaka sao very saosy


Efa arrangement vita antran'ny samy ry zareo ireny matetika, tadidio fa vao vita ny LDI dia ny Chemonix ihany no nahazo ny ERI dia toa misy milaza fa mbola izy ihany koa no ao amin'ny projet packard sy ny MCA. Ny ADRA, ny CRS, ny CARE sns moa izany tsy resahana intsony ny arrangement rehetra ao satria hoe vadin'ny mpiasa iray ao amin,ny Usaid ihany no country representativen'ny CRS dia tsy maintsy lasan'ny CRS iany ny sasantsasany amin'ny DAPII amin'ny resaka CRENI sy ny CRENa, ny disaster and cataclysm management.

Ny resaka rapport amboarina indray dia lasa efa raikintampisaka amin'izy ireo, tsy tadidinareo ve asa na PE2 iny na PE1, ny ANAE nanome rapport echelonnée momba ny reboisement vita ka rehefa natambatra ny données dia hita fa mihoatra ny velaran'i Madagasikara ny surface reboisé rehefa mitambatra. hehehehe:-D
:^)
7. soanja ( 19/10/2007 11:37)
Tongasoa eto indray Zamanoro. :-*
Io resaka fikambanana goavana io de misy politika foana na ny any Mada na n'aiza. Ndeha hatomboka ny ao amin'ny UN izay reniben'ny rehetra ka tonga hatrany. Zany Results aty US izay fikambanana iatrehako de anisan'ny mpanao lobby ny vola mankany amin'ny USAID sns . Ao fotsiny defa misy ny tsy araka intsony fa dia ny tena no manamboatra saina hoe refa mahazo asa i Rasolo ary mamboly i Rasoa dia isaorako zanahary fa tsy lasa any Irak ny vola.
Amiko tsy misy fanafana fa ny hany azoko lazaina dia hoe work on the grass root level.
Raha te ahita fahafahampo amin'ny maso tsy miangatra sy asa mafy nefa matomboka sy mandaitra dia izay ihany : one village at a time, one project at a time and one child at a time. Ampiharo anie fa handaitra e.
Tsy hiferinaina ianao amin'izay zavamisy any amin'ny mpamatsy vola satria ianao no mamita ny zavabitanao sy ny hery natotona tao ary ahita fiovana goavana na eo imason'ny olona iray/zaza iray na ny tanana iray.

Mazotoa manamainty molaly ny tanindrazana!
8. zamanoro ( 03/11/2007 02:45)
Hoy Mahaleo hoe
Resabe avokoa ...
Ny tabataban-dry zalahy
Mody hoe hanao soa
Nefa hitsetsitra an'ela

Fa solointsika hoe

Resabe avokoa ...
Ny tabataban-dry zalahy
Mody hiaro ny tontolo
Fa ao ambadika mamono
Tran tran tran tran tran tran tran
9. sarobidy ( 03/11/2007 09:36)
:°), aza maka aretim-po zamanoro fa reo efa izay mihitsy :-*
10. pifa ( 03/11/2007 11:09)
Ekena!
Za ry zamanoro de leo misty amin'io! Le vola ané tsy entin'dry zalah miasa fa avilin'ny fanjakana mpitantané! ka tsinona le governemanta tsy manana fidiram'bola matanjaka ko! nefa tina hatao election (filoha, referendum, député, maire), ny mpiasa amin'io mila mihinana dôl fa ra tsy zay de à la rue ndray mi-grevy.
Monmba le PE3, refa antsoina ny consultants aveo ka mamôka ny marina fa 20% no atteint de asaina manitsy refa tonga ny avant validation ny asany.
Atao robinet fampidiram'bola ny tontolo iainana eto Gasikara.
11. nandrianina1 ( 17/11/2007 03:39)
:cry: kay ve mampalahelobe otrizany tsika e
12. melody ( 18/11/2007 16:09)
Resabe avokoa ...
Ny tabataban-dry zalahy
Mody hiaro ny tontolo
Fa ao ambadika mamono
Tran tran tran tran tran tran tran

:-D:-D ny lainga sy ny politika ange miaraka fôna e, tsy mifanary ireo!
13. prime ( 07/02/2008 12:08)
indrisy...
14. melody ( 07/02/2008 21:46)
indrisy tokoa fa n'aiza n'aiza io e fa tsy any amintsika irery!!!!
15. meved ( 23/02/2008 05:17)
De inona ary ny marimaritra iraisana fa marina daholo izany anie !


Ny vahaolana no mba tiako hofantarina ; sa miankina amin'ny andaniny sy ny ankilany ?
16. xxx ( 23/02/2008 06:43)
Tsy sarotra ny vahaolana "MANANA HAZON-DAMOSINA" Dia vita zanako hoy Mopera
17. prime ( 29/02/2008 13:23)
Mila fitiavan-tanindrazana...
18. TIABESERA ( 04/08/2009 10:34)
Mba manana ambara koa izaho amin'ny ity resaka tontolo iainana ity!
Ny zavatra hita dia vola tsy toko tsy foroina no mitobaka eto amintsika raha resaka tontontolo iainana. Midadasika be moa io sehatra tontonlo iainana io, fa eo amin'ny fiarovana ny ala no resahiko androany;
raha ny atotan'isa azoko (hitsio raha diso ry zareo mpiasa ao amin'ny Forét), dia ny velarantany voavoly hazo (superficie reboisée) kely lavitra noho ny velarantany misy ala simba (superficie subie par la déforestation).
Lôjika izany amiko, satria io no loharanon'angovo mbola ampiasain'ny Malagasy (saribao, kitay...). tsy maintsy miketrika anefa fa olona ihany!
Ny olana tokony ho vahana izany dia ny hoe: inona no hatao mba hampihenana ny fampiasana angovo azo avy amin'ny hazo?
Misy hamaly hoe: "charbon vita amin'ny bozaka sy lavenona, fatana mitsitsy sns...)
Fa ny ahy no mba soskevitro dia ny hoe, fanamorana ny fampiasana entona na gazy (subvention sur l'utilisation des gaz domestiques); satria mantsy mbola tsy mamokatra angovo pétrole isika dia tsy manana gaz, dia maninona raha ireo vola be atobaka etsy sy eroa ireo raha hanamorana (subvention) amin'ny fividianan'ny valala tsy mandady harona gaz.
Maro ny vokatsoa azon'ny tokantrano tsirairay amin'io, raha tsy hilaza afa-tsy ny danamaivanana ny asan'ny vehivavy mpikarakara nahandro...
Fa ny mety hiseo dia ny hoe, tsy hanaiky izany ny mpamatsy vola! Ny ahy ny valiny omeko foana izay olona miteny izany dia ny hoe izay no antony hividianan'ny vahoaka ny mpitondra isantsokajiny, hiharo ny tombontsoan'ny vahoaka, anjaran'izy ireo no mandresy lahatra ny mpamatsy vola!
Alaivo sary antsaina anie e! Ny salan'isantsika malagasy isantokantrano izao eo amin'ny 6 olona eo, raha 20 000 000 ny isantsika dia misy tonkan-trano eo amin'ny 3 333 333 eo ho eo eto amintsika, izany hoe boriboriana 3 000 000 (isan'andro: maraina, atoandro, hariva) eo ho eo no mampiasa saribao sy kitay (tsy haiko hoe firy mètre cube), dia ahoana moa no tsy aha lôjika ny fahasimban'ny ala amin'izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3464