Batisa @ rano sy ny batisa @ fanahy masina:Ahoana izany?

21. niryna ( 13/09/2007 06:21)
ikaretsaka:

niryna:

Mess dia azo hitarina ka lasa hoe message
Izany hoe ny zavatra nataon'ny olona na ny hadalana na ny fisavoritaha teo amin'ny fiainana dia lasa teny hampitondraina na hafatra ho antsika sy ny rehetra.
(l)niryna

ny dikan'ny "mass" dia hoe 'vita"ka


Mess= fisarovoroana na fahalotoana,na zavatra mikorontana na koa hoe mess up: mampisavorovoro,na mandoto na mampikorontana.
Ohatran'ny hoe trano maloto io e.
Ny zavatra mety mitranga amin'ny olona:tokantrano mikorontana,zanaka maditra,vady maditra mampirafy,zanaka adala ,mamo-lava,tsy afaka sigara,zavatra niantra tamin'ny fiainanao,fijaliana nianjady taminao,ray adala mandositra adidy sns izay fantatrao fa mety manimba ny hafa na ny tenanao na manampoizina ny hafa ka miteraka fiantraikany aminao na ny hafa dia "mess" no tiako tenenina fa tsy mass izany.
Io zavatra mahazo io rehefa manana fanantenana an'Atra,manankina azy amin'ny olana rehetra dia lasa mivadika hafatra ho an'ny hafa."message" satria manamafy ny finoana an'Atra izany fahavoazana izany ary dia mety mahatonga anao milaza sy mampahery azy ireo mba hanana finoana Azy sy manankina ny fiainanao amin'ATra.
Izaho izao no ataoko ohatra,nijaly aho fony kely satria nahantra ny rar ,te-hianatra mafy aho fa tsy mbola vonona ny hanambady izany.Nanatona Azy aho,nitomany,nandohalika,nitalaho ary dia nomeny ahy ny fanahy masina niresaka tamiko ary io teniny io no narahiko.:arrow: teo aho no nanomboka niaiky fa tena misy izany ATra izany,teo aho no nanomboka nangetaheta ny teniny ary dia izao hitanao ato amin'ny sera izao mizara izay kely mba fantatro.
Ilay mess tamin'ny fiainako dia ny ziogan'ny fahantrana no noentin'Atra nanampy ahy ka nahatonga ho "message" ho an'ireo izay mbola tsy mahalala an'ATra .

^:^^:^ Ho Azy Irery ihany anie ny voninahitra ^:^^:^
22. niryna ( 13/09/2007 06:59)
ikaretsaka:

ilay batisan'ny fanahy masina ve tsy hoe ilay fanahy masina mipetraka ao amintsika en permanent e

Raha tsy mino an'i Kristy isika hoe Tompontsika sy mpanavotra antsika ary mino azy amin'ny hoe maty teo ambonin'ny hazo fijaliana ry nitsangana tamin'ny maty dia tsy misy fanahy masina miaraka amintsika.Efa noresahina io.
Manampy antsika izy raha tena mino an'i Kristy isika fa izy irery ihany no lalany sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay,miresaka amintsika izy,maheno feo mibitsika ato anaty ianao(fantaro fa ny Fanahy masina tsy hanoro voana ho antsika)

ny rano manko sasaina isika dia izay.
fa ny fanahy masina niditra ao amintsika ny Fanahy dia nitoetra ao foana mandrakizay

Marina izany fa miditra izy raha mandray azy isika,izany no mahatonga ny hoe misy ny fiangonana misy fanahy masina?ahoana koa izany?
Raha mandeha miangona ianao ka tsy mba nahazo hery na nahita fifaliana avy eo dia afaka mahafantatra ianao hoe lany fotsiny ny androko fa tsy nahazo hery akory aho.Ahoana koa izany.Raha miditra ny fiangonana ka tsy milaza ny marina izay voasoratra ao anaty baiboly dia mety tsy hisy fanahy masina ilay fiangonana(Dead church no anarany,na fiangonana maty).
Misy koa ny fiangonana mivoana ny fitoriany teny fa tsy miresaka ny mikasika ny fibebahana ,na ny famelankeloka na ny fanatonana an'i Kristy izay lalana iray mankany amin'ny ray.Mitory teny izy fa mivoana ary dia tsy mahazo hery mihitsy ianao.
Misy mitori-teny dia toa natokana ho anao irery iny tori-teny iny,ary toa any aminao foana ny mason'ilay pasitera hoy ity namana iray:D Ny fanahy masina izany no nanampy anao nampahiratra ny masom-panahinao nahafantatra ny marina(mety misy zavatra ratsy nataonao ohatra kanefa dia nifandraika ny toriteny)

fa tsy hoe rehefa te hihetsika de mihetsika, rehefa tsy hihetsika de tsy hihetsika (ohatran'ny tromba)

Aiza ika izany? I can believe it.
"Baptisme with Holy Spirit no filaza azy na hoe
"batisa ny fanahy masina" dia tsy isika rehetra no mahazo io fahasoavana io fa izay olona voafidin'Atra.

Special mission io izany hoe rehefa voatendriny ilay olona dia lasa manana hery lehibe izay tsy takatry ny saintsika (spirit supernatural power)
* Misy izy tsirairay ary misy izy mitambatra dia ireny fiangonana nolatsahan'ny fanahy masina ireny.
Inona avy izany fahasoavana lehibe mety mahazo ny olona izany?
-Fahendrena(message of wisdom)
-Fahalalana(message of knowledge)
-Finoana(Faith,ity tsy finoana fotsiny fa ity ilay manao hoe na ny tendrombohitra aza dia mifindra rehefa mino tanteraka(1 Kor 13:2) )
-Fanomezana manasitrana(gift of healing)
-Fahagagana azo avy amin'ny hery lehibe(miraculous power)
-Mpaminany(prophecy)
-Fanavahana ny fanahy samy hafa(distingushing between spirits) Ohatra hoe misy olona miresaka dia tonga dia mahafantatra izy fa tsy ilay olona no miteny fa ny fanahy ratsy ao anatiny ary dia afaka tonga dia mivavaka ilay olona izy,ohatra io fa mbola misy maro.Mahafantatra manavaka ny fanahy ratsy sy tsara izany.
- Fiteny amin'ny fiteny tsy fantatra ( speaking tongues)Io koa dia mbola misy mizarazara

Izay aloha fa lava be loatra
23. niryna ( 13/09/2007 07:00)
ikaretsaka:

dia valiako adaladala koa nefa logika:
ie manana tokoa ialahy, fa tsy nokarakarain'ialahy ilay izy (na tsy nahy na fanahy iniana) dia nalazo tao!



=D
24. niryna ( 13/09/2007 07:01)
fijo:

hay ve mety malazo le fanahy e.aleo halazo ao letsy fa ny vatana aloha no ataoko izay aha tsara azy an.



:cry:
25. niryna ( 13/09/2007 07:09)
fijo:

ka ny vatako aza marary ko ze fanahy any ve letsy

Ny fanahinao no mijaly fa tsy fantatrao.Izy miteny hoe andao amin'izay ry fijo mba hanatona an'Atra dia ianao midohika hoe ka raha misy Izy ataovy ho mpanankarena aho,kanefa ilay harena ohatra tsy mampafaly anao fa vao maika azy jamban'ny vola ianao.Ohatra ny ahy io an.Dia midohika foana sy faly manohitra ianao kanefa tsy fantatrao fa manome varavarana ho an'ny satana ny fonao ianao.Matoa ianao mbola mamaky ny soratra masina eto dia tsy avelan'Atra ho very ny fanahinao,mbola tsy tonga ny fotoana fa misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra.Izaho ve dia andany andro amin'izay zavatra tsy tiako,Jamais de ma vie izany =)) ny fotoana mandalo ny fahatanora mandeha,ny hozam-pe reraka ambony ihany,ny fahanterana mandroso,ny tena very maina lany andro amin'ny zavatra feno fankahalana.Kivy aho raha izaho no eo amin'ny toeranao.Andriamanitry ny fiadanana anie homba anao mandrakariva,efa fantany ny lalana izay tianao ho diavina.Mitia antsika izy saingy nomeny fahafahana isika na hiverina aminy na tsia,safidin'ny fo io.

26. niryna ( 13/09/2007 07:11)
ikaretsaka:

io dia misy manafangaro.

Ny hoe batisa dia avy amin'ny teny grika hoe bauptizo=lemana, tondrahana sasana na amafazana rano.

Fa tsy hoe Baupto= milona na mitsoboka.

Amiko ny fanahy masina tsy" rano itsobohana" fa "zavatra hitsofana rano" (fijeriko io an)
"joany nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izaho @ fanahy masina"


Ohatran'ny Bain sy ny douche ihany io e... samy manadio fa ny 1 te hadio eo am-pilomana (bain) .. ny 1 te hadio @ alalan'ny"fanondrahana" (douche)



back up your words with word of God.
Hamafiso ao anaty baiboly ny teninao azafady fa tsy hoe hevitra fotsiny.:D
27. niryna ( 13/09/2007 07:18)
gasynamana:

Ny fahazoako ny batisa na batemy kosa dia izao: avy amin'ny teny grika izy mazava loatra. Ara-bakin-teny ny fanantaterahana azy dia toy izao: atsoboka ao anaty rano ny olona iray, aletika ao ary avoaka ao avy eo. Ny dikan'izay dia izao: mandalo ny fahafatesana ny olona ary miditra ny fiainana toa an'ny zanak'Israely namaky ny ranomasina mena mba hiala ny fanandevozana ho any amin'ny tany nampanantenaina.

=D aiza moa no misy an'io fa tsy hitako fa vao andeha hitsimpona baiboly aho?

Raha ny an'i Joany dia batemy manala ny ota no nataony fa ny an'i Kristy kosa dia ny batemy fanangan-ko zanaka, izany hoe fandraisana ny Fanahy Masina ho iray amintsika ka hahafahantsika miantso an'Andriamanitra hoe Ray
Misaotra anao nanazava,mitovy hevitra aminao koa izaho.
Tsy maninona fa ho jerevako e,io no misy fanazavana hoe rano anaty renirano ve sa atao ray sy zanaka ary fanahy fotsiny (sprinkle water no filaza io atsipy kely sy atsoboka kely ny tanana dia atao ao amin'ny loha na ny andrina.)
Ny hitako indray dia saiky natao ity daholo ny olona Na any an-drenindrano na mitovy ireny an'ny dahoda sa inona ilay eo ambohijatovo ).Misy trano manokana ary efa misy rano ary misy pasitera miditra ao anaty rano ary dia ajoboka ao anaty rano tanteraka ilay olona.Misy manao akanjo fotsy arakaraky ny fiangonana io,misy akanjo tsotra izao ary pataloha jean no asainy hanaovana fa tsy akanjo ohatra(iny mifintina fa ireny jogging ireny mavesatra be rehefa mivoaka ao anaty rano ianao;-)

28. niryna ( 13/09/2007 07:21)
cutie:

Mpandefa : fijo [ Valio ] 12-09-2007 22:09:37
Lohateny : Re : Batisa @ rano sy ny batisa @ fanahy masina:Ahoana izany?
hay ve mety malazo le fanahy e.aleo halazo ao letsy fa ny vatana aloha no ataoko izay aha tsara azy an

:-D:-D:-D:-D
ary ahona njay le we malemy fanahy :roll:

malemy fanahy dia olona tsotra,malefaka fiteny,manana toetra mampa-te hianarana.Tsy mba mora tezitra na mitratrevatreva lava.Maka mora amin'ny fiainana ary tsy tia miady aman'olona.Saika ilay toetra tsara sy malefaka ireny dia ao aminy daholo.Be famindra-po,miantra olona.Maro be izy izany ,izany ve ho toetrany irery:D

29. niryna ( 13/09/2007 07:22)
majesty:

Ika: tsy mifamadika ve, bauptizo = atsoboka,na asoka ao anaty rano,ohatra hoe manasa lovia dia azo adika hoe manatsoboka ao anaty rano na manao bauptizo.

Batisan'ny rano ilay fanehoana ny finoana ampahibe-maso,ny batisan'ny fanahy masina = fahazoana hery,na fandehanana amin'ny fiainam-baovao ao aorian'ny batisan'ny rano


=D
30. niryna ( 13/09/2007 07:24)
ikaretsaka:

oops nifamasika tokoa.. azafady fa na izany aza izay no maha samihafa ny batemy sy ny batisa.. na hoe lazaiko teo hoe (bains sy douche aza=samy manadio)
izay ny maha batemy ny baupto=mamafy rano
sy ny batisa (bauptizo)= mandona!


Ka io mamafy rano io no fanao any amintsika.Mety hoe tsy misy ny renirano.
Fanontaniana raha natao batisa ve isika fony mbola zaza ,dia tokony atao indray rehefa lehibe sa tsy mila atao intsony?
31. pakopako ( 13/09/2007 23:59)
Mba azon'i niryna omena tokony sy andininy @ le hoe :
Tsara ho ahy hoy Izy no mandeha ary raha andeha aho dia andefa ny fanahy masina ho anareo azafady indrindra
32. ikaretsaka ( 14/09/2007 01:44)
niryna:

Fanontaniana raha natao batisa ve isika fony mbola zaza ,dia tokony atao indray rehefa lehibe sa tsy mila atao intsony?


Nojereko tao @ fiekem-pinoana protestanta.. dia misy ao hoe "inoanareo ny Batisa tokana"
Ny katolika koa aloha izany e "batemy tokana"

ny an'ny katolika misy hoe communion solenelle na "fanavaozana ny toky nomena t@ batemy
fa ny propestanta tsary haiko raha misy na tsisy!


33. majesty ( 14/09/2007 05:13)
hoy ika:
oops nifamasika tokoa.. azafady fa na izany aza izay no maha samihafa ny batemy sy ny batisa.. na hoe lazaiko teo hoe (bains sy douche aza=samy manadio)
izay ny maha batemy ny baupto=mamafy rano
sy ny batisa (bauptizo)= mandona!



Dia io bauptizo = manatsoboka ao anaty rano io mihitsy no tena hevitry ny batisa na ny batemy.Satria anisan'ny sary anankiray amin'ny hevitry ny batisa koa dia ny fandevenana (izany hoe ny fanaovana batisa izany dia toy ny fasana;fandevenana ny toetra taloha ary fitafiana ny toetra vaovao miaraka amin'i Kristy rehefa mitsangana avy eo).Dia izay no mahalasa saina amin'ilay hoe afafy satria tsy misy olona alevina ka hofafazana vovoka fotsiny ny lohany dia zay:D
34. niryna ( 14/09/2007 06:42)
pakopako:

Mba azon'i niryna omena tokony sy andininy @ le hoe :
Tsara ho ahy hoy Izy no mandeha ary raha andeha aho dia andefa ny fanahy masina ho anareo azafady indrindra

Jaona 14:14-16

Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hianareo, dia hataoko izany.

Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.

Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.
" And I will ask the Father ,and he will give you another Counselor to be with you forever."

Io mpananatra io izany no Fanahy Masina miaraka amintsika kristiana,izy no mampianatra antsika.Rehefa mamaky baiboly ohatra dia mangataha amin'Atra ny fanahy masina mba hanazava antsika ny teny izay nomeny(efa nahita olona aho niresaka tamiko fa efa in-dimy hono izy no nahavita namaky ny baiboly rehetra tao anaty androm-piainany kanefa tena tsy misy miditra hono.)Tsy nino aho kanefa ny vavany no niteny izany tamiko.:cry:Dia ny FM no mitari-dalana antsika,manoro antsika ny hevitry ny tenin'Atra ,ary mitondra antsika ahalala ny marina"guide you into all truth"

Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.

Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-d�lana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.

Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
Jaona 16:12-14

35. niryna ( 14/09/2007 06:54)
Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.

miala tsiny fa hitari-dalana no tiako ho tenenina :roll:
36. niryna ( 14/09/2007 07:10)
majesty:

hoy ika:
oops nifamasika tokoa.. azafady fa na izany aza izay no maha samihafa ny batemy sy ny batisa.. na hoe lazaiko teo hoe (bains sy douche aza=samy manadio)
izay ny maha batemy ny baupto=mamafy rano
sy ny batisa (bauptizo)= mandona!



Dia io bauptizo = manatsoboka ao anaty rano io mihitsy no tena hevitry ny batisa na ny batemy.Satria anisan'ny sary anankiray amin'ny hevitry ny batisa koa dia ny fandevenana (izany hoe ny fanaovana batisa izany dia toy ny fasana;fandevenana ny toetra taloha ary fitafiana ny toetra vaovao miaraka amin'i Kristy rehefa mitsangana avy eo).Dia izay no mahalasa saina amin'ilay hoe afafy satria tsy misy olona alevina ka hofafazana vovoka fotsiny ny lohany dia zay:D



=D
Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.

Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany;

fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.

Fa izay efa maty dia afaka amin'ny ota.
Ity misy fanazavana izany:
Rom 6:3-7

Amin'ny manaraka no omeko ny fanazavana an'io ,raha misy afaka manazava koa moa dia raisina an-tanandroa.Aleo aloha aho hatory amin'izay.

37. niryna ( 14/09/2007 07:18)
pakopako:

Mba azon'i niryna omena tokony sy andininy @ le hoe :
Tsara ho ahy hoy Izy no mandeha ary raha andeha aho dia andefa ny fanahy masina ho anareo azafady indrindra



1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.

2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.

3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.

4 Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako.

5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?

6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

7 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy.

8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.

9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?

10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.

11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.

12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.

13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.

15 Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.

16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay Jaona 14:1-16 Io ve no tadiavinao?

38. niryna ( 14/09/2007 20:55)
pakopako:

Mba azavazavao kokoa fa mbola tsy mazava aminay le batisa @ renirano ireny ve ny tena izy sa na le atetezina @ loha any ampiangonana ireny d vita ???


Ilay batisa izany tany amin'ny reniranon'i Jordana no nanaovana azy.Kristy dia tsy nanomboka ny asany raha tsy efa vita batisa sy nahazo hery tamin'ny fanahy masina.
Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.

Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Rom 6:4-6



39. niryna ( 14/09/2007 21:24)
Koa niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ho amin'ny fahafatesana isika, mba ho tahaka ny nananganana an'i Kristy tamin'ny maty tamin'ny voninahitry ny Ray no handehanantsika kosa amin'ny fiainam-baovao.

Fa raha nampiraisina taminy tamin'ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin'ny fitsanganany; fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan'ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Rom 6:4-6

Raha natao batisa Kristy tao anaty rano Dia toy izany koa isika atao batisa ao anaty rano(ny hevitry ny batisa dia misy karazany ny filaza azy:symbol-ny mpino izay maty noho ny ota ary velona indray rehefa nitsangana tamin'ny maty,ary ny hoe fanadiovana ny eloka rehetra.(baptisme:symbol of believers who wanta to wash away their sins and have a new birth in Christ)Na koa hoe fiainanam-baovao,ny lasa hoy ny soratra masina tsy misy intsony fa dia fiainam-baovao indray no dihavintsika.Ilay hoe atsoboka ao anaty rano indray dia midika hoe maty miaraka ny ota aho,ary mivoaka ao anaty rano dia midika hoe velona,mitsangana indray.
Izay no fanazavana nomena anay.


40. niryna ( 14/09/2007 21:35)
pakopako:

Mba azon'i niryna omena tokony sy andininy @ le hoe :
Tsara ho ahy hoy Izy no mandeha ary raha andeha aho dia andefa ny fanahy masina ho anareo azafady indrindra



Fa ankehitriny mankany amin'Izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
Fa satria nilaza iany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo.

Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho aty aminareo Izy.
Jaona 16:6-7

Io ilay teny notadiavinao :D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6672