specialiste fistule anale

1. xxx ( 23/08/2007 14:20)
Mijaly be @ ity aretina antsoina hoe fistule anale ity ny vadiko efa folo taona izay:(, natao daholo izao fitsabona rehetra izao , nijaly fotsiny izy fa tsy hita izay vokany , taty aorina elabe vao fantatra fa io fistule anale io ny anaran'ilay aretina , ka mba miangavy sy magataka fanampiana amintsika namana sao mba misy mahafantra specialiste : chirurgien mahay eto antananarivo ? mikasika io aretina io
nisy ohatran'ny vay teo @ fitombenany t@ voalohany , avy eo niparitaka feno maromaro teo @ feny , mivonto , mangana misy ohatran'ny lavaka , mamoro-nana, sady maharary be no maha menatra, misaotra an'Atra aloha fa tsy mifindra ilay izy, izay dokotera naleha t@ izany tsy tena nahafapo fa nikaroka tato @ internet aho vao tena nahafantra marina ilay izy saingy dokotera any an- dafy no specialiste @ ilay izy fa ny eto amintsika no tsy hitako,
Azoko atao ny manantona hopitaly avy hatrany fa efa leomboanana omaly aho @ ataon'ny mpitsabo sasany milalao ain'olona ka aleko manontany izay tena mahay aloha vao miresaka tsara.
koa mba vonjeo re , sao mba misy efa voan'io ka sitrana na koa mahalala mpitsabo mahay, traitement chirurgical hono no tena efficace amin'ilay izy
Misaotra mialoha ho anao izay manana sosokevitra.
2. sakaizakely ( 23/08/2007 15:43)
mitadiava service de chirurgie viscéral, gastro entérologue na proctologue

toa sarotsarotra ihany ny fitsaboana ary miverina matetika aza ny aretina fa tsy dia tena hoe ianareo no sendra olona ratsy.

miala tsiny fa tsy mahalala ny fandehan'ny spécialistes ao Antananarivo, fa téléphoner-vo daholo rehefa etablissements hospitaliers na cliniques raha manana ireo services ireo ry zareo.

tsy aretimifindra io fa kosa tena mampijaly

mahereza
3. sakaizakely ( 23/08/2007 16:08)
nanao fikarohana kely aho fa nahaliana ahy ilay aretina

http://www.proktos.com/Espaces-Publiques/ESPACE-PATIENT/Maladiedumois/M-FistuleAnale.asp

http://forum.doctissimo.fr/sante/constipation-transit/fistule-anale-recidivante-sujet_147100_1.htm

Na any ivelany aza, toa sarotsarotra ihany ny fitsaboana. Mirary anareo hahita mpitsabo tena mahay

Proctologue na farafaharatsiny gastro entérologue no hanoro anareo ny chirurgien hanao ny fandidiana.
4. diamondra27 ( 23/08/2007 17:51)
vao 5 taona monja ilay izy no fantatra hono ka!
de efa nisy natao opération fa toa miverina le izy fa mety arakaraka ilay olona koa angamba aloha e
de mirary fahasalamana ho azy zany e

hemoroida zany no niantombohany sa constipation?

Le olona voan'ny hemoroida reny hitako an, le efa mivoaka kely le izy , somary mampime fa tena marina, ( himé ndray zao Angolaina mahita an'ity), de maka dobera na huile le olona namana de manasitrika azy any anaty lavak'ilay marary any.

Mila jerijerena matetika zany e! we sao de miseho aty ivelany le hemoroida
5. sakaizakely ( 23/08/2007 19:22)
diamondra>

talohan'izay fa tsy 5 ans fotsiny kou

misy boky efa nivoaka momba ny fandidiana ho an'ny éleves chirurgiens colo proctologues t@ 2000, donc efa fantatra efa ela ary efa hay efa ela ny traitement

raha ny fahitako azy dia tena saropady be ny fandidiana, ho an'ny tsy mahay ze i sy a moa izany, nefa koa toa misy chirurgiens tena mahay azy tsara.

Misy étapes betsaka 2-4 opérations any, tsy maintsy arahina tsara ary tsy azo sectioner-na ny nerfs du sphincter, nefa ny fakan'ilay fistule manivaka ilay nerfs, dia mila mitandrina be @ fandidiana mba tsy hanapaka ilay nerf.

manamafy amin'i xxx za zany hoe proctologue no tena tomponandraikitra an'io aretina io ka io no ataovy izay ahitana azy.
6. xxx ( 24/08/2007 03:29)
misy chirurgien specialist ao Befelatanana, Jacques ny anarany mandehana mijery azy any...Tsara fanahy be ilay bandy
7. xxx ( 25/08/2007 09:56)
Misaotra betsaka anareo namana t@ sosokevitra sy ny fararian-tsoa , hiezaka ny hanaraka izany

Misaotra manokana an'i sakaizakely koa t@ fikarohana nataony , tena mampahery tokoa ny famakiana ilay forum
doctissimo io , any ivelany aza moa mila ho kivy ny olona @ fitsabona ilay izy maika moa fa eto amitsika zany indrindra no nanosika ahy hitady hevitra aminareo namana hoe aiza no tany halehako ahazahoako fitsaboana mahomby , iza no efa voa dia nanao ahoana sitrana ve ? taiza no notsaboina sns
Ny constipation koa no mpahazo azy hatramin'izao fa hezahiko omena ranom-boasary na voamadilo dia mba azoazo .

Misaotra an'i xxx dia misaotra antsika rehetra.
8. sakaizakely ( 27/08/2007 21:33)
xxx>

na izaho koa aza mba gaga @ fahasarotan'ny fitsaboana fa dia mirary anareo ahita mpitsabo mahay.

momba ny constipation dia ezaho mba tsy hisy intsony tsy hampihetsika ny ratra efa misy. Ny fomba fisakafoanantsika malagasy dia tena mahatohana ka mila miova fahazarana tanteraka ny vadinao.

Mahereza mihinana sakafo feno fibres (légumes masaka na manta, anana, voankazo) izay tena be any amintsika. Fa tsy ilay ridritra be menaka ireny mitingitingina eny ambony vary ireny an ! Atao rony (fadio ny be menaka), ary ny fatrany dia mitovy na avo roa heny ny vary hanina. Raha toa ka vary roa sotro lehibe dia anana in-4 ny sotro lehibe no ihinanana azy.

Ny voankazo indray dia aza atao ranony fa ilay pulpes iny no mihitsy no misy ilay fibres manamora ny asan'ny tsinay atao hoe "transit". Asaivo haniny @ silantsilany iny ihany toy ny mahazatra ny voasary. Ny akondro maha constiper fa tapany ihany isan'andro raha ohatra ka, na foany mihitsy aza.

Ny vary raha diso be loatra dia mampitohana. Tsy tokony hoe ahena anefa ny ration, fa ny fangarondaoka no ampitomboina. Raha mahavatra an'io ianareo dia tsy mila mihinana na fanafody na ranona voamadilo fa mandeha ho azy ny fivalanana. Ataovy expérience 3-4 fotsiny ange dia ho hitanareo ny vokany e ! Raha toa ka tsy misy fiovany farafahaelany herinandro, dia manatona dokotera fa misy tsy mety izany.

Dia mahereza ary aza hadino ny mitondra ny tohiny eto :-*:-*:-*:-*
9. xxx ( 28/08/2007 10:04)
ary ohatran'ny nahita aho hoe : manao regime sans fibre ilay olona voan'ny fistule anale ? sa za disodiso kely t@ namaky ilay forum ? inona ny tena marina ?
efa nanandrana nitady ilay proctologue lazainao aho
dia nisy nanoro hoe : clinique Ankadifotsy ka dia hotabatambazako izy zao ho any, izy koa mantsy lasa sarotahotra be rehefa ho any @ dokotera taorian'ilay
choc be nataon'ilay dokotera izay ( tonga dia tsongoiny manta be @ pince , de atsofiny any ilay pince avy eo mamakivaky ilay tunnel entre 2 points, tena teratsemboka sy mangovitra mipararetra mihitsy) tsy misy anesthesie an, 2 na 3 andro no natao izay izy dia tsy nety nanohy intsony.
Tanteriko eto ihany ny tohiny mba ho fahalalana ho antsika namana, toa lazain'ny olona hoe : rare be hono io aretina io eto madagasikara , izay no mahasarotra ny fitadiavana mpitsabo azy, sady vaovao amin'ny mpitsabo koa .
Ilay tany befelatanana mbola tsy nahenoko vaovao ilay olona nasaiko naka renseignement
Misaotra betsaka o!
10. sakaizakely ( 30/08/2007 20:26)
xxx> miala tsiny fa tena aretina tsy fantatro izy ity ary tsy dia novakiko tsara ilay forum ka tsy fantatro hoe inn no régime tsara arahina fa torohevitra mikasika ny constipation fotsiny no nomeko anao. Mety tsy hihety tokoa @ vadinao angamba, nefa koa raha constipé izy ka voatery hanena de mety mampihetsika ny fery koa. Asa re :oops::oops::oops:

Aleo ny dokotera no hanome ny heviny.

Azoko antsaina mihintsy fa traumatisé ny vadinao @ fihetsiky ny dokotera zany ka tsy te hiherika fitsaboana intsony. Io dia mbola tena banga be any amintsika ny tsy fisian'ny "prise en charge de la douleur". TSy pince no nampiasainy fa seringue tsisy fanjaitra, misy colorant (bleu de méthylène) de ampidirina eo @ le fistule ijerevana ny lalany mandrampahita ny fakany. Mampiasa anesthésie foana ny dokotera isaky ny hanao an'io examen io, fa any amintsika, tsy ampy moyens de alefa amizao sady tsy mba kenakenaina ny marary.

Atao ahoana fa @ manaraka rehefa mahita dokotera de azavaina dia mila miresaka tsara aminy, momba ny tahotra, ny zavatra tsy tanty sns... Mirary anareo ahita dokotera compréhensif sy mahay

:-*:-*:-*
11. kelly13 ( 31/08/2007 18:20)
manao regime sans fibre


ié, satria manamafy kk ny fibre. Louis 14 kou voan'ny fistule (tsy tadidiko na anale izy zay) d natao operation manta (sans anestezy). fa zao, ataovy haingana ny fitsaboana (operation no anaovana azy, zany oe zairina ilay "rovitra" ao anaty) satria mety hahavoa ny septicémie an! d mahereza fa tsy mora io fitsaboana io.
12. xxx ( 07/01/2008 10:00)
:D niverina eto indray aho ry namako isany , satria fifaliana lehibe ho ahy ny mizara aminareo koa ny hafaliako fa dia sitrana soa aman-tsara ilay vadiko,
ary tena azo lazaina ho fahagagana mihitsy no nahasitrana azy satria rehefa tsy zakanay ilay operation sy ilay sarany any @ specialiste dia notoron\'Atra lalana izahay ka nahita itony karazana medecine traditionele itony , zaza iray nisy nivonto be teo @ sofiny havia sy ny ratsany ary saika ho didiana tany @ HJRA no nentina tany ,rehefa natahotra ny ho didina ny ray aman-dreniny dia nisy nanoro io mpitsabo io ( medecine traditionele ) 2 andro taorian\'ny nandehanana tany dia sitrana ilay zaza, ohatra ny nofinofy ilay aretim-be teo.
Nahita izay dia resy lahatra mba ho any koa ilay vadiko hitondra ity aretina nikiky tao anatin\'ny 10 taona mahery.
Vao nijery azy ilay mpitsabo dia tsy mba nampanantena hoe : tsy maintsy sitrana io fa hoy izy hoe:\"aleo aloa hitsabo isika dia ho hita eo ny vokany fa manana faharetana satria efa ela loatra ilay aretina\" Za hoy izy dia tsy mba mandidy izany @ fitsaboana ataoko ary ny ahy DON fa tsy mba misy formule raikitra .t@ asabotsy 17 nov izahay no tany,in 4 niverina naka fanafody izay, ary tao anatin\'izany dia nahatsapa fahatsarana miandalana izy ary aminizao za manoratra izao dia azo lazaina fa sitrana tanteraka izy, ny mouvement rehetra izay tsy vitany taloha dia vitany avokoa izao , niova be izy ary hatramin\'izao aloha dia tsy nisotro toaka izy, Isaorana anie ATRA dia hisaorana koa ianareo namana izay nampahery teto .Tsotsotra ihany anefa ny fanafody nampiasaina , tena faly be mihitsy za zao manoratra aminareo izao,satria efa cancer ilay aretina ary efa ratsy mihitsy ny eritreritray kanjo sitrana ihany . Raha sanatria misy olona voa ohatra io aretina io na karazandrazany dia aza misalasala manatona an\'Mr Robert eny Ambohitrimanjaka fa tany no nahitanay fahasitranana , tsy dada Rabe io an.Dia mampahery antsika rehetra
13. lepa ( 08/04/2009 05:55)
mialatsiny aminao za fa mi interesé ahy le fistule misy zokiko vay efa voan'io hatrazao efa ho 15 ans efa nodididana in2 de mbola miverina fona
de nahita le mr robert eny ambo /njaka de azonao mba homena ve ny coordonne any na ny adresiny azafady indrindra tompoko
de misaotra mialoha
14. marimarina ( 15/09/2009 08:48)
sao dia mba azona omena tokoa ny tena adiresiny , ary mety mahasitrana aretina hafa na cancer ve izy?
misaotra
15. narasoa ( 28/06/2015 18:57)
salut!momb le resak fistule! aiza oaiz kay met ahitan le mr norbert ny adres exact na tel azafd misaotr mialoa!
16. narasoa ( 28/06/2015 18:57)
salut!momb le resak fistule! aiza oaiz kay met ahitan le mr norbert ny adres exact na tel azafd misaotr mialoa!
17. miarinkery ( 06/07/2015 10:55)
Miarahaba o ! ity misy numero an ilay mpitsabo eny ambohitrimanjaka 034 09 291 30 Mr robert , asa na mbola any fa tamin'ny 2007 no nahafantarako an'io .
Dia mirary soa indrindra
18. Rinakyo ( 16/01/2016 07:53)

miarinkery:

Miarahaba o ! ity misy numero an ilay mpitsabo eny ambohitrimanjaka 034 09 291 30 Mr robert , asa na mbola any fa tamin'ny 2007 no nahafantarako an'io .
Dia mirary soa indrindra

salama tompoko mba afaka mahazo ny numero anao ve kay azafady fa t anontany misy misy konkoa ny nahazo sy nahasitra anareo za misaotra indrindra
19. health ( 10/02/2018 05:49)


Manao ahoana tompoko

Ohatran'ny tsy mandeha ilay numero anio mr roger io. Soa dia mba misy numero hafa kay azafady.
Dia soa dia mba misy telephone i xxx fa tena efa mitady ho kivy satria tsy mety sitrana ilay izy

Misaotra
20. health ( 10/02/2018 05:50)


Manao ahoana tompoko

Ohatran'ny tsy mandeha ilay numero anio mr roger io. Soa dia mba misy numero hafa kay azafady.
Dia soa dia mba misy telephone i xxx fa tena efa mitady ho kivy satria tsy mety sitrana ilay izy

Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2273