Nodimandry i Bouboul

1. ravatorano ( 11/10/2007 05:42)
Nodimandry omaly i Bouboul ilay mpitendry gitara fanta-daza ikoizana iny. Ramboatiana Etienne moa no tena anarany ,raha ny fahatsiarovako azy dia saika hira nentina hampihomehezana na ho an'ny ankizy no nataony toa an'ny hoe : "raha mihira aho dia ho an'ise" ny hoe raha ny zaza " sy ny adinony aho angambany izay no tsaroko satria anisan'ny nanamarika ny fahazazanay ny hirany;
izy raha teo dia manan talenta amin'ny fampihomehezana mba tsy hitenenana hoe izy no malagasy voalohany nanao ny clown tao amin'ny cirque nitety firenena maro.
Nampianatra tao ami'ny CNEM moa izy ny taona 1973 - 2000 dia avy eo indray nampanao fampianarana manokana tany antranony.
Ny razana dia halevina eny Ankadivoribe amin'ny zoma.
Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany ny tenanay sy ny namana serasera rehetra.
novalian'i tsiahi ny 18/10/2007 18:52
2. orlando405 ( 11/10/2007 06:37)
dia mirary fiononana tanteraka hoan'ny fianakaviana?
fa ny zavatra tiako ambara dia zao fade maninona no moro indray ny mpanankato eo @ fampiomezana no nody mandry.mety ts ampy ve ny fimihomezana any akaotra e
3. Ralay ( 11/10/2007 06:49)
Dia miaraka miory @ fianakaviany sy ny artista fa very olomanga iray indray ny malagasy.Lalana tsy maintsy hizoran'ny tsirairay avokoa io fa tombodalana ny azy.
Misaotra anao ry akama ravato nampita ny vao².
4. sarobidy ( 11/10/2007 07:40)
Misaotra an'i zoky ravatorano nampita vaovao, za zao tsy nahafantatra an'zany oe maty izy raha tsy teto!
Dia mirary fionona hoantsika rehetra izay mahafantatra azy koa ny tenanay:(
5. la ( 11/10/2007 07:49)
Misaotra ravatorano nampita vao2
dia mirary ny fiononana feno ho an'ny fianakavin'i Bouboul:(
6. Papoose ( 11/10/2007 07:52)
Nitselatra be ny vavafoko vao nahita an'le hoe "Etienne" marina, hay i bouboul!
ndryyy, iza ndray zany no hampianatra gitara ny taranako???
Miara-miory e!
7. sitlo ( 11/10/2007 08:09)

[center][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Triste/pleure-mouchoir-977.gif[/IMG][/center]
8. boozkel ( 11/10/2007 08:34)
snif snif !!! :snif::snif::snif:
9. lembelo ( 11/10/2007 08:44)
"Rehefa mirefarefa ka tsy ho tana ny hazavana,
Vetso no hany sisa no voatanisa fa tsy tamana,
Tsaroako indray e, ny any aminay....... "
10. xxx ( 11/10/2007 09:02)
ity hahatsiarovako azy manokana anio

" Dadatoa dadatoa dadatoa
tianay sy maminay tokoa ô ô ô
sady masiaka no tsara fnahy
Etsy hataonay bà "

Tena dadatoanay rahateo izy , fa ny tena moa aty lavitra aty
11. ravatorano ( 11/10/2007 09:47)
i Francis turbo dia vaky vava hoe fa maninona no dia ny mpampihomehy no lasa ka tsy tana amin'izao satria vao tsy ela akory izay no lasa ra zafihita dia ity indray zao i da'toa bouboul !
d ho sanatria v tsy ampy fampihomehezana marina any ankoatra any !
atao ahona fa izay no lahatra sy anajarany ary samy mbola ho any avokoa isika rehetra fa samy miandry ny fotoanany abt
mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana isika e
12. Kwasi ( 11/10/2007 09:49)
Mampalahelo!
Maneho fampiononana ho an'ny fianakaviany sy ireo ex mpianany rehetra.
13. ravatorano ( 11/10/2007 09:51)
Tontolon’ny kanto

Nodimandry i Bouboul



Banga iray indray ny tontolon’ny kanto Malagasy. Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-77 taonany, Ramboatiana Etienne, fantatry ny maro amin’ny amin’ny solon’anarana hoe “Bouboul”. Tamin’ny taona 1930 izy no teraka. Manan-janaka vavy tokana. Mpanakanto feno teo amin’ny sehatry ny hira sy ny fitendrena zavamaneno. Ny fanaovana hatsikana sy ny fitendrena gitara no tena nahafantarana azy. Mpamoron-kira, mpihira, anisan’ny nikohizana koa anefa i Bouboul. Samy nomeny lanja goavana avokoa na ny zavamaneno na ny tononkira. Anisan’ny nahenoana izany ireto hira ireto, «Efa nirefarefa», «Fampitaha», «Satriko lazaina anao», sns.

Ankoatra ireo, vitsy no mahalala fa nandalina momba ny “cirque” koa i Bouboul. Tany Brezila no nianarany izany. Ny fiarahany tamin’ny tarika Circo Brazil tany an-toerana aza no tena namolavola azy tamin’ny fitendrena gitara. Hita taratra tamin’ireo hira noforoniny izay fahafehezany ny hira brezilianina izay ary tena nanavanana azy tokoa. Ny fanaovana “cirque” indray nampiditra azy tao anatin’ny sehatry ny hatsikana.
Teto an-toerana

Namiratra avy hatrany izy vao tonga teto an-toerana. Nantsoin’i Odéam Rakoto hitendry angorodao tao amin’ny tarika izy. Ankoatra ny gitara, hainy tanteraka ihany koa ity zavamaneno ity. Na ny klasika aza no nahafantarana azy, voafehiny ihany koa ny jazz. Niaraka tamin’i Arnaud Razafy (Malagasy ngezalahy amin’ny jazz tamin’ny fotoan’androny) izy tamin’izany.

Tamin’ny taona 1973, anisan’ny nantsoina hampianatra voalohany tao amin’ny Foibem-pirenena fampianarana mozika (Cnem), niaraka tamin-dRandafison Sylvestre, Gille Ramiarison, Désiré Lalao Andrianarison, Schwarte Reinhard i Bouboul. Anisan’ny nitarika ny andian-javamanenon’ity foibe fampianarana mozika ity izy tamin’izany. Na tsy dia nasehony loatra aza, havanana amin’ny fanaovana sary hosodoko koa i Bouboul. Anisan’ny nitsara izay ho hiram-pirenena malagasy koa izy.

Halevina ny zoma 12 oktobra izao eny amin’ny fasan-drazany Ankadivoribe Atsimo i Bouboul. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany rehetra ny gazety Taratra.

Ao amin’ny Pejy faha-4 no ahitana ny momba azy araka ny nambaran’ireo nifanerasera taminy.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Loharanom-baovao : Atoa Razanajatovo Lala H.

Talen’ny Ivotoeram-pirenena fampianarana mozika sy dihy

gazety taratra
11/10/2007
14. melody ( 11/10/2007 10:21)
RIP Bouloul.... miara miory @ fianakaviany izahay namana rehetra.
15. xxx ( 11/10/2007 11:07)
ravatorano:

i Francis turbo dia vaky vava hoe fa maninona no dia ny mpampihomehy no lasa ka tsy tana amin'izao satria vao tsy ela akory izay no lasa ra zafihita dia ity indray zao i da'toa bouboul !
d ho sanatria v tsy ampy fampihomehezana marina any ankoatra any !
atao ahona fa izay no lahatra sy anajarany ary samy mbola ho any avokoa isika rehetra fa samy miandry ny fotoanany abt
mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana isika e


Tokony hitandrina koa i Francis izany ?
16. bilakarenjy ( 11/10/2007 11:39)
anisan'ny nahitanay fahaizana sy nahazahoako fahalalana raha i bouboul ,fa saingy samy hafa ny fandehan'ny fahazahoana azy ,fa mitovy kosa aloha ny zavatra avoakany e! .
Ilay hira hoe : TSY MAINTSY MANDEHA NA TIANA NA TSY TIANA no namolahany ahy t@ izany fotoan'andro izany .
17. bilakarenjy ( 11/10/2007 11:49)
ny artista zany tsy mety adino eo anivon'ny olo-miaina raha mbola misy ny sangan'asany tavela sy tsaroan'ny mpitia azy . Izay no fampiononana atolotro sy hifampizako @ fianakaviany .
Tsarovy fa nandao antsika fotsiny izy .



Hoatran'io masoandro mody io ny fahatsiarovana azy .Mody io de mbola hiseho indray raha-maraina .
18. rakaroka ( 11/10/2007 22:56)
:cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:
Ontsa 'reto aho :cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:
sady nikolo no nanabe ahy izy iny . Reko aninkeo ny vao2 dia niantso an'i Harilala mpiara-nianatra gitara tamiko aho ( izy no nampiditra ireo hirany ato amin'ny sera2. Avy hatrany dia norambasana ny "Avion" Eto Paris namonjy tany Marseille"
mba hanao veloma farany an-dramose any Dago. Tsy ary ho voantantara eto ny sompitra ara-koltoraly nibeazany anay:...m
Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany sy ny namany ary ny mpianany hafa koa.
:cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:
19. tsiahi ( 12/10/2007 03:48)


Tena anisany malahelo azy aho, mpamoronkira tiko tokoa izy, indrindra teo @@ mélodie .
Nampianatra guitare ahy izy, ary nahazoako base be dia be tokoa t@ mozika .
Nitady ny hirany foana aho teto @ forum internet fa tsy mba nahita .
Asa raha mba efa henonareo ilay hoe " Ny fiangonanay "
Latsaka foana taloha ny ranomasoko rehefa maheno io hirany io .Efa ela no tsy nahenoko ilay hira intsony . Ny tonony sisa no hitako ao @ serasera.org
Fa dia mirary fiononana ho an'ny fianakaviany ny tenako .


Mijoro an-tampon-kavoana
indro fa tazako indray
toerana tsy hay hadinoina
misy ny fiangonanay
injay reko ao ihany
ny lakolosy fahiny
ny feony manako hatrany
mandraka androany

(intermède musical + hum hum hum.....)

Tsiahy no indro tsy tana
hahatsiarovako ny fahazazana
fony izahay mbola kely
mihira ny andro noely
mba aiza tokoa ary izao
ireo ankizy niara-nilalao
mirakitra zavatra ho ahy
ny mijery ny fiangonanay

(intermède musical + hum hum hum.....)

Ny andro izay hifaliako
sy hitantanako ilay olon-tiako
tso-dranon'ny mariazinay
ao amin'ny fiangonanay
raha tonga ny ora fodiako
hangatahako, firariako
hilanjana ny vatako indray
handalo ny fiangonanay


20. tsiahi ( 12/10/2007 04:09)

Mahatsiaro azy aho rehefa mitendry guitare ka mijery sy mihaino izy : sady mihondrika izy no miteny hoe : Ndryyyy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3123