Mila vonjy

1. dadane ( 29/08/2007 15:11)
Faly miarahaba antsika rehetra eto @ forum fahasalamana ny tenako. Izaho izay miresaka aminareo eto dia manambady ary mananjanaka mirahavavy. T@ volana janoary teo no nahafantarana fa voan'ny " insuffisance rénale chronique " ny vadiko ka mila manao dialyse in-telo isan-kerinandro nefa ny iray dia 650.000 Ariary ka mba mangataka torohevitra aminareo indrindra fa ireo izay any ampita mba ahafahana mahazo fanampiana ! dia misaotra mialoha anareo rehetra tsy ankanavaka !
Ity ny tel mety ahazoaa ahy : 0320758630
2. sympa ( 29/08/2007 17:31)
:? mankahery anao :-*:-*
3. Fiffi ( 29/08/2007 17:46)
dadane:
ny vadiko ka mila manao dialyse in-telo isan-kerinandro nefa ny iray dia 650.000 Ariary ka mba mangataka torohevitra aminareo indrindra fa ireo izay any ampita mba ahafahana mahazo fanampiana !
mirary soa ny vadinao zany kalou.
heu...ahazahoana fanampiana ahoana moh ny tianao lazaina eto ? hoe tsaboina aty ivelany ve ? sa inona ?


4. watafon ( 31/08/2007 15:30)
dadane: mampalahelo tokoa zany fa zao e! maninona raha manantona ireny organisme misy eto amintsika ireny fa misy efa nahazo fanampiana ihany mantsy !
araka io voalazan'i fiffi io d inona zany no andrasanao marina raha tsy mahadiso ?
zay fa dia mankahery sy mirary soa hatrany e !:-*
5. dadane ( 01/09/2007 04:23)
misaotra amin'ny fampaherezana dia ny zavatra tadiaviko moa dia fanampiana aran-kevitra ho anareo any ivelany,ny eto antoerana dia efa nanontany fikambanana maromaro fa miandry ireo teo aloha ho faty vao misy toerana izany hoe misy filaharana ka miandry izay toerana ialany maty vao misy hidiran'ny manaraka indray, mbola misy maro ireo olona eo alohanay anefa ka izay no antony hitadiavako fanampiana aminareo any ivelany sao mba mahita hevitra fa ny eto aloha izany dia tsy misy azo atao dia misaotra mialoha ho an'izay mampahery e!!
6. diamondra27 ( 01/09/2007 07:53)
dia mampahery anao sy ny vadinao ny tenako
mila finiavana sy faharetana tokoa rehefa misy olona voan'io aretina io
efa mitondra posy izy zany sa ahoana?
De tsy maintsy surveiller-na foana iny @ alina sao feno de vider-na mba tsy hisy fuite.
efa voalazanao testy ambony ihany moa ny hoe: fizahana azy intelo isankerinandro

na aty koa aza aloha ange ireny mila fanaraha-maso saingy mba misy securité sociale aty de mba maivamaivana ara-bola ny manana ny marary.

Rehefa matory izy de jereo tsara mba tsy ho voatsindriny le pôsy e!

fa hono wa : toa misy olona mahita lalana ihany ange ny olona sasany refa misy marary tahaka izao de mba miangavy ny havany aty france de lazaina we: hitsabo tena le olona e! andramo ihany aloha sao de mety zay hevitra zay e!

courage e!
7. xxx ( 01/09/2007 08:43)
tsy misy idiran'ny posy izany diamondra a , tsy hoe rehefa marary rein dia manao fuite akory :-D

zavatra hafa mihintsy
8. diamondra27 ( 01/09/2007 08:59)
xxx: arakaraka ny aretina mahazo anao ka
fa za ngah moa mahalala , za koa ange nametraka fanontaniana ho azy aloha de zay vao narosoko io hevitra io e!

ny dialyse fantako de mitondra pôsy le olona, ary mila surveillance.
Ny pôsy tiako lazaina eto de le sachet reservoir na pipi iny, raha zay no tianao teneniko. Voilà
Ny zavatra haiko no lazaiko fa tsy hiteny zavatra sy hanoro hevitra ho an'olona @ ze zavatra tsy haiko aho, dsl.
9. diamondra27 ( 01/09/2007 09:13)
xxx: miala tsiny aloha fa tena zavatra hafa ny tao antsaiko fa tsy io
Marina ny anao fa ny dialyse de fanadiovana ny toxine sy ny rà etc etc...

tena VRAIMENT DESOLEE an!mifona mifona

tsy le fanadiovana no tao antsaiko fa le olona rehefa tonga any an-trano, de tsy afaka mipipi tsony reny fa mila aide ,de le mivoaka @ tuyau ary tehirizina @ le sachet de ariana refa aveo.

encore dsl an!:oops::oops:
10. xxx ( 02/09/2007 14:05)
reins no marary fa tsy vessie :lol:
ny manao dialyse tsy mitondra poche ka
11. diamondra27 ( 02/09/2007 17:12)
xxx: merci :wink:
afangaroko wa le izy fa j'ai tout faux:oops:
tsy zany fa misy olona natao dyalise de sady marary vessie, de refa miteny dialyse de le aretina 1 foana no ato an-tsaiko, soa fa tsy mi-passe exam raha tsy zany de 00 avy hatrany, nefa tsy misy ifandraisany
le saiko mihintsy no tena efa lasa erotreritra any @ le olona le mitondra poche e! satria mampalahelo be ny nahita azy( tapa-tongotra, atao dialyse de mbola mitondra poche) de jereo @ zany, encore dsl an
12. xxx ( 03/09/2007 17:51)
Andramo daholo reheffa ONG resaka surtout fahasalamana any sao mis azony anorona ihany fa mis ihany ny gasy marary tafavoka france ohatra refa tena grave.
Za tsy mahay fa misy ny medecin sans frontière, any @ reny mopera reny koa manontany...
13. watafon ( 06/09/2007 12:27)
dadane : efa nanantona ONG teto mada v nefa ianao ? mba andramo ihany aloha fa misy efa nahazo fanampina mantsy anie e!
14. dadane ( 30/09/2007 04:28)
efa nanantona ONG tokoa misy karazany 3 io ONG io ary efa nanantonana daholo fa miandry laharana e! miandry ny maty vao misy toerana idiran'ny velona indray nefa mbola laharana lavitra no anjaranay ka miandry ny anjara eto e! dia izay no antony itadiavana lalana hafa. Dia misaotra amin'ny hevitra rehetra e!!
15. fanomezanarasoa ( 18/10/2017 06:40)
Miarahaba anareo eto @ forum, ny dialyse fantaro zao dia 220.000 MGA ao @ funhece etsy ambondrona, fa aiza no mis izany 650.000 MGA izany

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1275