Batisa @ rano sy ny batisa @ fanahy masina:Ahoana izany?

41. niryna ( 14/09/2007 22:26)
niryna:

Fanontaniana raha natao batisa ve isika fony mbola zaza ,dia tokony atao indray rehefa lehibe sa tsy mila atao intsony?

ikaretsaka:

Nojereko tao @ fiekem-pinoana protestanta.. dia misy ao hoe "inoanareo ny Batisa tokana"
Ny katolika koa aloha izany e "batemy tokana

ny an'ny katolika misy hoe communion solenelle na "fanavaozana ny toky nomena t@ batemy
fa ny propestanta tsary haiko raha misy na tsisy!
"
Ka isika natao batisa fony kely anie tsy sitrapontsika e,ary eritreritry ny rar fotsiny io satria tsy misy milaza izany ao anaty baiboly na iray aza.Ny zaza rehetra efa noresahintsika io dia tsy manantsiny ary tsy mbola manana fahotana.Na zanaka mpino na tsia dia mankany amin'Atra daholo raha mbola zaza.(Avelao ny zaza anantona ahy fa ny any toa azy ny fanjakan'ny lanitra)
Ho antsika lehibe manana fahadisoana sy mahatsiaro fa meloka eo anatrehan'Atra noho ny fahotana vita rehetra dia manaiky sy atao batisa raha manolotra ny tenantsika Aminy.Mampiseho ho vavolombelona amin'izao tontolo izao fa manaraka an'i Kristy.Izany hoe mino aloha vao atao batisa .
42. niryna ( 14/09/2007 22:45)
Ny batisan'ny fanahy masina indray dia olona efa voafidin'Atra no omeny an'io,isika rehetra anefa dia samy omeny fanahy masina daholo rehefa mino sy atao batisa(misy olona tsy vita batisa ohatra ka maty),tsy mamonjy antsika ny batisa a,mety misy natao batisa kanefa manaraka izao fiaianan'izao tontolo izao ihany na lasa miverina indray(ireny no atao hoe backslider na fornicator ireo izay manohitra ny lalana rehetra izay tsy azo atao.)Raha tsy mibebaka amin'ny helony dia tsy hiditra ny fanjakan'ny lanitra hoy ny S.M

Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo.

Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.

Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.

Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,

fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,
fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. Gal 5:16-20
Raha mibebaka anefa isika dia ho voavonjy tokoa "na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala (rehefa mibebaka sy miaiky ny fahotantsika isika.) Tsy vitan'ny hoe mena toy ny jaky dia ho fotsy an,mila mibebaka.Io mantsy dia be mandiso ilay teny.:D
43. niryna ( 14/09/2007 22:55)
Hoy i Kristy hoe andefa ny Fanahy Masina ho an'ny mpianany izy mba ahazoan'izy ireo hery hitory teny.Toa izany ihany koa isika,ny fanahy masina dia miaraka amin'izay mino an'i kristy
Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. Asa 1:8

Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.
Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.Tsy hamela anareo ho kamboty Ahy; hankaty aminareo Aho.
Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo. Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary hianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
Jaona 14:15-18

Io izany misy tenin'Atra manaporofo antsika fa tsy ny rehetra no omeny ny fanahy masina fa izay mino Azy ihany.
:roll::cry:
44. pakopako ( 14/09/2007 22:58)
Misaotra ry niryna fa mzava sy hita le izy!:D
45. niryna ( 15/09/2007 05:44)
pakopako:

Misaotra ry niryna fa mzava sy hita le izy!:D

Tsy misy fisaorana ka ,masoava e:*

46. Looli ( 17/05/2018 13:16)
Tena izay mihitsy no tena valiny.
Alleluia
gasynamana:

Ny fahazoako ny batisa na batemy kosa dia izao: avy amin'ny teny grika izy mazava loatra. Ara-bakin-teny ny fanantaterahana azy dia toy izao: atsoboka ao anaty rano ny olona iray, aletika ao ary avoaka ao avy eo. Ny dikan'izay dia izao: mandalo ny fahafatesana ny olona ary miditra ny fiainana toa an'ny zanak'Israely namaky ny ranomasina mena mba hiala ny fanandevozana ho any amin'ny tany nampanantenaina.

Raha ny an'i Joany dia batemy manala ny ota no nataony fa ny an'i Kristy kosa dia ny batemy fanangan-ko zanaka, izany hoe fandraisana ny Fanahy Masina ho iray amintsika ka hahafahantsika miantso an'Andriamanitra hoe Ray
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6369