ampijalian'ny areti-nify

1. nenipita ( 22/01/2007 09:51)
salut nareo , teoroy hevitra fa tena ampijalian'ny areti-nify mihisy aho nefa tsy hitako izay hatao , misy trobaka (loaka) ilay nify de asa na azoko esorina nefa aho izao dia bevoka vao 1 mois , inona no fanafody tokony hataoko? Misaotra amin'ny valin-teninareo
novalian'i nirynah ny 17/10/2018 06:52
2. Ralay ( 22/01/2007 10:27)
Tsotra dia tsotra ny fanafodin'izany ry nenimpitia:Voalohany aloha dia aza maika ny hanala nify izany ianao fa azo tsaboina tsara izany.Mandehana any @ dentiste dia asaivo devitalisé-ny ilay nify dia tampenany avy eo dia tsy hijaly intsony ianao.Ary ianao bevoka 1mois izany dia tsy misy atahorana akory @ anesthesie hitsaboana ny nifinao io.
Dia ilazao vao² rehefa sitrana tsy maharary intsony. :lol:
3. Zina ( 22/01/2007 18:51)
ny arety nify koa indray2 reraka....
izany bevohoka zany aza adino ny mihinana vitamine omen'ny dokotera fa ihintsana doly ny nifinao an...
4. Lalah ( 22/01/2007 18:57)
Misy fanafody ray zay atao hoe ORAGEL, sady mora kely angamba 5 euro raha any France ianao, 75,000 raha any mada, $5 raha eto Us ianao, ahositra manodidina ny akanjo nify, na raha loaka ilay nify dia asitrika ao mihintsy, afaka 30 second dia afaka ilay marary fa tonga dia dondoto be ny nifinao, tsy fantatro raha mety @ bevoka aloha, fa manotany dokotera, na jereo tsara ny noticeny.
5. xxx ( 22/01/2007 21:27)
amboary ny nify fa aza malaky manala nify izany. misy dokotera mora amin iny lalana st michel mitsotsorika be iny. raha tsy diso aho hoe dokotera R...ilay izy. jereo iny. tonga de hitanao ny anarany. Fanampin anarany io fa tsy nom de famille ny. Tokony tonga de fanatrao vao mandalo eny ianao. mahereza.
6. nenipita ( 29/01/2007 07:54)
salut nareo, misaotra be de be tamin'ny torohevitra fa zao vao tonga fa somary reporepotra kely. Efa sitrana lay nify fa nentina tany@ dr de nomeny fanafody 'zay de tsy maninona intsony izy izao fa misotra bdb
7. watafon ( 29/01/2007 16:05)
nenipita : arahabaina zany e! raha mbola azo tsaboina d aleo tsy alàan ny nify e! raha tsy ohatra angaha hoe efa afaka ny nify mifanandrify aminy !
8. fijo ( 30/01/2007 23:30)
aty frantsa tsy tia mamono nify sy manala io rah ambola azo tsaboina
9. watafon ( 31/01/2007 15:47)
zany mitsy no tena izy k !
10. lamie ( 03/02/2007 18:52)
ny nasain'ny rainay nitsako taolana malemy izahay t@ kely,dia hita taty aoriana fa nahomby ny notadiaviny ho anay:maha mafy ny nify ilay izy, tsy menatra izahay mitsako taolana (fa tsy imason'olona an)ary mitsako paoma isan'andro raha azo atao
11. njakaniaina ( 23/04/2014 07:56)
salut daholo ee!azafady ry nenipita inona kay lay anaran'ilay fanafody tany @ rd e!
12. nirynah ( 17/10/2018 06:52)
bonjour, ary raha mitsiry indray ny fara-vazana de inona no tokon atao f manaintain b sady mivonto ! msaotra mialoh topk
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1357