tena namana

1. fijo ( 15/08/2007 20:45)
nisy resaka vao novaliako teo momba ny fandaizan'ny olona akaiky anao.
za kosa eto hiresaka ny momba ny namana.
misy namana ato izay tena lasa namako be.nifampizara zavatra be tamiko.tsy mbola nifankahita(vatana) izahay roalahy fa efanifankahita sary.
narary io namana io,ary tena tsy mbola natahotra hovery namana toa izany aho.ny hafatra azoko momba azy koa tamin'izany somary ratsy matetika.ary tena nampanahy ahy.soa fa tsy naninona izy izao.
ny tiako lazaina eto dia izao,ny namana rehefa tena mifandray dia lasa olona akaiky be koa,ary mampahangotsika ny maeno vaovao ratsy momba azy.ka ny namana toa izay dia lasa olona tsy hofaty mihintsy ko,fa tavela foana .
novalian'i miyah ny 12/04/2008 14:17
2. fasaly ( 15/08/2007 21:11)
fijo: ié ! izay no atao hoe tena namana, fa hafa ny hatao hoe namanamana...fa somary sarotra ny mahita azy ireny:wink:
3. simplex ( 15/08/2007 21:16)

irian-kofaty vao ela velona :P
4. fijo ( 15/08/2007 21:17)
ie,z tsy mbola nanana namana be izany.
5. Papoose ( 15/08/2007 22:23)
za ko ry fijo dia tena mitovy aminao hoe tsy mbola nanana namana be izany h@zay raha tsy vao haingana, ary hitako tena nampiova ahy manokana sy ny fiainako mihitsy le nanana namana tena namana!
Tena niainako daholo koa ireo noteneninao reo ary ny nahagaga ahy dia betsaka ny namana fe namana fa ny ahy ny inoako dia hoe le olona anankiray dia lasa "tena namana" satria nisy zvt tena special niainanao niaraka taminy( na fifampizarana io na fifanampiana, na firesahana,sns) tsy mbola nifanaovanao t@namana hafa.
:)(l)
6. niryna ( 15/08/2007 23:11)
fijo:

ie,z tsy mbola nanana namana be izany.

Ny tena namana dia mihoatra lavitra noho ny havana,manoro,manitsy,milaza ny marina,miaraka ory ary miara-paly,miara mihomehy satria mitovy ny zavatra hihomehezana.:D.
7. ikaretsaka ( 16/08/2007 00:27)
fijo,papoose> marina daholo izany! ny tena namana tsy nanary tamin'ny fotoana sarotra ary mifanasoa hatrany.
Ilay Eo foana ho tena namana, sa tsy izany?
8. xxx ( 16/08/2007 04:32)
Nataoko xxx fa miala tsiny amin'ny maha-vavolombelona azy.

Izaho teto amin'ny serasera vao nahita olona mody namana. Rehefa tia hiresaka dia mahay miresaka. Rehefa miavona dia miavona tanteraka. Ny zavatra lazaiko azy, henoko avy any aman'olon-kafa.
Ankehitriny, miresaka ihany izahay fa tsy misy toky avy aty amiko na dia vary iray venty aza. Tsy misy inona eo aminay akory fa mba samy hoe mpikambana eto dia mba miresaka. Tsy haiko ny fomba ilazana ny ataoko rehefa miresaka aminy. Miatsara ivelan-tsihy ve aho raha mamaly azy nefa tsy avy amin'ny foko fa tsy tia hiavona fotsiny?
Tsy mampaninona anefa izay fomba ilazana azy satria ps sisa andraisako azy. Tsy misy olona hiavona amin'izay pseudonyme kosa angamba.
9. naritsimba ( 16/08/2007 05:33)
Mahafinaritra ahy ity resaky fijo ity, raha izaho manokana dia tena olona tia namana ary manahirana ahy izany hoe tsy afaka manampy ny namako izany @ zavatra manahirana azy, matetika anefa dia misy @ ireo izay heverinao ho namana no manana toetra hafa².
1-Ato @ namana serasera izao dia misy olona raha vao misy resaka fihaonana dia tsy ilay fihaonana hifankahalalana no mahamaika ny sasany fa ny manontany hoe: andeha ve i anona sy anona fa raha vao tsy mandeha ireny dia tsy mandeha koa izy, amiko ny olona manao izany dia olona tsy azo raisina ho namana anaty fikambanana, ary tsy azo anankinana zavatra.
2-Misy koa ny namana izay hitsikilo ny momba anao no tena mahamaika azy.

Maro ny karazana namana fa ny tena namana dia tsy manary @ sarotra.
Ny ahy dia namako daholo ny rehetra fa rehefa ela ny ela fantatro eny ihany ny vary sy ny tsiparifary.

10. mimich ( 16/08/2007 06:19)
Ho ahy manokana , teto amin'ny sera2 no nahitako namana tena namana. Mifampizarany soa sy ny ratsy sy ny tsiambaratelo rehetra , fa etteo ihany koa no nahitana ny olona mody namana.

(toy izay hono ny olona tena namana eee

UN AMI VERITABLE

Un ami ordinaire ne vous a jamais vu pleurer.
Un véritable ami a eu les épaules humides de vos pleurs.

Un ami ordinaire ne connaît pas le prénom de vos parents.
Un ami véritable a peut-être même leurs numéros de téléphone
dans son carnet d'adresse


Un ami ordinaire amène une bouteille de vin à votre fête.
Un ami véritable vient avant pour vous donner un coup de main et après - pour vous aider à ranger.

Un ami ordinaire est contrarié que vous l'appeliez quand il est déjà au lit.
Un ami véritable vous demande avec inquiétude pourquoi vous n'avez pas pu l'appeler avant.

Un ami ordinaire aime parler avec vous de vos problèmes.
Un ami véritable aime vous aider à les résoudre.

Un ami ordinaire, lorsqu'il vous rend visite, se comporte en invité.
Un ami véritable ouvre le frigo et se sert.

Un ami ordinaire pense que votre amitié est finie après que vous vous soyez querellé.
Un ami véritable sait qu'une amitié se trempe dans une querelle et en ressort plus forte.

Un ami ordinaire s'attend à ce que vous soyez toujours là pour lui.
Un ami véritable est toujours là pour vous.
Un ami véritable ? Celui qui reste à vos côtés lorsque tout le monde vous a abandonné.
11. mamzelkely ( 16/08/2007 08:57)
nena ko alou teto nahitako namana tena namana ee eo ko ny namanamana izy mifandray tsara ny namana namitaka anah njay lou ôtrany ts de mbola nisy firy asa angamba mety am le za ts de mivaklou lôtra firy :-D:-D
12. sipagasy ( 16/08/2007 10:37)
Ny ahy koa teto nahitako tena namana ary mifampizara ny manta sy ny masaka, fa teto ihany koa nahitako mpanararaotra, izany hoe vita ny nilainy anao dia iny izy no tsy mi-tré tsy mi-mà ihany koa fa atao ahoana e!lasa vato natsipy niahazana hihih, tsy asia alahelo izany fa izay ngamba ny fomba nitaizana azy:{

Fa ho ela velona anie ity sehatra misy antsika ity kann, sy ny mpiandraikitra azy ary ny mpanolo-tsaina rehetra e!:-*
13. ftma ( 16/08/2007 17:52)
Izaho koa aloha dia nahazo "rahavavy" sy "anadahy" teto e, tena namana azo atokisana, azo hiateherana, ary efa tena taona maro mbola tsy nisy ny olana.
Fa teto koa nahita namana mody namana, manararaotra fontsiny araka ny voalazan'i sipagasy, tsy fantany ianao rehefa vita ny hilainy anao, fa na izany aza hitsikina fontsiny izy ireny e

Fa ho ela velona anie ity sehatra misy antsika ity kann, sy ny mpiandraikitra azy ary ny mpanolo-tsaina rehetra e
manamafy an'io ary misaotra antsika mpisera rehefa fa raha tsy teo isika tsy nahafinaritra toa izao ity seraserantsika ity :-*
14. cutie ( 16/08/2007 23:19)
Mpandefa : ftma [ Valio ] 16-08-2007 19:52:25
Lohateny : Re : tena namana
Izaho koa aloha dia nahazo "rahavavy" sy "anadahy" teto e, tena namana azo atokisana, azo hiateherana, ary efa tena taona maro mbola tsy nisy ny olana

Za zao nahazo an'i ftma teto :lol::lol::lol::lol::-*:-*:-*:-*:-*
15. naritsimba ( 17/08/2007 05:31)
Hoy ny fiteny:
1-Ampahafantaro ahy ny namanao dia fantatro ny toetranao.

Izao anefa, tsy fanao mihitsy ny manaratsy namana fa aleo tsy mamaly ny ratsy ataony raha manao ratsy izy fa aleo mangina, ho tsapany eny foana ny zavatra ataony rehefa manaja tena ianao.

16. ftma ( 17/08/2007 06:36)
cutie: za koa nahazo anjy zandrikely mafimafy loha fa na izany aza tiako foana :-*
tsy fanao mihitsy ny manaratsy namana fa aleo tsy mamaly ny ratsy ataony raha manao ratsy izy fa aleo mangina, ho tsapany eny foana ny zavatra ataony rehefa manaja tena ianao.
marina ny an'i naritsimba, entina ambavaka izy mba hiovany toetra
17. diamondra27 ( 17/08/2007 08:29)
fijo: namana hita eto de misy tokoa.
Ny ahy aloha de misy sokajiny e!
ao ny namana mpiara-miasa
ao ny namana mpiresaka fotsiny, tsy hita maso
ao ny namana mpanoro-hevitra
ao ny namana tsotra
ao ny namana toa lasa toy ny havana akaiky
ao ny namana tena namana akaiky ny foko

fa le olona iray izay de namana mpiresaka teto saingy nilaza izy fa hiditra hopitaly de tsy nahazo vaovao taminy intsony aho de tsy haiko hoe: ahoana ny tena fiafarany. VHV izy io
De lasa ihany ny eritreritro indraindray hoe: sitrana ve izy sa ahoana sa ahoana.
Tél -nena tsy mamaly tél intsony fa sao de niova tél
de bon vavaka sisa no ataoko ho azy.
18. fahamarinana ( 17/08/2007 10:48)
fijo:

nisy resaka vao novaliako teo momba ny fandaizan'ny olona akaiky anao.
za kosa eto hiresaka ny momba ny namana.
misy namana ato izay tena lasa namako be.nifampizara zavatra be tamiko.tsy mbola nifankahita(vatana) izahay roalahy fa efanifankahita sary.
narary io namana io,ary tena tsy mbola natahotra hovery namana toa izany aho.ny hafatra azoko momba azy koa tamin'izany somary ratsy matetika.ary tena nampanahy ahy.soa fa tsy naninona izy izao.
ny tiako lazaina eto dia izao,ny namana rehefa tena mifandray dia lasa olona akaiky be koa,ary mampahangotsika ny maeno vaovao ratsy momba azy.ka ny namana toa izay dia lasa olona tsy hofaty mihintsy ko,fa tavela foana .

:arrow:Sambatra ianao manana namana toy izany,mahafinaritra be.Ny ahy dia sarotra be ny hanànako namana tena akaiky satria mitaky zavatra be amin'ny tenako aho dia toy izay koa aman'olona ka ndraindray sahirana satria tsy mitovy ny ao an-tsaina,diso directe loatra ka maha-tafitohina olona,efa mi se soigner fa sarotra koa lay manova azy e,mandeha tsikelikely eny.Na izany aza dia misy namana ihany fa tsy hoe olonko azy koa e,na dia partage etsy sy eroa aza e.(l)

19. cutie ( 17/08/2007 14:19)
Mpandefa : ftma [ Valio ] 17-08-2007 08:36:39
Lohateny : Re : tena namana
cutie: za koa nahazo anjy zandrikely mafimafy loha fa na izany aza tiako foana

mafimafy loha ahona koa :-D:-D:-D:-D
20. ftma ( 17/08/2007 14:41)
cutie be de be ny maha mafy loha anjy ka lasa HS eto fa aleo tsy tantaraina :-*
fahamarinana: ny fanana namana anie mampiova toetra koa e, misy manitsy raha tsy mety ny atao, mangalaha ihany namana fa aza matahotra ny hanafitohina izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1736