Mtady tononkiran'i Bodo "tsy maninona raha toa ka faniriana

1. tsiafoi1 ( 26/02/2007 06:15)
Mitady mafy tononkiran'i Bodo misy ilay hoe :"Tsy maninona raha toa ka fanirian'iray tsy to, tsy isika no mandahatra mialoha..."
Tsy haiko ny lohateny fa hira efa tranainy be izy io fa tena tiako be. Misaotra mialoha izay afaka manome ny tonony.
novalian'i tsiafoi1 ny 02/03/2007 11:23
2. ari.malala ( 26/02/2007 07:31)
[center]Tsy maninona[/center]

Raha tsy ho eo intsony ilay fitiavana hatrizay
Raha toa hizara roa ilay fo iray
Raha toa ka ho rava izay naorintsika izay
Raha toa ka nangatsika ilay fitia
Aza asiana teny intsony fa aleo
Hivalona avy hatrany
Aza asina alahelo na arahina tomany

Avelao hivalona amin'izao
Satria nilaozanao
Sao potika sy lo ny fiainantsika roa
Tsy ho ahy angamba ianao
Izaho koa tsy ho anao
Hangina tsy hiteny aho sao dia potika eo ny fo

Tsy maninona raha tsy anjarantsika roa
Ny hikambana ho tena iray tokoa
Tsy maninona raha faniriana iray tsy to
Tsy isika nomandahatra mialoha
Fitiavana tsy matotra na koa
Tsy mahafehy tena satria sahy nandà izay efa nekena

hivalona amin'izao
Satria nilaozanao
Sao potika sy lo ny fiainantsika roa
Tsy ho ahy angamba ianao
Izaho koa tsy ho anao
Hangina tsy hiteny aho sao dia potika eo ny fo

Fa fo nifanjohy sty nifankafoy nivoady ho doria
Kanefa rava foana teo ilay fiainandry
Raha toa tsy hifanjohy tsy hifanaradia
Tsy hiampitsinjo koa fa tsy to ilay fitia

Avelao hivalona amin'izao
Satria nilaozanao
Sao potika sy lo ny fiainantsika roa
Tsy ho ahy angamba ianao
Izaho koa tsy ho anao
Hangina tsy hiteny aho sao dia potika eo ny fo

Bodo & Naivo

=((=((=((=(( mmihirà finaritra e

3. hery ( 26/02/2007 12:04)
Hmmm

Ary ity? http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=2276

Io no Tsy maninona hitako. An'i Bodo ve io napetrako io ry ari. ?
4. tsiafoi1 ( 26/02/2007 12:57)
Salut Arilala!
Misaotra betsaka anao fa tena io ilay hira tadiaviko efa ela. Tena faly be za! Misaotra e!!!
5. tsiafoi1 ( 26/02/2007 13:07)
Salut Arimalala,
Mbola mamerina fisaorana anareo sy Hery, fa hono hoa sao dia mba manana azy format mp3 ianao dia andefasako adresse mail andefasanao azy ho ahy.
Misaotra mialoha noho ny fiaraha-miasa.
6. cutie ( 26/02/2007 14:01)
misaotra ry ari-malala a
njy wa atokisako raha hira :lol::lol::lol:
7. ari.malala ( 27/02/2007 07:48)
Hery, ie, an'i Bodo iany koa io ka, tonon-kiran'i Abel Randriarimalala io, nohavaozina dia nohirain'i Bodo, fa io nangatahan'i tsiafoi1 io efa hira taloha :-)

Tsiafoi1, tena miala tsiny aho r'ise fa tsy manana mp3 an'io! miala tsiny e!

cutie, hihihi, njainjay iany koooooooo:-P
8. tsiafoi1 ( 27/02/2007 09:42)
Salut Ari.malala sy Hery,
Sao dia mba manana ny tonon'ilay hira an'i Lalatiana "Tiako raha ianao, satriko ho toa anao, ny namako rehetra...", dia mbola tsy haiko koa ny lohateny fa dia io ihany no haiko. Za tsy dia mahay hira fa rehefa mandeha karaoke ny ato ampiasana dia mijery florent za nefa betsaka ny hira tiako. Efa manomboka mianatra hira za io, ka izay no ilaiko tonon-kira. Merci
9. cutie ( 27/02/2007 14:21)
Ianao namako


Tiako raha ianao,satriko ho toa anao
Ny namako rehetra
Tsotra sady tsara fo sy fanahy
Toetran'olona maro, no tiako ho toy ny anao
Mahay mifalifaly
Mahay mandefitra koa...

Sainga indrisy,sarotra izany
Fa tsy ho haiko, ny hanova azy ireo
Soa fa nisy,namako iray
Tokana ianao,tokana ianao

Ny ahy ny tena tiako, mbola ho faniriako
Ny hitiavana ahy
Na ory na faly ny fiainako
Haniry izay iriko,hizara ny hafaliako
Ory raha tomany aho...
Tena ilay ataonao...

Sainga indrisy,sarotra izany
Fa tsy ho haiko, ny hanova azy ireo
Soa fa nisy,namako iray
Tokana ianao, tokana ianao...
10. ari.malala ( 27/02/2007 15:02)
cutie, efficace an ;-):P:-*:-*
11. mmimi ( 28/02/2007 12:05)
Hé! lé hiran'i Bodo re a! tsy hoe "Tsy maninona" no titre fa "FISARAHANA"

tsara io an!!!!:^)
12. cutie ( 28/02/2007 21:35)
Mpandefa : ari.malala [ Valio ] 27-02-2007 16:02:47
Lohateny : Re : Mtady tononkiran'i Bodo "tsy maninona raha toa ka fanir
cutie, efficace an

nitsirika tary @tononkira aza io koa :-D:-D:-D
13. ari.malala ( 01/03/2007 13:24)
mmimi, ie tsara fa mahavaky fo knouuuuuuuu =((=((

cutie, na izany aza efficace njy e hihihi:-D:-D:-D
14. tsiafoi1 ( 02/03/2007 11:23)
Salut daholo!
Merci bokou tamin'ilay hiran'i Lalatina Cutie a! zay za vao tonga tato ndray e! Dia sendra misy manana mp3 an'ilay "Fisarahana" Bodo sy "Namako" Lalatina. Manahirana koa mitady an'ireny hira taloha ireny, ny tenanay koa migarage ato anaty bureau 8h/j ka tsy mahita tsena mihitsy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3645