Moa ve tokony hafenina ny momba an'Ikelimalaza?

1. Isika ( 15/08/2007 11:45)
Miarahaba ny mpamaky rehehetra sy ny mpikaroka,
izay mba mahalala an'Ikelimalaza, izay nolazain'ny vahiny hoe: sampin'i Gasy, dia aleo tokoa hanambara.
Sao dia tsy sampy ary Ikelimalaza? Ny tenin-drazana moa hoe: aleo manontanintany foana toy izay miteniteny foana. Koa samy mba milaza ny tena marina momba an'Ikelimalaza. Sao ny vazaha izay manova ny tantara ny Malagasy no nilaza fa sampy Ikelimalaza?
novalian'i 888MK ny 18/05/2018 13:35
2. little ( 15/08/2007 12:12)
Iza zany? karazam-borona sa kadradraka vaovao endemika ndray ve? mba mahita ny mpikaroka zany kle!
Alefaso ary i Ikelimalaza e, samy mba te hahalala an'zay tena mampalaza an'ilay kely zany ko.
3. Imahaka ( 15/08/2007 20:47)
Malaza hatrizao io ka! na dia kely aza
4. xxx ( 16/08/2007 04:52)
De ahôn bain a! Rahoviana izany Kelimalaza izany no hanao spéktakla de aiz fa za hijery ?:@
5. bigy ( 16/08/2007 08:05)
I kelimalaza de sampy nohamasinin'ny mpanjaka taloha teto Iarivo ary teny Ambohimanambola no nisy azy. Tena nanana ny heriny tokoa zany sampy zany tamin'izany fotoana satria tena ninoin'ny mpanjaka sy vahoaka. Iarahatsika mahalalakouh anefa fa herin'ny maizina no miasa amin'izany fanompoana sampy izany ary soa ihany fa efa tsy malaza tsony izy amzao fotoana zao. Fa ny olona amin'izao fotoana izao moa tsy miraraha izany resaka izany tsony satria efa moderne ry zareo nefa tantara tena nisy zany. tantaran'ny ntaolo niandohan'ny malagasy izay tsy manisy hajany ny maha izy azy akory.

Tsy atao mahagaga anefa zany rehetra zany satria efa miova ny fiainana e! efa tsy ho gasy tsony ny gasy refa kelikely atsy fa lasa safiotra tsy hay asiana anarana tsony.
6. Fiffi ( 16/08/2007 15:18)
fa iza zany olona zany ?:roll:
7. yah ( 23/08/2007 03:19)
salama daholo e! ny hitako kely malaza indrindra @izao alou de i TITIANAH e fa talou i hantatiana :^)
8. 888MK ( 18/05/2018 13:33)
Ikelimalaza anie dia sampin'ny Gasy e! ny fiteny vazaha ngah no tena mahalaza azy kokoa dia ny hoe "Mythologie". Ny Gasy tsinn efa nanana 'zay ninoany talohan'ny nidiran'ny fivavahana teto amin'ny nosy ary izy io no anisan'izany. Nifandahatra taminy i "Andriana manitra " tamin'izany fotoana izany mba hosoratana ao anaty baiboly izay lany (konsily) ka dia i "andriana manitra no lany, izay lasa ho matoanteny tsy misy elanelana taty aoriana (Andriamanitra). Ny "andriana manitra kosa dia "andriana" izay maty ka tsy azo natao hoe maimbo fa "manitra" ny fatiny fa fady sy tsy fanao izany tamin'izany fotoana izany ary izay tratra sy heno na tondro-molotra aza raha nisy izany dia "tapahim-bozona"... Ka dia izany sy izany kosa re no nidiran'ny hoe Andriamanitra ao anatin'io baiboly vakintsika isan'andro io ari izy no lasa ivavahan'ny gasy mandrakity androana... anjarantsika mandinika lalina.
9. 888MK ( 18/05/2018 13:35)
Ikelimalaza anie dia sampin'ny Gasy e! ny fiteny vazaha ngah no tena mahalaza azy kokoa dia ny hoe "Mythologie". Ny Gasy tsinn efa nanana 'zay ninoany talohan'ny nidiran'ny fivavahana teto amin'ny nosy ary izy io no anisan'izany. Nifandahatra taminy i "Andriana manitra " tamin'izany fotoana izany mba hosoratana ao anaty baiboly izay lany (konsily) ka dia i "andriana manitra no lany, izay lasa ho matoanteny tsy misy elanelana taty aoriana (Andriamanitra). Ny "andriana manitra kosa dia "andriana" izay maty ka tsy azo natao hoe maimbo fa "manitra" ny fatiny fa fady sy tsy fanao izany tamin'izany fotoana izany ary izay tratra sy heno na tondro-molotra aza raha nisy izany dia "tapahim-bozona"... Ka dia izany sy izany kosa re no nidiran'ny hoe Andriamanitra ao anatin'io baiboly vakintsika isan'andro io ari izy no lasa ivavahan'ny gasy mandrakity androana.... anjarantsika mandinika lalina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3867