Kininina manasitrana sy tsy tian'ny moka.

1. soanja ( 22/09/2007 01:11)
Mba misy mahafantatra ve ny anaran'ilay karazan-kininina (siantifika sns) ilay fihemboka rehefa misy gripa mamely ao an-trano. Mamboly an'io koa ny tanana sasany ho fiaro hialana amin'ny moka manatody.
Efa nisy fianarana momba an'io manokana ve sa ny gasy no mihevitra fa mandio rivotra ao an-trano fotsiny izy io. Misaotra mialoha.
novalian'i soanja ny 22/09/2007 23:10
2. booboo ( 22/09/2007 09:42)
Tadidiko t@ mbola kely dia nilasy zahay t@ izay. Dia nasain'ireo cheftaines-nay nentina tao anaty tentes isaka ny alohan'ny hatory ravina kininina (tsy haiko hoe lay karazany inona ?)mandomando nodorana. Mampadositra moka tokoa ilay setroka.

Mety mifampita @ "lovan-tsofina" ilay fahalalana ...
3. Kwasi ( 22/09/2007 11:02)
Kininim-potsy : Eucalyptus globulus
4. tsaramaso ( 22/09/2007 14:42)
booboo:
Mety mifampita @ "lovan-tsofina" ilay fahalalana ...
hahaahhaaa!!!! mifampita @ "lava-tsofina" ??!!!
5. soanja ( 22/09/2007 23:10)
Kwasi:

Kininim-potsy : Eucalyptus globulus


Misaotra fa io tokoa ilay tadiaviko. :-*:-*:-*


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7874