Ny rivotra maloton'ny tanan-dehibe

1. soanja ( 10/10/2007 15:38)
Tany Madagasikara aho dia nikohaka tsy nisy ohatr'izany vao nipetraka 4 andro tao Tana. Namonjy dokotera dia hoy ny dokotera hoe tsy misy olana ny tratranao fa ny tendanao no sahirana satria maloto ny rivotra iainanao.
De tsy ho afaka hiaina ao Tana ve zah.
Hono hoy aho mIsy fomba ve ahafantarana any Madagasikara fa madio ny rivotra androany na maloto sa tsy misy mihitsy. Sa misy fa tsy misy mampiasa na manantanteraka.
Misy manko fomba ijeravana hoe madio ny rivotra amin'ny tanana iray na maloto ary miankina amin'izay ny zavatra ataon'ny mpiray tanana na mila mandeha bisikleta ny olona na handrehitra afo kitay na hanao zavatra hitazomana an'iny ho tsara.
Ankoatr'izay moa dia tsy famanoatra rehefa mitsoka avy any ny rivotra maloto ny tanan-dehibe hafa.
novalian'i prime ny 13/02/2008 11:12
2. Kwasi ( 10/10/2007 16:45)
Toa efa nisy nandrefy an'io pollution de l'air n'Antananarivo io t@ 2000 tany ho any, dia hita fa tena maloto tokoa (surtout ao @ tunnel Ambanidia) satria rehefa nampitahaina t@ ny an'ny tanana hafa ny vokatra hita dia 2em manaraka an'i Mexico HONO.
Ry zareo tao @ departement physique nucleaire teny Ankatso no nanao ny fandrefesana raha tsy diso ny fitadidiako.

Donc possible izany ny mety ahafantarana hoe madio (asa raha mbola hisy an'izany) na maloto androany.

Fa izany hoe hatr@ izao aloha mbola tsy misy taitra sy mieritreritra an'izany ny olona e. Raha tsy hoe hisy loza mihoampampana angaha.

Efa nisy fepetra nolazaina ihany ho an'ireny fiara midona-tsetroka ireny, fa ny fampiharana no tsy haiko.

... @ manaraka zany dia mivatsia masque a gaz ko.:)
3. patrick2002 ( 11/10/2007 02:18)
Efa tena ratsy tokoa ny rivotra ao Tana ,ary efa miantra @ fahasalamana izany ,satria efa miakatra avo 3 heny ny areti-tratra eny @ tobim-pahasalamana ,tsy misy mietsika satria ny hahavoky ny kibo izao no maha-maika fa tsy fahasalamana .
Efa misy ezaka angamba @ fampiakarana ny vidiny gas-oil, ka mino izaho fa tsy hisy hampiasa gas-oil intsony atsy ho atsy rehefa mitovy ny vidiny @ essence. Ny taux de soufre @ gas-oil gasy koa ambony be ,ny essence sans plomb mbola tsy obligatoire any madagasikara ,izany rehetra izany dia mampitombo ny vidiny solika izay efa tsy takatra intsony amin'izao fotoana izao.
4. Herimiafina ( 11/10/2007 03:02)
Antony betsaka ny mety mahatonga ny fahalotoan'ny rivotra, tsy voatery ny setroka fiara fotsiny ihany fa ao koa ny indostria manodidina, ny doro-tanety, ny entona miakatra avy amin'ny zaoridira, sns.

Tsotra fotsiny ihany ny fanafodiny, miampy ireo efa voalaza ireo dia tokony mamboly kakazo manodidina ny tanana ary atao any ivelan'ny faritra misy ny kakazo ala ny indostria rehetra izay ahiana handoto ny rivotra. (Fonction de regulation et de protection par la forêt). :^):@
5. rafoko ( 06/02/2008 12:51)
Amiko de sarotra izany e!!!!!!!!!!!!
Fa anga ny hetotra tsy Mba rivotra maloto
Rehefa ratsy ny môtera , olo ,biby , machine
na tomôbile de tsy maintsy mamoaka rivotra maloto
Sa nareo tsimba tia Voamaina
6. prime ( 07/02/2008 12:23)
HM> toa ho sarotra ihany k'ity... ny "plan d'urbanisation" ary toa tsy misy mampihatra hatr@ fanjanahan-tany fa dia lasa "project" fotsiny dia atao fitadiavana loharanom-bola mankany am-paosy...

patrick2002> tsy misy ordinaire intsony ny essence eto an-toerana... mitombina ireo lazain'i HM ireo fa anisan'ny mampaloto be ny tontolo iainana an-tanan-dehibe (Antananarivo manokana aloha no tena hita be)...

Dia aoka tsy adino ihany koa ny vovoka manidina...

kwasi> tsy mbola laharam-pahamehana aloha ny setroka fiara rehefa manao "visite technique", fa ny fiarovana aina ihany no tena mahamaika ireo sampandraharaha...

soanja> mampalahelo ianao izany fa ny azo atao dia mitoetra @ trano "climatisé" sy tsy mandeha afatsy fiara "climatisé" dia mampiasa aspirateurs matetitetika fa maro no olona sendra anao toa io dia manao izay azo atao aloha araka izay eo am-pelatanana...

Ny fahalotoan'ny rivotra sy ny tontolony (pollution de l'air) dia toa mbola tsy miteraka fahavoazana noho ny fahalotoan'ny feo sy ny tontolony (pollution sonore) raha eto Madagasikara satria iry voalohany dia mba misy lalàna ihany ka mba farafaharatsiny ny 10% ny lalàna voahaja, fa ity faharoa dia na ny lalàna aza tsy misy fa lalàna momba ny fikorontanana (ordre public) sy lalànan'ny fifamoivoiana (code de la route) no misy sombiny kely mikasika azy ary ireo dia tsy misy manaja na dia 1%'ny lalàna velona aza... indrisy
7. soanja ( 09/02/2008 04:44)
Prime> Misaotra indrindra amin'ny torohevitra. :-*:-*
8. prime ( 13/02/2008 11:12)
soanja> tsy misy fisaorana... soava eeee!:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3927