Fiainana aorian'ny fahafatesana: misy tokoa ve?

21. Veloo ( 13/09/2007 15:36)

zoubelou [ Valio ] 13-09-2007 17:13:00
Lohateny : Re : Fiainana aorian'ny fahafatesana: misy tokoa ve?
Hoy i mamitia:
tena manazava azy tanteraka angamba de mamaky baiboly tsara daholy , ao izy tsy misy hoe hevitrin'ny olona fa avy @ Andriamanitra daholy


Mba manomeza ary hoe toko sy andininy ao anaty baiboly milaza izany?


I thes 4: 16-18
Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha;

17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.

18 Koa dia mifampionona hianareo amin'izany teny izany.

I cor. 15: 51-56
Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,

52 fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana.

53 Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana.

54 Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalovana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi -fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe:"Ny fahafatesana noresena ka levona" (Isaia 25:8) .

55 "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô aiza ny fanindronanao? (Hos 13:14) .

56 Fa ny ota no fanindronan'ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin'ny ota.

22. naughtyboy ( 13/09/2007 16:30)
za kalo de mitovy hevitra @ ry zalah retohttp://www.dailymotion.com/video/x2n3dm_salala-lanitra-mangamanga_music
23. naughtyboy ( 13/09/2007 16:32)
tena tsy mety misokatra ndray ty fa ry salala mantsy io mihira le oe" lanitra mangamanga "asa ra misy afaka manitsy azafady
24. naughtyboy ( 13/09/2007 16:41)
anjamako faranyhttp://www.dailymotion.com/video/x2n3dm_salala-lanitra-mangamanga_music
25. ikaretsaka ( 13/09/2007 17:05)
Veloo:

ary oy i Ika oe:
Him alone hoy ianao, but even YOU need SOMEBODY to HELP YOU believe him..
e.g: bible. me you pastor sns...

otrany avadikao amin'ny zavatra hafa ilay tian'i Niryna lazaina...
Ary matoa izy miteny an'izany dia efa nahazo fananpiana avy any @ sera2 (ohatra), ny pasitera etc... ilay olona.

tsisy afa tsy ianao no afaka manao an'ilay premier pas oe Minoa an'i Jesosy ary jesosy irery ihany.

Ka raha tsisy nampahafantatra anao izany?


26. pissoa ( 13/09/2007 20:31)
zoubelou:

Izaho mino fa misy fiainana aorian'ny fahafatesana fa ny fisehony no mistery. Ireny matoatoa ireny ve ohatra, fanahin'olona efa nodimandry? Endrika iray isehoan'ny fiainana aorian'ny fahafatesana?

Na araka ny siansa, na araka ny Baiboly na araka ny finoana Malagasy dia misy ny fiainana ao aorian'ny fahafatesana ! Ka miankina amin'ny finoanao no maha-endrika hisehoan'ny fiainana ao aorian'ny fahafatesana ny matoatoa.
27. majesty ( 14/09/2007 05:47)
ika:
1) samihafa ka.. samihafa kosa ny hoe corps, corpus, vatana (body)
sy ny Spirit,spiritus, fanahy(soul)
ary ny fofon'aina,vita, Breath e
Vatana sy Fanahy ny olona, fa tsy vatana sy fofon'aina... ny biby koa manko vatana sy fofon'aina

2)dia ny foto-pinoana mihitsy no disoinao raha izay no hiheveranao azy, tsy misy mihitsy ao hoe didim-pitsarana kosa no hivoaka ao ka.. hitsara ny velona sy ny maty no credo nandritra ny 2000 taona, fa ianao no mandiso azy eto

3)ny vatana no ao am-pasana kosa e... fa tsy nisy nandevina fanahy!




*1* vovoka + fofon'aina = olona velona
vovoka - fofon'aina = olona maty (raha jerena araka ny namoron'Atra ny olona,tsy nisy afa tsy ireo singa roa ireo.Averiko ihany fa @tenin-tsika Malagasy dia mifangaro ny hevitry ny atao hoe fanahy.Raha misy olona manao asa soa zao dia lazaina fa tsara fanahy,raha ratsy toetra ilay olona dia lazaina fa ratsy fanahy,raha mandefa vinany ilay olona dia lazaina fa mitady aingam-panahy sns)

*2* Araho ange ilay voalaza e:Ary raha tonga ny zanak'olona @ voninahiny,arahin'ny anjely rehetra,dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny izy;ary ny firenena rehetra angonina eo anatrehany,dia hanavaka azy izy,tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin'ny osy,ary hametraka ny ondry eo @ ankavanany izy ,fa ny osy eo amin'ny ankaviany;ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe:avia hianareo izany notahin'ny Raiko,mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao (...)ary dia hilaza indray @ izay eo amin'ny ankaviany kosa izy hoe:Mialà amiko,hianareo izay voaozona ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay,izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny" Matio 25 :31 ...,mbola fitsarana ve io amin'i Ika sa efa didim-pitsarana :?::?::?:

*3* ny vatana no alevina ao ampasana :miombon-kevitra tanteraka,ary mijanona eo fa tsy misy izany fanahy miakatra any an-danitra izany.
28. fijo ( 14/09/2007 21:53)
veloo tena mino ve velo fa lasa vovoka ny faty????raha atao ve ny analyse dia mitovy ny singa ao amin'ny vatana simba sy ny vovoka?
29. idah15 ( 02/07/2015 13:31)

raha maty enw! tsy avy tng de vôtendry ny toerana ho ale fa misy fotoanany ny zavatra rehetra. izany hoe ny toerana iandrasana ny valin-kasasarana mbola tsy fatatra fa ny fanahinao no miaina anaty vatana hafa, ohatran'ny hoe io fanahy anananao io mbola mifindra anatina vatan'olon-kafa (zaza vao teraka ny resaka eto) izay koa no mahatonga anle hoe "tena misy olona mitovy amnw ary na ohatran'izany....."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4456