Kristianisma sy ny famadihana!

121. marozevo ( 23/06/2007 22:31)
Ny anay Rangahy mbola afaka efatra taona vao misy indray e.... Ohatran'ny ela loatra ka !
122. prime ( 27/06/2007 10:18)
pissoa:
Bontolo ???
Moramora ihany prime a, rehefa diso dia mba manaiky ! Ianao anie nilaza hoe tsy misy na dia IRAY aza e, dia hoy aho hoe izahay ... donc misy mihoatra ny iray !
...:-D Tsy diso mihitsy fa terenao ilay izy hoe izay no \"zava-misy\"... ny lazaiko tsy ilay zava-misy araka ny ieritreretanao azy fa ny tontolon\'ny famadihana araka ny fomba malagasy... izay no mahatonga ahy miteny hoe bontolo, feranao araka ny fanaonao sy ny fantatrao ilay tontolo kolon-tsaina goavana be iray manontolo...:-D
pissoa:
Fanontaniana anao : alevina any ampasana ve ny anareo ny maty sa tsia ?
:-D... hovaliako ny fanontanianao na dia tsy azonao hatrany aza izay ambarako... alevina any am-pasana ny \"ahy\" ny maty...:):-D ary ny fasana andevenako dia ahy sy ny fianakaviako, tsy iantsoana mpanandro fa iantsoana mpiandry kosa...:)
pissoa:
Dia aza mandeha mivavaka raha izay no olanao hoa satria ny \"fanazavana fanoharanao\" efa milaza fa hatrany ampiangonana aza idirany ... sa tsisy resaka fanahy koa any ?
...:-D:-D:-D Tsy olana amiko fa fampahafantarana ny tontolo misy eo amin\'ny famadihana... izaho anie tsy miteny hoe inoy ny ambarako dia aza manao izany intsony fa milaza ny marina mikasika ny famadihana... izay ilay ambarako hoe mamakia tsara... :-D any am-piangonana sy any a-panompoam-pivavahana angaha miantso olo-masina sy razana? zavatra tsy azo ampitahaina velively ny ambaranao... ny nolazaiko dia fiambenana ny amin\'ny hoe mitandrema fa ny fanahy ratsy eny amin\'ny rivotra miasa mandrakariva, eny fa na eny amin\'ny toerana eritreretina ho masina indrindra aza... ny fiasan\'ny fanahy ratsy eny amin\'ny fasana dia hafa tanteraka satria tontolo fanjakany io... eny amin\'ny trano fiangonana dia tranon\'Andriamanitra ka tsy manjaka izy fa mihaza... ka raha tsy azonao aloha hatreo, antony nilazako ny asan\'ny fanahy dia sarora ho anao izany ny handray izay voambarako sady tsy mitombina rahateo aminao, ka mahagaga ve izany?...:lol::-D:-D
ika:
Izay no tsy azoko mihitsy @ I prime...
Eo miteny fa tsy ilaina izany, avy eo indray miteny fa ilaina!
...:-D:-D:-D izay ilay ambara hoe \"mamakia tsara\"... taiza aho no niteny hoe ilaina ny mpanandro???:-D averiko indray, ny filazàna fa \"tsy mila mpanandro intsony rehefa mamadika\" no lazaiko hoe sao dia tsy marina izany? dia nitondrako fanazavàna mikasika ny \"fomba malagasy\" (fa tsy ny fomba \"prime\") hoe mandalo mpanandro farafaharatsiny...:wink::-D
ika:
aiza mihitsy ise e... ? mino astrology sy mpanandro sy matahotra ireny indray? lasa mi se referer @ fomba malagasy indray nefa ni opposer an\'io teo ambony?
...:-D firy volana izao no niseraseràna teto ka \"aiza\" ahoana r\'ise? ny hevitro mbola tsy nolazaiko fa nitondra fanazavàna fotsiny aloha no nataoko mikasika ny fomba malagasy eo amin\'ny famadihana... raha ny hevitro no tian\'ise ho fantatra dia tsy manao famadihana intsony no tsy mila mpanandro intsony rahateo koa rehefa mila asa mikasika ny fasana...:) sady tsy matahotra astrology sy fanandroana no sady tsy mamaky izany intsony koa...:) ny références amin\'ny fomba malagasy dia nambara mba hampazava ny fototra ijoroan\'ireny fomba ireny fa tsy mi-opposer na mifanohitra hevira velively... ny ahy aloha dia izay no fanaoko rehefa mifanakalo hevitra, ambara ny zava-misy sy ny marina sy ny fanao dia izay vao manambara ny hevitry ny tena, raha misy \"documentation\" moa dia vao maika tena tsara...:)
123. marozevo ( 27/06/2007 18:45)
Tsy tsaroako na iza na iza moa ilay nilaza hoe "tsy misy na iray aza, mpamadika ka tsy hanatona mpanandro".

Efa be dia be ireo ny porofo manambara fa diso io affirmation io. Tokony mba hiaky kosa amin'izay izy....
124. pissoa ( 27/06/2007 19:32)
prime : vakio tsara ny teninao nahatonga ireo soratro rehetra ireo fa manjary mampime :-D:-D:-D
125. marozevo ( 28/06/2007 09:44)
Hita ho'aho kooo
126. xxx ( 06/07/2007 11:57)
Alefaso indray ilay sabotsy sy alahady teo fa toa salan'ny hoe nilentika. Ny sabotsy hono tsy manao famadihana fa hoe tsy maintsy henakisoa no laoka @ vary be menaka kanefa ry zareo toa tsy mihinana an'ireny; sady sabotsy foana dé voa dobla ry zareo fa sady tsy mivavaka no tsy misy lôka
127. xxx ( 06/07/2007 12:08)
ZE MANORATRA DE AZA ATAO LAVA BE FA TAPATAPAHO @ MORA VAKINA DE TSY MISY INTSONY LE BLEM @ RESAKA TSY MIFANKAZO
IZAY FA JE T'AIME DAHOLO DE AZA MIFANAO ANDOLOMPO
128. marozevo ( 06/07/2007 19:33)
I Nyrina sy Diam's ndray tsy azonao ferana tsy hanoratra lava izany !

Avereno any ambony àry ilay resaka Sabotsy sy Alahady eh....
129. soanja ( 08/07/2007 13:37)
tynah:

Amiko tsy tiako ny famadihana satria mandany vola, vita ny lanonana, ny olona iray tanana voky d mody ny tena lany vola no sady reraka manasa vilia be menaka efa ho 2 sobika be sy vilany feno harom bilany.Maninona raha sokafana fotsiny ny fasana d fonosana dadabe d samy mody avy eo eh! na koa raha te hanao fety d ny samy fianakaviana akaiky ihany no samy ao d manao + , + kely d zay eh!


Amiko indray dia io no fotoana iarahan'ny rehetra mikorana sy faly ary manantanteraka ny soatoavina iray itambarana. Io no mahaMalagasy ny foko sasany.

Tsinotsinona ny vola aman-karena raha oharina amin'ny fihavanana , indrindra eo anivon'ny fifankatiavana sy fifandraisana ary firaisan-kina.
Izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika.

"Aorony eo ambony vatolampy ny trano fa ho avy Andriamanitra hanamafy ny fototra." Soanja.


130. ikaretsaka ( 08/07/2007 16:28)
tynah> hoy ny gasy hoe aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana
131. marozevo ( 08/07/2007 21:24)
tynah > Mety marina io lazainao ka... Ilay fomba fiainana azy mila jerena akaiky tokoa, raha vita. Fa ny olana eto anie tsy momba ilay fandaniana loatra, fa ilay fifandraisan'ny famadihana amin'ny finoana kristianina eh...
132. Lyset ( 05/08/2017 13:28)

Ny tiany hambara angamba hoe fomba takona ny fahazavana . Satria raha lasa kristiana izy na hoe nandray an'i Jesosy Ilay fahazavan'izao tontolo izao ho Tompo sy Mpamonjy azy , dia tsy niverina nandeha nanaraka ny fomba taloha izay tao ambadiky ny masoandro : maizina . ( fa tsy hoe maloto , afaka nahitsiko kely ny namana)
133. Lyset ( 05/08/2017 13:51)
Mety hahitsiko kely ny tenin'ny namana teo, tsy hoe maloto angamba no tiany hambara fa hoe , raha efa nandray ny Mazava ( Jesosy Ilay FAHAZAVAN'IZAO TONTOLO IZAO ho Tompo sy Mpamonjy ny fiainany) izy dia tsy te hiverina hanao ny fomba tao amin'ny maizina na takona ny Mazava. Azo fintiniko koe fomba tamin'ny andron'ny tsy fahalalany izany hoe Mazava izany.
134. Lyset ( 05/08/2017 14:23)
ekeko ilay hoe sao dia arianareo daholo ny mety ho tsara ao anatin'ny famadihana!!
Ny tsara ho marihana dia tsy ny fiaraha-mifaly ataon'ny mpianakavy no olana, tena ilaina ny fihaonana , mampitombo fifankafantarana izany ary manamora ny fifankatiavan'ny mpiara-BELONA . Fa mba hevitra ny ahy, moa ve tsy azo atao ny mampivory ny fianakaviana ary mifaly , manao fety sns, mba hifanaovana asa soa, raha mahita ny havana sahirana ny hafa izay mba manana dia mifampitsinjo e...mifampihaino , mifampahery, mifananatra ......tanjona hampiray hatrany hatrany =TSIMISARAMIANAKAVY. Noho izany dia tsy voatery hanao famadihana vao hihaona.
Raha ny marina dia azo atao koa ny hoe mihaona @ohatra hoe "famadihana ny taona" , dia mba manao fety sns , tsy voatery misy resaka razana .Tsy hoe tsy hajaina ireo lasan-ko razana , fa efa nahavita ny adiny izy ary fifaliana ho azy ireo tokoa ny nahita antsika rehetra mifankatia mbola velona raha mbola teo izy ireo, noho ny mahita ny sasany fa tsy ny rehetra , manary na manilika ny tsy afaka mandray anjara @ famadihana sns......
Maninona moa raha toa ka atao tahaka ny any ivelany , na ny eny @ fasambahiny koa aza, atao en dur eo ivelany ny fasana dia tsy sokafana intsony fa miandry ny fitsanganany @ maty e!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2969