Kristianisma sy ny famadihana!

61. naughtyboy ( 12/06/2007 18:01)
xxx ekena avy atrany io mampatonga ahy anotany na de odiany sasany fann aza ny fanontanina:lol:
tsy misy fanakianana na kely aza ho any hevitra hafa teto mbo liana te ahalala ny hevitry ny mpiray tanindrazana amiko aho ary misokatra ny saiko @ valiny ze mipoitra afatsy ny kozy tsy matotra mandrebireby @ resaka "toa marina.."
62. pissoa ( 12/06/2007 18:15)
Tsara hazavaina angamba ny atao hoe famadihana ny hoe Kristianina angamba efa nazava tany aloha.
Rehefa maty roa na telo taona mihotra ny olona iray dia misy havany mamory ny havana sy ny fianakaviana hafa dia miteny hoe :niseho tamiko Ra an... ilay maty eo no tondrony;dia tapaka ny hevitra fa andao hamadika dia eo ilay hoe mifandinika dia mandeha any amin'ny Mpanadroamin'izay satria ny gasy tsy mamadika tsy mankany @ Mpanadro izany mihitsy dia any no andraisana ny toro-marika rehetra.
Voalaza ao daholo ny Andro,ny ora ny isan'ny lamba hamonosana ny faty maina, ny isan'ny omby ho vonoina ny toerana hamonoana azy io;ny lon'omby amin'io homena an'ilay Mpanandro;ny lalana hizorana rehefa avoka sy hampadihizina ilay faty ao anaty tsihy ,dia maro ireo fady sy tsy azo atao rehetra,fa ny mahagaga ny galeoka sy ny fitondra-tena tsy mendrika tsy mba voarara,ka eo amin'izay no miainga ny teny tsy maotina sy tsy dia madio loatra ny fomba rehetra tsy mifanaraka @ maha-kristianina.


DISO ! Toa efa notenen'i Hery ianao hoe mandehana jereo aloha ny ataon'ny olona vao miteny ... sa tsy hitanao io :-D:-D:-D

Izahay rehefa hoe hamadika :

# tsisy razana miteny, fa ny olon-dehibe (izay samy velona daholo) fotsiny no miresadresaka any hoe ahoana leisy raha hanao famadihana ndray ? Dia rehefa tapaka ny heviny hoe andao aza e, dia raikitra ;)

# tsy mandeha any amin'ny mpanandro mijery andro, fa mbola samy izy lehibe any ihany no miresadresaka hoe ny zanak'elah ve afaka daholo amin'io ? tsisy fanadinana ary mbola afaka maka congé daholo amin'io an ?! Kendrena tsy ho manakaiky ny andro avy orana, ary tsy anaty ririnina be loatra ... mazava be angamba ny antony fa tsy ilana mpanandro akory.

# tsy mila maka mpanandro hilaza ny isan'ny omby satria toa samy be coco mahay calcul daholo izy rehetra ! Ary satria izahay tsy mila mpanandro dia tsisy mpanandro omena ny lohan'omby ! :-D:-D:-D

# Tsy mila maka mpanandro hilaza ny isan'ny lamba satria samy mahay mandeha mijery ny vidiny sy mahafantatra ny vola tiana holaniana amin'ny vidin-damba :wink:

# ie, izahay tena mandihy mihitsy ! Ka he izany izy hoe mifety sy mifaly koa :oops::lol: Ny lalana izorana dia manaraka izay ambiance eo, tsisy fady, tsisy bedy !

# Ny teny tsy maotina dia tsy ny famadihana no mitondra azy ! Raha sendra tsikaritrao dia tsy mila famadihana akory ny olona dia efa miteniteny foana :-D:-D:-D

Tsy famadihana ve ny ataonay ? Nefa izahay mamono lamba maty, mandihy, mamono omby, ... :-D:-D:-D
63. pissoa ( 12/06/2007 18:24)
>>>pissoa ==> fanontaniana ny ahy hifanakalozan-kevitra fa tsy misy mitsy eo hoe manery ny olona @ ze tiako ka.
Ze milaza ny tokony hanaovana famadihana malalaka haneho ny heviny. De toy zay koa ny tsy mankasitraka.
Matoa ny lohahevitra zavatra 2 sal@ io de misy fampitahana na fampitoviana na fifamenoana na fanoherana eo zay.
De samy miteny ze fahitany azy ary samy mahatanty fa tsisy mifanampim-bava na mifanampempo zany eo. Io moa toa fomba ihany eto an.

Za koa anie manontany anao e ! Toy ny anontanianao hoe fa maninona no tsy maintsy hangalana andro manokana ... dia manontany anao aho hoe fa maninona no tsy maintsy atao amin'ilay tsy akana andro manokana araka ny itiavanao azy ?! Za angaha manohitohina ny fanehoana hevitra ... mangataka anao hanome fanazavana aza aho koa :wink::-D:-D:-D
64. marozevo ( 12/06/2007 19:08)
ho any marozevo io haftara io..
Misaotra, ary dia hovaliana tokoa moa izany.

za akory tsy manakana ny famadihana fa hafa no anehoako @ andro ze miredareda ato ampoko ny fahatsiarovana reny olontina reny

Ka izany anie no efa voalazako tao ambony eh - asa moa na novakianao na tsia : endrim-panajana - na endrim-pahatsiarovana raha izay no terme tianao - Ny anao dia io no fihetsika hitanao fa mety, tsara ka tohizo, fa ny an'ny hafa dia ny famadihana no hitany fa mety. Dia inona ny olana.
kalamm ihany refa miresaka fa aza mora tohina na miala bala @ fanontanina apetraky ny hafa resaka daoly ny eto
Iza no miala bala eo eh... iza no mora tohina ?
ary anisany fahaizana miresaka tompoko ny fahaizana mihaino sy mandalina, mamaly ny hafa ra te iresaka marina
Anisan'ny fahaizana miresaka koa mamaky izay voasoratry ny hafa - izay takianao haverina foana na dia efa voalaza im-betsaka aza.
inn le izy de inn no tanjona fa vonona ny hiheno zay

: Fanajana (na fahatsiarovana satria io no terme tianao); Hanehoana fa tsy ny fasana akory no gara farany; milaza fa ny Malagasy dia mino ny fiainana ao an-koatry ny fahafatesana.

dia mandeha any amin'ny Mpanadroamin'izay satria ny gasy tsy mamadika tsy mankany @ Mpanadro izany mihitsy dia any no andraisana ny toro-marika rehetra.
Izahay tompoko dia mamadika, fa mbola tsy nandeha tany amin'ny mpanandro izany na indray mandeha aza.
Mijery andro ho'aho izahay, en fonction'ny disponibiltén'ny mpianakavy.
fa ny mahagaga ny galeoka sy ny fitondra-tena tsy mendrika tsy mba voarara,ka eo amin'izay no miainga ny teny tsy maotina sy tsy dia madio loatra ny fomba rehetra tsy mifanaraka @ maha-kristianina.

Tsy voatery ho izany ka... Ny anay isaky ny mamadika dia misy fankalazana ny Sorona Masina foana hatramin'izay hitako aloha, isaky ny sivy taona, ka ny hitako voalohany dia tamin'ny 1969.
65. naughtyboy ( 12/06/2007 20:37)
misaotra an\'i marozevo naneho ny fijerinao ny famadihana zay tsy tokony hisy olana mintsy ..:)

efa mbo nanaraka ny adihevitra ihany aho atr\' ela ka mahalala ny voasoratry ny hafa eto na ny mpiresaka oh. soaihany = marozevo:-D:-D azafady o..

miala bala sy mora tohina :arrow: ny oul refa taitra (nervous)de tsy mahafehy ny zv lazainy mivoaka na teny na fihetsika ,tsy tsaroana akory reny nefa tsy omena tsiny
oh. ny zv lazaiko tsy argument foronina fa hevitra
nolazainao tany aloha no naveriko \" mitovy tsy misy valaka ny fanaterambonikazo sy ny famadihana ra @ lafiny fanajana\" de tonga fofona ary marozevo nilaza fa mirefarefa @ tany ny argument-ko namerina io nefa
za manana ny hevitro mazava momba reo reo zay fantatro fa tsy mitovy..ny fehinkevitra entinao no nahaliana ahy fa tsy sokanjidresaka misy tony size tony zay samy fantatry ny b sy ny maro:wink:
ka torohevitra ihany anampina ny voalazany hafa
ny heloka itompoana mody rariny nefa ny rariny itompoana mody heloka fa aza de mitompo teny fatratra @ ze lazaina oe ny ahy ihany no tsy mirefarefa sy marina zay ny @ iny fa ambava omana ampo mierotra fa manjary mandroso miditra otrany lelonjaza..

66. xxx ( 12/06/2007 20:52)
Mba hazavao kely ao re ry marozevo ny fitohizan'ny création sy ny redemption fa raha tsy izany dia lasa tsy fandavorariana maha-olombelona intsony ny finoana fa lasa fanaovana table rase.

Raha tsy nisy ny fomban-drazana dia tsy nisy fiaraha-monina vanona teo @ Ntaolo taloha. Raha tsy nisy ny tsiny sy tody, ny angano sy ankamantatra, ny kabary,sns dia tsy nisy fanabezana vanona teo @ Ntaolo. Vakoka sy hanitra nentin-drazana ireny, ary vokatry ny expérience niainan'ireo Ntaolo ireo fa tsy niforonona na tonga ho azy. Mazava ho azy fa tsy lavorary io satria mbola tsy nahalala an'i Kristy ny razantsika. Kanefa koa tsy hoe zavatra ratsy na asa fanompoan-tsampy daholo fa misy fahendrena ao.
Ny olana dia ni-diabolisé-n'ireo misionera ireo zvtr ireo nony tonga izy satria tsy fantany akory. TAty aoriana vao betsaka no tonga saina fa hay misy soatoavina maha-kristianina ihany ao anatin'izy ireny. Raha tsy hiteny afa-tsy ny fihavanana sy ny fankamamian'ny Malagasy ny Aina.
Ny finoana kristianina dia tsy tokony hanapotika na handrava ny efa misy fa handavorary azy.
" tsy tonga handrava aho i Kristy fa hanatanteraka ".
Efa tonga nofo i Kristy ka efa nanaiky sy nandray ny maha-olombelona rehetra( raha jody izy dia tadidio fa mety ho Malagasy ihany koa). Ka manasa antsika hijery sy handinika an'ireny fomba amam-panao malagasy ireny fa misy valeur Chrétienne ao. Izay mbola tsy lavorary dia anjarantsika ny mampifanaraka izany @ finoantsika.
Ka ankasitrahako tanteraka ny famadihana kristianina.

Farany: raha tsy tafapaka @ culture-ntsika ny finoana kristianina dia sarotra ny miaina azy satria toa heverina fa zavatra ivelany foana na fivavaham-bazaha .
67. ikaretsaka ( 12/06/2007 21:35)
IO fanaovana table rase io mihitsy no andraisan'ny be sy ny bobaka azy raha ny fahatsapako azy, io ilay hoe fantaro foana ho'a izay inoanao. Io ilay novoiziko teto hoe aza variana misidisidina sy "mikarakara fanahy" fa tadidio fa mbola eto an-tany ianao.

Ny olana dia ni-diabolisé-n'ireo misionera ireo zvtr ireo nony tonga izy satria tsy fantany akory. TAty aoriana vao betsaka no tonga saina fa hay misy soatoavina maha-kristianina ihany ao anatin'izy ireny. Raha tsy hiteny afa-tsy ny fihavanana sy ny fankamamian'ny Malagasy ny Aina.

"ny Razantsika hendry, sy lalim-pandinihina... nahalala sy nihaiky fa mamy itony Aina"

Farany: raha tsy tafapaka @ culture-ntsika ny finoana kristianina dia sarotra ny miaina azy satria toa heverina fa zavatra ivelany foana na fivavaham-bazaha

marina, ary io no ilaina ezaka be, efa manao ny zafindraony sy ny ankalazao amin'ny hira ohatra, enga anie ka hanao koa ny hafa!
68. xxx ( 12/06/2007 23:15)
Hoy sonwin>
Diso be ianao raha mampiaraka ny famadihana sy ny fivavahana kristiana;toy ny mampiaraka ny kisoa @omby!;-)
Aza afangaro ny masina sy ny tsy masina rey olona ô!!!!:-@:-@
69. pissoa ( 12/06/2007 23:26)
:-D:-D:-D:-D:-D

xxx > DISO be ianao. Isan'ny sehatra ivelaran'ny mahaKristianina ny fahaizana mandanjalanja. Ary isika dia natao ho Kristianina eny anivon'ny fiaraha-monina fa tsy natao ho Kristianina tsy mahay ny ataon'ny olona akory dia efa be fitsara any anaty forum. Tsy misy manafangaro ny masina sy ny tsy masina mihitsy. Efa betsaka ngamba ny milaza eo ambony fa tsy ny famadihana no tokony ariantsika fa ny "tsy masina" ao amin'ny famadihana.
70. cutie ( 12/06/2007 23:30)
azafady alou fa tsy maharak mitsy ny tenanay fa tonga de mandingana :lol:
pissoa
in no tsy masina @ famadihana?
71. pissoa ( 12/06/2007 23:37)
:-D:-D:-D

Ilay fomba gasy "manompo sampy" izay misy manao amin'ny famadihana angamba no atao hoe "tsy masina" amin'ny mahaKristianina. Izay no fandraisako azy, fa tsy haiko raha izay no tian'i xxx nolazaina taminy.
72. cutie ( 12/06/2007 23:41)
fanina tanteraka za
tsy hitako alou ze hidiran'ny fanompoan-tsampy @famadihana :lol:
fa ty lazain'i xxx ty no hitako mitombina
Mpandefa : xxx [ Valio ] 12-06-2007 22:52:53
Lohateny : Re : Kristianisma sy ny famadihana!
Mba hazavao kely ao re ry marozevo ny fitohizan'ny création sy ny redemption fa raha tsy izany dia lasa tsy fandavorariana maha-olombelona intsony ny finoana fa lasa fanaovana table rase.

Raha tsy nisy ny fomban-drazana dia tsy nisy fiaraha-monina vanona teo @ Ntaolo taloha. Raha tsy nisy ny tsiny sy tody, ny angano sy ankamantatra, ny kabary,sns dia tsy nisy fanabezana vanona teo @ Ntaolo. Vakoka sy hanitra nentin-drazana ireny, ary vokatry ny expérience niainan'ireo Ntaolo ireo fa tsy niforonona na tonga ho azy. Mazava ho azy fa tsy lavorary io satria mbola tsy nahalala an'i Kristy ny razantsika. Kanefa koa tsy hoe zavatra ratsy na asa fanompoan-tsampy daholo fa misy fahendrena ao.
Ny olana dia ni-diabolisé-n'ireo misionera ireo zvtr ireo nony tonga izy satria tsy fantany akory. TAty aoriana vao betsaka no tonga saina fa hay misy soatoavina maha-kristianina ihany ao anatin'izy ireny. Raha tsy hiteny afa-tsy ny fihavanana sy ny fankamamian'ny Malagasy ny Aina.
Ny finoana kristianina dia tsy tokony hanapotika na handrava ny efa misy fa handavorary azy.
" tsy tonga handrava aho i Kristy fa hanatanteraka ".
Efa tonga nofo i Kristy ka efa nanaiky sy nandray ny maha-olombelona rehetra( raha jody izy dia tadidio fa mety ho Malagasy ihany koa). Ka manasa antsika hijery sy handinika an'ireny fomba amam-panao malagasy ireny fa misy valeur Chrétienne ao. Izay mbola tsy lavorary dia anjarantsika ny mampifanaraka izany @ finoantsika.
Ka ankasitrahako tanteraka ny famadihana kristianina.

Farany: raha tsy tafapaka @ culture-ntsika ny finoana kristianina dia sarotra ny miaina azy satria toa heverina fa zavatra ivelany foana na fivavaham-bazaha .
73. pissoa ( 12/06/2007 23:45)
hi hi ! za koa fanina, za koa mitovy hevitra amin'io xxx lazainjy io.

Fa ito nolazain'i soaihany io ngamba no hahitanjy ny hevitry zareo ny atao hoe famadihana :

soaihany:
Tsara hazavaina angamba ny atao hoe famadihana ny hoe Kristianina angamba efa nazava tany aloha.
Rehefa maty roa na telo taona mihotra ny olona iray dia misy havany mamory ny havana sy ny fianakaviana hafa dia miteny hoe :niseho tamiko Ra an... ilay maty eo no tondrony;dia tapaka ny hevitra fa andao hamadika dia eo ilay hoe mifandinika dia mandeha any amin'ny Mpanadroamin'izay satria ny gasy tsy mamadika tsy mankany @ Mpanadro izany mihitsy dia any no andraisana ny toro-marika rehetra.
Voalaza ao daholo ny Andro,ny ora ny isan'ny lamba hamonosana ny faty maina, ny isan'ny omby ho vonoina ny toerana hamonoana azy io;ny lon'omby amin'io homena an'ilay Mpanandro;ny lalana hizorana rehefa avoka sy hampadihizina ilay faty ao anaty tsihy ,dia maro ireo fady sy tsy azo atao rehetra,fa ny mahagaga ny galeoka sy ny fitondra-tena tsy mendrika tsy mba voarara,ka eo amin'izay no miainga ny teny tsy maotina sy tsy dia madio loatra ny fomba rehetra tsy mifanaraka @ maha-kristianina.
74. cutie ( 12/06/2007 23:49)
ok mazava:lol:
75. marozevo ( 13/06/2007 09:48)
mitovy ihany ny mamadika sy ny manatitra voninkazo raha jerena amin'ny lafiny fanajana.

Sujet hafa be indray ilay fifandraisan'ny création sy redemption ry xxx ah... Sady tsy haiko koa ka sao dia misangojy eo.

Fa io lazainao io dia tena marina mihitsy.
76. xxx ( 13/06/2007 09:56)
Diso be ianao raha mampiaraka ny famadihana sy ny fivavahana kristiana;toy ny mampiaraka ny kisoa @omby!
Aza afangaro ny masina sy ny tsy masina rey olona ô!!!!

Aza afangaro ny hoe: syncrétisme sy ny inculturation :

Ny syncrétisme dia io lazainao ambony io. Ny antony dia tsy azo tsara ilay finoana kristianina fa dia nampidirina tao an-doha fotsiny, kanefa tsy afaka koa ny maha-malagasy ka mifangaro voraka ao ny karazana sampy sasany sy ny fivavahana kristianina.
Ohatra tsotsotra : ny sasany sady miambozona lakroa no miambozona fanafody gasy. Misy sady mandeha eny @ dadarabe mijery vintana, sns rehefa avy mamonjy lamesa.
Ny inculturation kosa dia tsy fampingaroana voraka na fanapotehana ny culture fa "évangélisation de la culture". Izany hoe: tarafin'ny finoana ireo fomba amam-panao maha-malagasy. Na koa dioviny na halavorariany : ka esorina tao izay fomba miendrika sampisampy rehetra.

" Ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan'izao tontolo izao".

Farany :
Matoa i Kristy no nanaiky ho tonga olombelona dia efa ni-accépter ny maha-olombelona rehetra, y compris ny fomban-drazantsika. Dia izy ihany koa no nanandratra izany ho sorona manitra ho eo anatrehan'ny Ray.

77. naughtyboy ( 13/06/2007 10:15)
ekena 100%
78. soaihany ( 13/06/2007 10:18)
Resaka Kristianisma sy ny famadihana no atao eto.
Mitodika manokana amin'ny Kritianina aho eto;Betsaka no miezaka manamarin-tena sy manamarina fa eken'ny fitsipipi-tondran-tena maha Kristianina ny Famadihan-drazana,malahelo aho anefa milaza amintsika ary tena hifonako raha sanatria manafitohina antsika fa TSY SITRAPON'ANDRIAMANITRA VELIVELY NY fanaovana io fomba iray io.Koa ny teniko dia hoe mahereza, tsy misy fanerena akory ao antin'izany fa izao ;ianao izay mamaky dia efa nam-pahalalaina aloha ianao izay.
79. xxx ( 13/06/2007 10:23)
Aza afangaro hy hoe : TSY EKEN'NY SAINAO sy ny hoe tsy sitra-pon'Andriamanitra
80. sonwin ( 13/06/2007 10:28)
Tairo ny famadihana fa manja e! fihaonana amin'ny mpianakavy, fety sy lanonana, tsy hita izay maha-ratsy azy. Mazotoa hatrany izay mamadika fa samy manana ny reviny io

xxx> ilay namaly ahy >:-@:-@:-@ DIso be ianao mandiso ahy :°):^);-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2876