Dikan'ny paysage

21. toetra ( 20/10/2007 14:09)
Mahaliana ahy avokoa ny andram-pandikan-teny etsy ambony. Tsonganiko etoana ireto : valanjery, topazamaso,rindrantany, manodidina, sampimaso sns.
Tsara anefa raha voadikantsika amin\'ny teny tokana na farafaharatsiny kamban-teny, teny roa akambana izany.
Ny antony mantsy dia mbola tsy maintsy handika an\'ireo teny mitovy fototeny aminy koa isika. Teny iray no tonga ato an-tsaiko dia ny \"paysagiste\". Ny fototeny iraisan\'ny paysagiste sy paysage dia pays. Ny ahalalantsika ny pays dia firenena. Mahalaza azy koa anefa ny faritany, fivondronana, fokontany sy izay anarana manodidina ny toerana. Ilay faharoa, dia ny faritany izany, no anompanako ny eritreritro.
Satria misy ny fari(-tany) dia azo ampiasaina izany ny fari-(tazana). Ny faritazana dia ireo faritra rehetra tazan\'ny maso, manomboka amin\'ny akaiky indrindra, izany hoe ny lehibe indrindra amin\'ny maridrefy taza-maso, ka hatramin\'ilay faritra faran\'ny bitika indrindra, izany hoe ilay alavitra indrindra.
Ahoana indray ary ny paysagiste ? Maritrano no andikan\'i J. SIMS sy J.C. KINGZETT, izay nanamboatra ny \"Dictionnaire Français Malgache\" ny architecture. Ny architecte indray dia mpanao maritrano, kanefa dia azo tsorina amin\'ny hoe \"mpamaritrano\" satria ny tovona \"mp-\" dia ilazana mpanao asa. Tsy ho azontsika raisina ary ve ny \"mpamaritazana\" andikana ny paysagiste ?
22. soanja ( 23/10/2007 05:13)
tsy ratsy tokoa io hevitrao io ry Toetra.

Ohatra ny mety ny fahitako hoe " faritazana" na "faritazanina" ?
Ny "mpamaritazana" dia tsy maninona koa tokoa fa saingy ireny mpanao lalana ireny no tena hitako mifanaraka tsara amin'io mampiasa ilay fitaovana iny. Famaritana izay hita sns... (siansa kokoa anefa izy eto raha oharina amin'ny zavatra tsapa ao anaty vokatry ny hita maso eo)

Asa anefa fa aleo andrasana ny hevitry ny hafa.
23. Rajordri ( 15/12/2007 21:38)
Izaho indray vao namaky ny hoe faritazana dia toa sahirana rehefa hampiasa azy satria toa vaovao loatra, tsy tsotra ve raha atao hoe:"ny endrikendriky(toetoetran')ny toerana"
satria misy dikany hoe:"nature, aspect d'un pays"
raha hoe:"etendue d'un pays qui s'offre a' la vue" dia mety atao hoe faratazamaso, asa anefa.
24. benasy ( 07/04/2009 10:34)
Andeha hatao hoe " taza-maso iny" e! ny faratzana mantsy dia horizon !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4679