Nodimandry i Bouboul

21. ari.malala ( 12/10/2007 06:30)
miara miory @ havany sy ny amany ary ireo izay nifaneresera taminy iany koa ny tenako. Na dia tsy nifandray imvantanta taminy aza moa ny tena dia isan'ny nanamarika ny fahazazana tokoa ny hirany sy ny fampianarany mozika tao @ RTM t@ zany fotoana izany, nahaliana tokoa. Tombon-dalana ny azy fa mbola hiaona aminy avokoa isika rehetra e, mahereza daolo.
22. rnjp ( 12/10/2007 09:25)
:cry: mankahery ny havana izay nilaozany eh!
toa hoe tokana ihany ny zanany fa ny zafikeliny no efatra. saika tsy nino aho nahita io filazana manjo io satria vao nandeha tamin'ny fandaharana tamin'ny RADIO DON BOSCO tamin'ny maraina ny feony tamin'ilay fandaharana hoe VAOVAON'NY MPANAKANTO!!!!!
Dia gaga zah sady nalahelo :cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:
23. rakaroka ( 12/10/2007 10:22)
"Ny fiangonanay" io no isan'ny ankafiziny @ hirany, voanotaniko taminy izany, bien sur aloha tsara daholo fa io ny lafiny "sensible"n'ny fiainana ko!
Dia nisy ny "veloma re...:cry::cry:indrisy tsy hihaona intsony.:cry::cry:
"Raha mihira aho dia ho an'ise" niarahako nihira taminy.
"Mbola tiako dia tiako ianao na ela aza no nahalalako anao...." hira niarahanay koa;
Ny "Avelao aho" moa nampianariny ahy : haiko mitendry sy mihira ....
Ary izy lé mitantara amiko izao atsanga tsy aman'orana izao :wink:: 'za retsy hoy izy efa nanao "concert" dia juste 5minutes tsy anombohan'ny
"tour"-ko iny : nisy nandoro ny "corde gitarako!"
:-D:-D:-D:-D:-D - Ka ramose tsinn mpanao izany olona ho'aho:-D:-D:-D.sady "corde iray ve no may tsy tendrena any foana e!!!:-P:-D:-D:-D:-D
Nisy marooo loatra no noresahiny toa izany.
Nisy tahiriny nasehony ahy : tahaka ny sary alainy amina boky na gazety dia ampiteneniny araka ny "façon"-ny dia manapa-tsinay.Sy ny sisa tsy voatanisa.
Hotahiana ny fahatsiarovana azy!
24. maholisoa ( 14/10/2007 01:16)

Izaho koa tena mba nalahelo manokana;
Sendra nandalo teo Ampefiloha teo aho tamin'ny volana aogostra iny, dia hitako teo andavarangana teo izy.
Dia nidina izy nifanatsafa teo zahay.
Nifanarak izahay fa hiverina aho ny ampitaso hitondra fakantsary.
hay moa tsy tafaverina intsony aho noho ny lozampiarakodia nihatra tamiko.
Dia izay no nahitako ay farany, efa tsy nitendry gitara intsony izy, efa tsy mihinana chocolat intsony koa, fa mbola nanao an'ilay hoe NdrYYYY.
Nafarany mafy aho ny mbola hitiavatsika ny mozika malagasy.....
Miara-ory amin'ny fianakaviany.
Maholisoa
25. lembelo ( 15/10/2007 08:37)
Maro tokoa ny fiarahantsika miory eto, ny fizarana alahelo sy ny fanaingana fahatsiarovana manokana.
Ny tsapako koa dia ny finiavany mampita ny fitiavany ny mozika malagasy amin'ny taranaka. Izaho moa tsy dia mahay gitara, fa na izany aza manampy ahy betsaka ireo partition-na hiran-daolao natontany. Nisy conservatoire t@ faritr'i Amiens iny nanana harmonie (à vent), nangataka tamiko hoe musique traditionnelle malgache, faly be rizareo nanomezako tamin'iny recueil-n'i Bouboul iny. Saingy tsy voatahiriko ny rakim-peony.
26. kaleido ( 18/10/2007 14:17)
Asa raha misy mahatsiaro,fa ny ahy ny clip gasy voalohany tadidiko dia izy.Mazava ho azy fa mbola noir et blanc,ary t@'ireny kermesse tao antanimbarinandriana ireny no nanaovana azy,tao anatin'ilay train kely iny izy ary mihinana voaloboka ka atsipiny tsirairay ireo,dia ireo hirany aloa dia tena mampahatsiaro ahy ny fahazazàko iray manontolo.Ka teto no nanaovako ANTSO AVO HO AN'IREO IZAY MBA MANANA IREO TAHIRIN-KIRANY ,mba omeo re re-olona,eny fa na dia ny ho famelomana indray ny nikatona sy mba ho fanajàna azy aza.Ka tsy ho faty mandrakizay anie ireo talentany.
27. tsiahi ( 18/10/2007 18:52)

tokotokony ho tany @ taona 2000 aho afaka nanao enregistrement tao @ RTM ny hirany , nitondra fahazoandalana tany @ Tpkl RAMBOATIANA mihitsy ahop tamin'izay .
Efa ela anefa izany dia efa simba daholo ny cassette .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3431