Orchidées sy ny voninkazo rehetra amin'ny ririnina

1. volana1 ( 20/07/2007 11:50)
Ny tenako dia tsy havanana amin'ny fikarakarana voninkazo, nanao ihany fa tsy nanam-potoana, voatery nandova voninkazo tsara tarehy be dia be tsy fidiny aho fa tsy eto intsony i mamako, dia vonona be hikarakara nefa tsy haiko fa mba mangataka hevitra avy aminareo rehetra : inona no fikarakarana tokony atao rehefa ririnina ? ohatry ny mampalahelo kely maimaina izany daholo ireo voninkazo rehefa tsy teo intsony ny mpikarakara azy, misaotra anareo rehetra.
novalian'i VELOMIAH ny 01/04/2011 12:50
2. princesseN ( 20/07/2007 15:23)
tondrahana alou le izy,avy eo de jerevanao le ravina efa malazo aminy reny de tapahanao tsara tsy hisy hijanona ntsony,de le ravina ery ambany ndrindra ery koa tapaho de le ety ambony2 ety sisa ajanonao satria reny mantsy mitroka rano be fotsiny nefa efa akaiky ho faty de tsy tsy mahazo rano ntsony le "bourgeon" de zay no mahatonga azy halazo,de asio fanafody raha toa ka toa ka misy biby mihinana,zayyyy!ok!:wink:
3. Herimiafina ( 20/07/2007 15:52)
Fotoana fatorian'ny zava-maniry sasany ny ririnina (dormance) fanaovana ny Taille sy ny elaguage, fanapatapahana ny tahony hanome endrika azy rehefa fahavaratra, ary fanomanana ihany koa ny fiforonan'ny voninkazo.:-*
4. volana1 ( 23/07/2007 07:49)
pricesseN sy Herimiafina : misaotra betsaka anareo fa ny hevitry ny maro mahataka-davitra, ataoko zany zay, esorina ny ravina efa ratsiratsy, fa misy miteny hoe tsy dia tondrahana matetika intsony izy ireo rehefa ririnina , marina ve izany ?
5. Herimiafina ( 25/07/2007 16:41)
Arakaraky ny zava-maniry io. Fa ny tena marina dia rehefa matory na dormance ny zava-maniry dia kely ny rano hilainy (descente des sèves).

Rehefa miverina amin'ny fempetra ilainy izy, rano sy hafanana izay vao mifoha mamoaka ravina. :@
6. volana1 ( 30/07/2007 14:41)
Zah zao tamin'ny week end dia niezaka nanao izay azoko atao tamin'ny voninkazoko, nesoriko daholo ireny ravina efa mavomavo ireny dia hitako fa ohatry ny nahafinaritra tampoka teo ilay zaridaina
7. princesseN ( 02/08/2007 10:28)
de mahereza aky njy an!:-*tondraho araka ny tokony hoizy fotsiny izy e!:wink:
8. volana1 ( 28/08/2007 08:34)
Namela teo ny sabot de vénus ary tena elabe mihitsy ny floraison-ny, naharitra 1 mois et demi tsy nalazo, nisy pot roa nampidiriko tany an-trano. Faly be aho.:-D
9. akany ( 21/11/2007 09:46)
zah dia tia voninkazo indrindra, ary sambatra be aho raha tahakanao ry volana1 hoe nandova voninkazo tsara tarehy,tena mampahery anao indrindra aho mba hikolokolo sy hikarakara tsara ireo voninkazo navelan'ny mamanao fa misy valeur-ny anie izy ireny
Mazotoa e!
10. yuka ( 24/12/2007 10:13)
ity misy torohevitra kely ho zaraiko @nareo.Rehefa miditra ny ririnina dia anapahana kely daholo ny taho,na anapahana be aza vao maika tsara de apina zezika,ary tondrahana rano kelikely ho hitanao fa hanome ravina sy fanja tsara tokoa izy @ fotoany.
Mba hamaro ny fanjany koa dia somary analana ilay fanjany voalohany,mba ahazoana fanja lehibe sy vaventy.Ny raozy indray dia anapahana antsasany ny taho ary asiana zezika ihany koa.Izay no mba azoko aroso mazotoa e!
11. penina ( 01/02/2008 19:19)
okkk
12. Mifenty ( 03/02/2008 12:29)
ny tena tsotra dia mividy voile d'hivernage dia saronana fa tsy simba mintsy izy aveo
13. bins ( 11/02/2008 12:42)
zaho koa dia tena tia vonikazo indrindra orchidées sy anthiriums
aiza kay no ahitana izany voile d' hivernage zany?
ary inona avy no fanafody azo atao @ ireo vonikazo ireo? de aona no fomba fampiasa azy?
misaotra mialoha e!
14. thiel ( 13/02/2008 13:33)
Tena izay fanafody izay mihintsy ry zareo no ilaiko satria mbola vao namboly voninkazo sy arbres fruitiers aho dia manahy hoe sao ho lanin'ny biby ny raviny.Miandry valiny ê! Mba omeo ny anaran'ilay fanafody ho an'izay mahafantatra.
15. mampikanto21 ( 15/08/2008 05:12)
Miarahaba antsika rht tia voninkazo e!

Mahafinaritra b tokoa ilay fikarakarana voninkazo fa ny ahy ny toro-hvt kely zany dia izao e! Volaoahany indrindra aloha dia mila fitiavana izy ireny satria zava-manan'aina toa antsika ihany koa. Ka raha tiantsika ny vatantsika dia karakaraina tsara dia toa izany koa izy. REhefa ririnina dia mety na in-1mande isan-kerinnandro aza vao tondrahana fa rehefa mafana ny andro dia mety hoe isaky ny 2 na 3 andro. Ny antirhum dia tokony zarina fafana ny raviny dia mahazo aina tsara izy.
Ny fomba fambolena voninkazo indray dia tsy tokony hoe tany @zao fotsiny indrindra fa ny orchydées. Tany mainty + Fasika + Zezika tain'omby + Fanjana + taim-bakona. Tona d @ l oui tsara ny voninkazo d mazotoa daholo mikarakara a!
16. rhina ( 18/09/2009 06:57)
tena mampahery an'i volana1 hikolokolo ireo vonikazo irao. Izaho koa dia tena tia vonikazo fa mba mahagaga ahy ry reto fa tsy mahavanona raozi mihitsy za a
tena efa imbedebe za namboly fa d mbaty foana tsy aiko eo mety vokitika ve ny vodiny @ le fiavana azy d maty izy?
17. VELOMIAH ( 01/04/2011 12:50)
Zah d tena tia vonikazo ary tena faly mihitsy mijery ny vonikazo isankarazany ao anjaridaina.
Mila fitiavana tokoa izy, amiko ny raozy d zao no anaovako azy, manapaka zah d aveo manao lavaka, asiana volo sy hodin 'akondro anaty lavaka de tonga d apetraka ao le raozy vao notapaina iny d tsy tondraina isan'andro fa atao mielanelana 1 andro, andramo d lazao ahy ny valiny fa tena mety b.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1721