Ny ahy dia antsoiko hoe ireo tontolo manodidina manoloana ny maso na tazamaso/topazamaso.
Raha tsy eo ianao dia lazaina kosa hoe "ny any" na " ny toetr'endrika ny tontolo manodidina any"
Misaotra indrindra amin'ny valinteny.
Araka ireo voalaza teo dia zavatra taza-maso, tanàna ary sary ny "paysage". Mety ho toetr'endriky ny tontolo manodidina koa anefa.
Tsy hitako ao anaty raikibolana malagasy izy io fa izao no hita amin'ny teny frantsay :
Un paysage est ce que l'on voit lorsqu'on regarde son environnement à perte de vue, à l'exception des points d'intérêts proches de l'observateur. On parle également de paysage pour désigner sa représentation dans une œuvre.
fr.wikipedia.org/wiki/Paysage
étendue géographique visible par un observateur.
Azontsika araka izany ny fanazavana fa inona re no mba teny tokana handikana azy ?
Ny an'i Soanja, tazamaso na topazamaso, izao no hitako mifanarakaraka amin'ireo. Ny tazana anefa dia "vu" ary ny topazana dia "aperçu". Tsy ilaina intsony izany ny maso satria efa hita. Inona àry no anatovanantsika ny "taza" na ny "topaza" ? Sa sary ? Ohatra saritazana na topazandavitra sns.
"tontolo manodidina" araka ny voalazanao ihany. :°)
Fa raha izaho aloha dia tsy manao motàmo fa aleoko tonga dia izay tiana tenenina no tenenina e. Ohatra hoe tanàna no hita eo, dia tenenina hoe tanàna. Vala, tanety, lohasaha, sns
Mahaliana tokoa ity ady hevitra ity. toa lava loatra angamba ry Soanja ilay hoe " Ny rindram-boary tazanina"
Ny "manodidina" indray dia tsara fa mihoatra loatra satria tafiditra ao ny olona. Ohatra : "aza mitabataba loatra ianao rangahy fa aty daholo ny mason'ny manodidina !".
Ny itiavako ny hevitry Soanja anefa dia ilay hoe "rindra".