Hafatra farany ho an'i Tovo !

1. niryna ( 22/02/2007 08:01)
Narary voan'ny cancer i Lalao ka na dia natao ny rehetra dia nihomby tsy ankijanona ny aretiny.Nanafatra ny dokotera fa fohy sisa ny andro hiainany.Tovo zanany anefa dia mbola zazabodo tsy mahalala na inona na inona.Miresaka aminy foana i Lalao isaky ny hatory izy ary hampafantariny ny maha Tovo azy. Ataony fantan-janany ny toetra tsara rehetra ananan'i Tovo ary na ny zavatra madinika kely izay ataony hanampiany an-dreniny aza dia tsy mitsahatra ny misaotra azy izy ary dia miafara ny fivavahana sy oroka no fanaovan'izy veloma alohan'ny hatory.Tsy zakan'i Lalao ny andao ity zanany kanefa mafy aminy koa ny hilaza ny fara-teny.Nametraka hafatra ihany izy fa hifankahita soa aman-tsara izy mianaka indray andro any sy ny fitiavany tantaraka azy izay ao am-pony mandrakariva.Andeha avion angaha i neny hoy Tovo ary aza adino ny mitondra voan-dalana ho ahy a.Tsy azon'ity zaza mihitsy izany hoe andao tsy hiverina intsony izany.Tapaka ny heviny fa asiany alaina amin'ny horonan-tsary na video sy ny fakan-tsary i Lalao mba ataony ho fahatsiarovana ho an'i Tovo rehefa lehibe iny izy. Ny hafatra tiany am-pitaina an'i Tovo,ny fitiavany azy sy ny rainy,ny fananarana izay tokony ho ataony aminy kanefa tsy ho afaka hiteny intsony izy,ny fanaovana tsara sy ny manao soa hatrany,ny mitazona ny tanjona izay tiana ho tratrarina.Tiako hafarana ny zanako hoy Lalao mba ahalalany ny toetrany sy ny maha-izy azy rehefa tonga ny fotoana izay ahafahany mijery io video io.Nihezaka nitazona ny ranomasony izy satria efa ampy azy ny izay ranomaso izay hoy izy.Tonga tokony ny fotoana ,feno olona nisomebiseby ny trano naka sary azy sy nihaino ny hafatra farany ho an-janany.Vaky ny fon'i Naivo vadiny nijery ity malalany ary dia tsy tanany intsony ny ranomasony fa tena andao azy mianaka tanteraka tokoa i Lalao.:cry:Tomombana sy lavorary ny zavatra rehetra ary dia Naivo sisa ho hampita ireo "Hafatra farany ho an'i Tovo ireo "rehefa hatrizay ka lehibe i izy.Andro vitsivitsy taorian'io dia nody mandry Lalao rehefa nivahiny 45 taona teto an-tany.
Io no fiainan-tsika zanak'olombelona,tsy misy azo atao rehefa tonga ny fotoana.Ny hany hafatro dia manaova soa hatrany,vitao izay tokony ho vitanao fa aza mangataka andro,mahaiza mamela olona ary aza mitazona alahelo fa tsy misy tombo-tsoa na kely aza.
Tantara marina io ka izany no hijoroako ho vavolombelona eto ho antsika namana rehetra.Manaova soa sy marina hatrany fa mpivahiny isika ary mandalo fotsiny ihany ity fiainana ity.
Misaotra naharitra naharitra hatramin'ny farany:cry::cry:
Niryna (l)
novalian'i niryna ny 23/02/2007 02:21
2. mitia5 ( 22/02/2007 10:46)
marina tokoa zany fa tsy msy azo atao afa-tsy ny manao soa ,de misaotra @ fijoroana vavolombelona e!(l)
3. naej ( 22/02/2007 12:59)
Ny tena mahavoa antsika olombelona dia toa manadino fa mandalo izao fiainana izao,ka sodoka @ zavatra hita maso sy miserana fa tsy mijery hoe:inona no hiafarako , ary raha izany ihany tsy aleo ve mamela mamy e! ireto misy fitsipika roa manampy antsika @ fahaiza miaina : 1-tandremo ny avokan'ny vava fa io matetika no mahaloto ny olona
2-izay tsy tianao hatao @ tenanao dia aza atao @ hafa koa.

tsy misy tonga lafatra isika fa raha samy handalo ihany tsy aleo ve mba miezaka @ tsara e!
4. niryna ( 23/02/2007 02:11)
mitia5:

marina tokoa zany fa tsy msy azo atao afa-tsy ny manao soa ,de misaotra @ fijoroana vavolombelona e!(l)

Tsy misy fisaorana ry mitia5 a :D:D

5. niryna ( 23/02/2007 02:21)
[quote=naej]

Ny tena mahavoa antsika olombelona dia toa manadino fa mandalo izao fiainana izao,ka sodoka @ zavatra hita maso sy miserana fa tsy mijery hoe:inona no hiafarako , ary raha izany ihany tsy aleo ve mamela mamy e!

Rehefa mieritreritra ny hoe inona no antony hipetrahanao eto amin'ity tany fandalovana ity? Namela mamy ho an'ny taranakao ve ianao?
ireto misy fitsipika roa manampy antsika @ fahaiza miaina : 1-tandremo ny avokan'ny vava fa io matetika no mahaloto ny olona

Ary mbola ampiko kely koa hoe izay avoakan'ny vavanao no hitsaran'ny olona anao.

2-izay tsy tianao hatao @ tenanao dia aza atao @ hafa koa.

Manaiky an'io tanteraka aho ary avadin'ny hafa indray ilay izy,satria aho nataon'ny olona toy izao dia mba manao ny hafa ihany koa.Mamaly faty no tena ataontsika matetika.:cry:

tsy misy tonga lafatra isika fa raha samy handalo ihany tsy aleo ve mba miezaka @ tsara e!


torak'zany koa ny aty:D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5792