jijy

1. sitlo ( 29/06/2007 00:49)
Inona kay ilay atao hoe jijy eh? Dia faritra avy aiza ao Madagasikara no nihira azy?
2. cutie ( 29/06/2007 01:04)
avaratra andrefana :lol:
jijy=ohtran'ny rapy ihany fa mifampitohy hatramin'ny 1 ka hatramin'ny farany ny tonony rehetra. De misy oul hafa afaka manohy raha tapaka feeling ny ray:-D
Zay alou ny fahaizako azy :lol:
3. sitlo ( 29/06/2007 01:19)
Misaotra an'i cutie.
Izany hoe tsy omanina izany ny tonony fa "free style". "Fomba malalaka" araka ny fitenin-jatovo. Ohatra ny hiran'i Mama Sana ireny izany?
Dia misy feon-kira? sa tehaka mirindra sa ahoana ny rythm?
4. melody ( 29/06/2007 07:17)
cutie: m'ci akia tsy mbola naheno izany jijy izany indray izaho
5. Tokinao ( 29/06/2007 11:06)
ohatra iray : http://www.freewebs.com/dadarabe/ilazaovaovaojijy.htm

Dia tao an-tsenan'Isotry koa tao koan nisy lehilahy mpanao jijy izay. Asa raha mbola ao izy izay, fa dia mahazo rakitra izy amin'izany :).
6. sitlo ( 29/06/2007 11:53)
Misaotra,
kay marina ihany ny eritreritro. Tsy izany fa nijery ity mpanao rap gasy nivadika ho jijy aho, dia gaga be hoe toa feno melody koa izy izany.
http://www.dailymotion.com/relevance/search/slam%2Bjah/video/x2djl0_rajery-slam-jah-gasikara

Na mbola tsy nisy olona niteny tamiko aza hoe ity misy jijy raha hihaino, dia efa ohatra ny azoko sary an-tsaina hoe tsy misy feon-kira izany fa koritsana sy lamako fotsiny. Ohatra an'ito.
7. mabloo ( 29/06/2007 13:52)
am vazon'i Samoela le misy an'i Raintelo iny koa misy jijy milay be mihitsy!!
misaotra tam Rajery sy Slam fa milay be le izy e!
mankalaza e!
8. sitlo ( 29/06/2007 14:28)
nitady an'ilay hira aho fa tsy nahita, inona ny lohateniny? Toa mba betsaka samoela ihany mantsy ao am rvg ao. :wink:
9. cutie ( 29/06/2007 20:02)
Mpandefa : Tokinao [ Valio ] 29-06-2007 13:06:57
Lohateny : Re : jijy
ohatra iray : Jereo eto

Dia tao an-tsenan'Isotry koa tao koan nisy lehilahy mpanao jijy izay. Asa raha mbola ao izy izay, fa dia mahazo rakitra izy amin'izany .

Efa haiko fa tsy tara i tokinao t@ iny :-D
Vo nojereko omaly koa io :lol:
10. floretpasera ( 02/07/2018 11:02)
ny jijy dia fitanisana zavatra maro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5064