Miala tsiny amin'i xxx aho fa tsy ny Finoana Kristianina no adapter-nay amin'ny mahamalagasy anay, fa ny Malagasy anay no ataonay mihaKristianina kokoa hatrany. Fa maninona moa no tokony ho fongarana tanteraka ny fomba gasy hahatarafana ny mahaKristianina ? Raha lavinareo manontolo ny Famadihana dia lavinareo koa ny Fihavanana izany ohatra, satria tena sady fototry ny famadihana io no isan'ny tanjony ! raha olona tsy mahay mihavana tsy hahavita famadihana.
Samy Kristianina sy te ho Kristianina bebe kokoa hatrany angamba isika rehetra miresaka eto, ny tsy hitovizana kosa dia ny anay amin'ny fomba Malagasy, izay manohitra ny mahaKristianina ao aminy ihany no arinay ... fa ny anareo izy iray manontolo (na tsara na ratsy) ! Diniho lalina izany fa misy zavatra tsara betsaka arinareo ao ... ka sao lasa hanao ratsy indray nareo ny farany
Efa voalazako tary aloha fa aza fangaro ho aho ny INCULTURATION sy ny SYNCRETISME. Ny sycrétisme dia io efa voalazanao io.
Tadidio fa ny finoana kristianina anie tsy nivoatra rah tsy nandray ny koltora grika é. Ary na io Noely ankalazaintsika io anie dia avy t@ fanompoan-tsampy é. Fa ny kristianina no nandray sy nanova azy taty aoriana. Na ny Tenin'Andriamanitra io aza tsy azonao raha tsy nandray ny fomban'olombelona é( Teny tonga Nofo)
Ary raha manaiky ny fandikana ny Bainoly @ teny Malagasy ianao dia tokony hanaiky ny inculturation koa.
Ny finoana kristianina dia tsy mamorona zava-baovao fa ny efa eo no hatsarainy.
Izay ilay fitohizan'ny Création sy ny Redemption. Ny Fahariana dia efa natombok'Andriamanitra fa anjarantsika miaraka @ Fanahy Masina no mandavorary azy. Ka aza ariana ny hanitra entin-drazana fa ireny no maha-malagasy antsika, ary azo lazaina fa voa-janahary aza. Asandrato @ finoana kosa anefa izy.
Ko inona moa ny olana amin'ny hoe izao na izatsy no fomba nampidirana ny finoana.
Tsy marina kosa ny filazana hoe tsy ravana tanteraka. Ny marina dia izao : Voankazo an'ala ny finoan-dRazana, ka izay mamy atelina ary izay mangidy aloha... izay raha fintinina amin'ny teny fohy ny hoe inculturation.
Rasoamanarivo : Mba mahaiza moa tantara ry havana a. Volana avril 1989 no nasandratra ho olontsambatra izy ary taorian'izay vao nalaina teny Ambohimpo ho eny Andohalo.
ny Momban-Drasoamamarivon'i xxx aloha dia diso.. efa voatsangana ho olomasina izy vao nafindra teny andohalo! fantaro izay lazaina 'njary miteniteny foana...
Ny finoana dia nandray koltora foana vao nivoatra..na ny kristianina izao nandray izay tsara t@ ny jiosy, sy ny an' ireo firenena rehetra lasa nifindra ho kristianina.
ny Jiosy nandray izay tsara t@ Ejiptianina,Somerianina. Persa,Grika
Ny Kristianina gasy nandray izay tsara t@ fomba malagasy!
"Tsy handrava aho fa handavorary" hoy i Jesoa, raha hita fa mandavorary ny manao azy sy mitondra azy @ maha kristianina azy ny famadihana... inona ny olana?
Tamin'ny 13 août 1986 dia nisy famadihana nalaza be tao Antsirabe, ny Eveka mihitsy no nitarika izany famadihana izany satria ireo misionera sy ireo Mopera efa nialoha lalana no navadika.
Tsaroako tsara, satria nanatrika teo aho tamin'izay, fa nisy taratasin'ny Papa JP II nalefany ho an'ny Eveka sy ny Kristianina rehetra tao amin'ny diosezy. Io taratasy io dia nampirisika mba hapetraka amin'ny toerana mendrika azy ny vakoky ny Razana, izay tany tsara itsirian'ny finoana an'i Kristy nitsangana ho velona.
Tamin'ny 1999 dia nisy fanindroany toa io ihany. Nalaina tao Mahazina (Antsirabe) ny taolam-balon'ireo Misionera telo nanokatra an'Antsirabe, ary nafindra any Betafo. Mbola ao izy ireo hatramin'izao, ary tsy vitsy ny olona tonga mi-se recueillir eo amin'ny fasany, izay ao anaty Fiangonana rahateo. Dia mbola nisy taratasy avy any amin'ny Papa indray nanamafy ilay efa voalaza tamin'ny 1996, ary nampiany fisaorana koa aza.
Hita taratra tamin'izany fa tsy mifanohitra velivey, fa mifameno, ny kristianisma (Catholicisme ity cas ity) sy ny famadihana.
...:-D Mandainga amin'ny ahoana indray ary izany???:-D hazavao fa tsy mazava...:wink: dia mifanohitra ahoana fa vao maika tena tsy mazava...:-D
Raha ianao moa no hanamarina dia anao izany satria ianao hoy ianao mpikarakara mihitsy......:-D Ekena rehefa ianao no miteny hoe tsy mila ianareo...:-D fa izaho aloha tsy dia mino loatra...:wink: tsy hevi-draikitra BE fa fanamarihana no nataoko fa an'ny tsirairay no mandinika...... Sarotra amiko ny handainga fa ny fianakaviana manodidina ahy dia mbola maka mpanandro ary tsy menatra ny amin'izany... ny Ray aman-dReniko sy ny mpiray tampo amiko ary ny ankohonako no tsy manao intsony izany ka nahatonga anay tsy miray tendro amin'ny fianakaviana intsony amin'io lafiny io, na fasana izany na inona... izaho efa nilaza indray maka ary tsy mahamenatra izany fa tena tao anatin'ny fianakaviana mpanandro sy mpisikidy mihitsy ary io efa avy amin'ny razambe no nolovaina nefa soa Jesosy efa nanafaka anay tamin'izany...... Tsy azon'ise ny tian-kambara ka toy ny miteniteny foana ise...:-D misakafo koa ve mitovy amin'ny mamadika? sa rehefa misakafo ise dia miantso fanahy sy razana sy io olona efa maty rehetra io na olo-masina io na razan'andriana na razana tsotra?:wink: mino aho fa tsy miantso fanahy ise fa mivavaka amin'Andriamanitra... sa rehefa mamadika dia mivavaka amin'Andriamanitra?:-D aoka lehiretsy a...:-D
Tsy harako ny tanatara rehetra fa ny fantatro hoe: isaky ny 7 taona no masmadika ny fianakaviana, dia toy ilay efa noresahan'ny teo aloha hoe: ny tanjona dia ny hivorian'ny taranaka sy ny hifankalalahn'ny taranaka mandimby ary ny lafy tsarany hono dia ny Malagasy tia fihavanana ka eo koa ny hahalalana hoe iza no razam-benao.
Aiza ao @ SM no misy ny famadihana? tsy fantatro na noentin'ireo zanak'Israely ny fatin'ny razany raha maty tany ho any??? fa rehefa nodinihiko koa ny tantara kely izay nanitikitika ahy dia nalain-tahaka t@ Jesosy maty ary saika mbola nohosoran'i Maria menaka manitra indray nefa tsy tao intsony.... (asa na namadika ny hevitr'io?) Fa ny Afrikana no misy manao io fomba io ka amiko izany dia satria isika anatin'ny Afrika dia manao io fomba io. Nefa raha ny reko dia ny atsimo toa tsy manao an'io fa ny azy ny fandaniam-bola sy ny famonoana omby dia rehefa maty ilay olona.... Disoy aho raha diso fa izay no mba takatro..
:-D:-D:-D
mahazo tsy mino ! fa na hino na tsy hino dia izay no zava-misy !
Tsy ny fianankavianao no teneniko fa ianao mihitsy, satria ianao no nilaza fa tena zava-doza izany tsy maka mpanandro izany teo amin'ny gasy rehefa mikitika fasana. Ka raha izay ny hevitrao, mety zava-doza io aminao ka aleonao maka mpanandro. Asa aloha. Amiko mantsy tsisy zava-doza mihitsy ny tsy fakana mpanadro ... :-D:-D:-D
Rehefa avy miteniteny foana sy manao hevi-draikitra angaha i Prime dia tsy maintsy izay koa ny ataoko ? :-D:-D:-D
Vakio ny hevitrao teo ambony, dia raiso ara-keviny fa aza raisina an-tendrony.
Io toe-tsaina io no noteneniko ! Hoy ianao hoe tsy kely lalana ny devoly ka tsy tokony atao ny famadihana. Ianao ihany nefa dia efa milaza fa na any amin'ny fiangonana aza idiran'ny devoly ... fa tsy hidintsika ny fiangonana. Dia izaho naka exemple hafa koa hoe na ny misakafo aza azony hitondrana anao amin'ny ratsy fa tsy ny famadihana ihany !
raha ny isanjato ny jerena aloha, mbola manatombo lavitra ny maka mpanandro noho ny tsy maka raha resaka famadihana.Fa zay tokony hodinihana de hoe ahoana no hanovana zay fomba zay mba tsy hifanohitra @ finoana Kristianina ny fomba malagasy.
Raha ho an'ny valala mpiandry fasana mantsy (ireo mipetraka any ambanivohitra), de tena kolotsaina, fiaraha-monina, fanajana Ray amandreny sns ... ny famadihana, ary ho sarotra ny hiteny hoe ajanony io lehiretsy fa tsy mahasoa ....
Tsy azo atao ve ohatra, tahaka ny ijoroan'ny pasitera eo ambony fasana refa mandevina, no mba hijoroany toy zany koa refa mamadika? @ zay mantsy ohatra velon'ny finoana no tazany fa tsy kabary ambony vavahady.
Ekena tokoa fa tena mbola vitsy ny % tsy mijery mpanandro. Mila faharetana koa ange eh... Tsy siècle iray akory no hanovana toe-tsaina niainana nandritra ny siekla bedebe. Mino anefa aho fa miroso tsikelikely toy ny tasin'ny menaka io fomba io.
... zava-misy aminao aza atao bontolo ho an\'ny rehetra...:-D:-D:-D...:-D:-D:-D Misy olona ampianarina mamaky teny mihitsy ato... izaho no ambarako miaraka amin\'ny fianakaviako nitondrako fanazavàna fa tsy milona amin\'izany fomba mifanohitra amin\'ny sitrapon\'Andriamanitra izany intsony...:wink::-D
Zava-doza ho an\'ny Malagasy io mikitika fasana io, manontania aloha mpahay tantara sy mpitandro ny tena mahamalagasy dia izay vao ho azonao ny amin\'io... misy antony avokoa ny amin\'ny fanorenana, famohana, fanidiana, fanitsahana, fikitihana fasana fa tsy ataotao foana ho an\'ny mbola mitandro izany... ny mahazava-doza azy dia tsy ho azonao velively raha hevitra bontolo be fotsiny no andraisana azy fa mila fandalinana...:wink: ianao angamba ilay fifaliana no mahaliana anao dia tsy fantatrao ny fanomanana rehetra fa tsy mandeha ho azy io...:-D...=)) ... Izay ilay hoe mba mamakia tsara ihany fa lasa mibaribary ilay hoe mandray an-tendrony araka ny ambaranao... (tsy izay nataonao maitso no fototry ny nambarako) :-D=))=)) fa ny fidiran\'ny fanahy miasa eo amin\'ny famadihana...:-D:-D:-D efa fanazavàna sy fanoharana ny sisa ambiny...:-D:-D:-D
Tsy hoe momba an'iza na iza aho eto tena izany tokoa ny zava misy ary tsy hitako loatra izay bontolo @ izany!
Izay no tsy azoko mihitsy @ I prime...
Eo miteny fa tsy ilaina izany, avy eo indray miteny fa ilaina!
aiza mihitsy ise e... ? mino astrology sy mpanandro sy matahotra ireny indray? lasa mi se referer @ fomba malagasy indray nefa ni opposer an'io teo ambony?
Ary mba manahoana ny hevitry ny mpiatandro ny sabata @azy ty fa toa ny kiristiana mi^:^^:^@ alahady fa ny sabotsy o^oo^o:miam::miam::@no tena be resaka ato??
Bontolo ???
Moramora ihany prime a, rehefa diso dia mba manaiky ! Ianao anie nilaza hoe tsy misy na dia IRAY aza e, dia hoy aho hoe izahay ... donc misy mihoatra ny iray ! :-D:-D:-D
:-D:-D:-D
Fanontaniana anao : alevina any ampasana ve ny anareo ny maty sa tsia ?
Dia aza mandeha mivavaka raha izay no olanao hoa satria ny "fanazavana fanoharanao" efa milaza fa hatrany ampiangonana aza idirany ... sa tsisy resaka fanahy koa any ? :-D:-D:-D
xxx&marozevo>ho avy eo ihany angamba ry zareo fa mbola miady hevita any ambadika any hoe atao @ sabotsy e le famadihana sa atao alahady de ahona ny vary be menaka atao henakisoa sy vorana ve sa inona???
Miandry isika e!