fisehoana, vodiondry??? inona avy no atao @izany?

1. bluesea ( 16/01/2007 16:37)
Bonjour daholo aloha

Tsy dia mbola haiko loatra en détail ry zareo ilay fanambadiana @fomba malagasy nefa hiroso eo izahay atsy ho atsy!
Ka inona avy moa no atao @izany ? Tsy ilay fomba nentim-paharazana taloha be ireny fa mba ny fomba fanao ankehitriny efa adapté! dia toa samy hafa isaky ny faritra nihaviana koa izy io fa ny tiako ho fantatra dia ny an’ny Merina (andriana: tsy haiko raha manova an’ilay fombafomba io)

inona avy moa izany ilay étape? Fisehoana, fangatahana, vodiondry?

1ère étape: fisehoana:
1- Iza avy no manatrika?
ny fianakavian'ilay tovolahy (parents, grands-parents, frères et soeurs). Ary ny belle-soeurs sy ny beaux-frères ary ny neveux sy nièces koa ve manatrika (izany hoe ny vady aman-janaky ny rahalahy sy anabavin’ilay tovolahy sy ilay tovovavy)?
2- Inona avy no atao @ilay fisehoana? Ahoana ny programme @izany?
Manao présentation, Milaza ilay fanirian’ilay tovolahy, Miresaka (inona avy ny sujets de conversation resahana? Qui prend la parole?) Ca dure combien de temps ?
Avy eo, misakafo ? style apéro ve sa repas à table? sa ahoana ?
Ca dure combien de temps en tout ?1 heure, quelques heures, une demi-journée ? m’enfin, juste histoire de savoir hoe be protocole be ve…
3- Misy zavatra hafa tokony atao na tokony omanina?
4- Rahoviana ny fotoana hanaovana azy (par rapport @ilay vodiondry io)?

Etape manaraka: ny fangatahana
Afaka atambatra ve ilay fangatahana sy fanaterana vodiondry?
Ensuite, mêmes questions que tout à l’heure :
1- Iza avy no inviter-na?
Donc, là, c’est la famille élargie (famille restreinte + oncles et tantes + cousins et cousines)? Iza avy no tsy azo ialàna ?
2- Ahoana ny programme @izany?
@io ilay misy kabary lava be (tokony adiny firy?), dia rehefa raikitra dia misy an’ilay hoe manome tapi-maso (tokony ohatrinona ny raisonnable?) sy vodiondry (un de chaque pièces et billets en ariary?), ary aiza izany ilay miady varotra be???
3- Rehefa ok daholo ny resaka rehetra dia mitady an’ilay peratra ao anatin’ilay bouquet de fleur? ( à quel moment monsieur offre le bouquet, dès qu’il arrive ou il attend que les kabary soient finis ?)
4- ilay bouquet ve misy hoe quels types de fleurs sont adaptés, et leurs couleurs ?)
5- et la bague ??? (la forme : il faut qu’elle soit un solitaire ? et sertie de quel type de pierre ? sa izay tiana ?)
6- et côté tenue vestimentaire, que doit porter la jeune fille (style robe de mariée ve sa izay tiana ?)
7- Dia rehefa vita izay dia misakafo ? style buffet ve sa repas à table ? question d’ordre pratique : si chacun invite 40 personnes de sa famille (ce qui n’est pas forcément énorme si on invite les oncles, les tantes, quelques cousins et cousines), on arrive très vite à un effectif de 80 personnes et même plus (une bonne centaine) alors que la maison des parents de la jeune fille ne peut pas toujours accueillir autant de monde, alors comment faire ? tsy maninona ve raha atao @toeran-kafa ? toerana hofaina ohatra ou chez un autre membre de la famille
8- Il faut prévoir combien de temps en tout pour la cérémonie ? une journée
9- Pendant le repas ve mila animation (musique, orchestre) sa sakafo fotsiny dia miresadresaka (inona ny différence @mariage)?
10- Inona avy no protocole hafa?
11- Est-ce que les fiancés doivent prendre la parole? A quel moment ?

marina aloha hoe izay tiana daholo ny zavatra rehetra fa saingy hoe aleo mba fantarina ihany ny fomban'ny olona!

dia misaotra mialoha an'izay efa manana expérience na manana fahalalàna manokana @io resaka io!
2. Fiffi ( 16/01/2007 16:45)
hay efa hainao daholo ny fandehany fa ny détail sisa no hoe ahoana ?
3. booboo ( 16/01/2007 17:30)
1-Fisehoana:

Mpanatrika : rad roa tonta + nareo roa
Zavatra atao : mikaly sy miresadresaka. En fait, tsisy raha be manakory dia sady mi-regler ny détails @ fandehan'ny raha manaraka (fangataha, vodiondry sy ny civil sns)

2- Fangataha sy Vodiondry
tsisy raha haiko aby fa tô feno protocoles beee zany anareo zany :°)

Bon mariage dia miteraha fito lahy fito vavy e :°)

4. simplex ( 16/01/2007 19:40)
Izao ny fanaovana raharaha fantako (dans les normes), miala tsiny fa somary lavalava an:

Fisehoana:
* ra tsy fantam-pihaviana enao :°) d nareo2 rery aloha no mifampi-presenter any @ fianakams des 2 cotes. Kaly atoandro na dinner, na occasion speciale kou tsy manin. Eo ny RAD roa tonta no miezaka ny mahafantatra ny momba anao. Refa misaraka nareo d manome ny point de vue ny RAD, na ok na tsy ok. Zany hoe manaraka ny fijerin'ny Fianakaviana v sa ahoana, indrindra ra andriana ny 1 aminareo.

* ra efa mifankafantatra tsara (@ zay) moa, io no tokony ho izy ra tsy hoe nareo avy any andafy nga... d misafidy andro nareo2 kely hoe, hanao fisehoana efa serieux tsara zany ny resaka eo. D resahina ny RAD 2 tonta hoe hihaona. Afaka mihaona @ zoky sy zandry fa ny olona important no tokony tena ho ao: nareo 2, ny RAD 2 tonta sy izay ol important eo @ fianakaviana. Eto no tena atao ny negociations rehetra. Voalohany aloha, tokony samy manaiky ilay fanambadiana ny 2 tonta. Faharoa, ahoana ny etape manaraka: vodiondry, soratra, ny any ampiangonana. Ny daty andro, sy ny repartitions an'ny depenses. Misy koa ny discussion hoe hifindra finoana ve ramatoa sa ahoana, tonga d mifindra toerana v ramatoa ao aorinan'ny soratra sa ahoana (ra toa ka atao andro samihafa mifanalavitra be)... Negociations be eo fa ny tena tsy maintsy vita d ny hoe azo atao le izy, sy ny hoe rahoviana ny vodiondry.
Tokony efa mifanaraka au prealable nareo 2 sy enao sy ny fianakavianao ary izy sy ny fianakaviany. Tsy voatery hitovy hevitra doly akory fa izay no hisian'le negociations.

Tsy misy protocole be eo fa otran'ny hoe mandray vahiny any antrano ihany. Zany hoe ra any aminareo d ny dadanao zany no maitre des lieux, izy no mitondra ny diplomatie. Ka ra ohatra asiany aperitifs, d tsy manin mba manome confiance kokoa ny vahiny zany hoe mba bonne foi nareo mianakavy. Ny tompo-trano no mitondra ny resaka, ataoko fa efa olon-dehibe doly ny eo ka tsy dia misy hoe anjaranao manokana izany. Mivonona fotsiny manana valiny coherent nareo2 kely refa anontaniandry zareo ny hevitrareo @ resaka maro samihafa...Tsara kokoa ra zava-pisotro sy tsakitsaky amuses gueule no atao mandra-paha vitan'ny resaka "important". Avy eo vao misakafo refa milamina ny etape manaraka. En tt, tsy mihoatra ny adiny 2 io ra tsy hoe samy manjaitra akotry doly nga ny fianakams isan'isany.


Vodiondry:
Raha tena natao tsara ny fisehoana dia karazan'ny formalite ihany ny vodiondry (@ zao fotoana izao fa tsy taloha akory an). Mifanjoy ny fangatahana sy ny fanaterana vodiondry (ny hitako aloha an). Ny lehilahy moa no mangataka ka noho izany dia any aminao no hitranga ny raharaha. Satria any aminao d enao no probable hizaka ny depenses, k enao ihany no afaka hisafidy hoe iza sy iza no antsoinao. Raha ny tokony hoe izy ny fianakaviana 1 manotolo antsoina doly ra tsy hoe ngoza be nga ny fianakavianareo. Ny fianakaviana teneniko eto aloha le cote dada an, fa tsy manin kou ra asiana cote neny vitsivitsy. Ny olondehibe no tena tsara asaina fa ny ankizy moa tsy dia liana loatra @ zany afa tsy ny hikaly ihany, sady tena "boring" be le izy. Ny mpikabary aza adino... Bon enao aloha tsy misy hidiranao mitsy zany rehetra izany fa ny dadanao sy neninao ary mety hoe ny zokinao any no manao ny retra retra e.

Ilay bandy hangataka kosa, tsy maintsy miteny mialoha anao hoe firy izy ny ho tonga (ohatra hoe 15 olona), in avy no tsy maintsy mbola ho debat-iavana ra sanatria mbola nisy tsy vita t@ fisehoana (matetika eto le hoe mifindra finoana ravevavy). Ny resaka peratra koa, tokony teneniny mialoha enao, ahafahanao manao akanjo misy posy ;-)

Vao tonga ao ivelan'ny vavahady ny daban'zareo d efa iny enao no tsy hita. Enao zany tsy manatrika na in na in eo @ fangatahana sy fanomezam-bodiondry mintsy, ary tsy mivoaka enao ra tsy efa antsoina.

Bon lazaiko tsotsotra ny hitranga ao. Refa tonga le ol mampandre fa tonga, misy ol 1 zany mampilaza any. Refa tonga ny ora nifanomezana d tsy maintsy miditra ry zareo. Tena important be ny fanajana eo. Ny mpikabarinareo moa no manao tongasoa azy ireo. Misy toerana fipetrahana manokana, tsy haiko tsara fa ra ohatra ka tsy bloque ny toerana d eny @ zoro firarazana ny mpikabary no mipetraka. Ny mpikabarinareo no manasa hitondra resaka voalohany sy miteny hoe azo sotroina ny rafraichissement eny ambony latabatra, d ny azy no mamaly, ndraindray asiana vavaka kely eo ampanombohana. Ny azy foana @zay no mitondra ny resaka d ny anareo mamaly. Bon tsy tantaraiko le filirony fa le kofy boay no tena miaritra eo mandra paha vitan'le izy. Misy filazana firazanana zany any ampovoany any, misy hoe very gisa manaramorona, foza e ketsa e tsy hay tsony... ra poinsa tsara ny fisehoana eo @ adiny 1 eo ho eo io. Tsy mahazo miteny mintsy ny RAD roa tonta na i lery na iza na iza, fa ny mpikabary doly no mifamaly. Indraindray mety ampijalian'zala le bandy d asainy mihira aloha na hoe manao teny porofom-pitiavana hoanao na ohatr'zany alohany fandraisany vodiondry. Ny vodiondry moa omena ny reninao. Bon ny montant, ze vita atao, io no poids lanjanao eo imason'ny fianakaviany. Le izy moa karazan'ny hoe mifanindry ny fianakaviana 2 tonta (indrindra eo @ andriana) d ze arotsakany ao no tena ahitana hoe ahoana marina ireto olona ireto, tsy atao be loatra koa fa manjary ohatry ny hoe mivaro-janaka ny RAD-nao, tsy manaja izany. Refa mandray ilay izy ny neninao d zay no atao hoe poinsa. Avy eo omena ny tapi-maso hoan'ze anadahinao 1 tampoha aminao rehetra eo. Iny ndray tsy koi fa ze arotsaka any d efa mety... Refa vita izay d ampandrosoina enao, na koa asiana andiham-behivavy be dia be eo d lery no asaina maka le ho vadiny, milay an ;-)

Ndraindray ny an'ny sasany tsy mandray an'le vola mintsy izy ra tsy efa milamina doly ny resaka rehetra, toy ny daty mariazy sy soratra sy ny fanaovana ny depenses isan-karazany. Ndraindray efa azo le sipa zay vao discuter-na doly izany resaka izany. Ra ohatra moa ka efa nilamina doly ny resaka tany @ fisehoana d efa tsy tokony misy olana intsony zany rehetra izany...

Tenue correcte ze mety aminao anaovana, aza adino le posy ra toa ka misy peratra tadiavina ;-)

Refa milamina ny rehetra d mandroso @ resaka kaly @ zay.

- tsy manin ze toerana anaovana azy fa enao fotsiny no "host"
- en tt tapak'andro d vita
- 80 personnes c tro
- mandritra ny sakafo ze tianao atao na asiana filirony na atao tsotra. Azo atao koa nareo 2 no mihira :°) efa milamina doly ny rehetra eo ary enao efa azony. Afaka mandihy koa, ohatra hoe manao slow kely nareo ohatra na ohatr'zany ze revinareo ihany io ou plutot ze nomanin'ny organisateur, izay tsy enao normalement.

- Aza adino ny manatitra rafozana eny @ vavahady refa ody izy;-)

en gros, tsikitsiky lava, izay ihany ny anjaranao :)
5. Samoana ( 16/01/2007 20:23)
simplex/ mampitsoaka ny andriana izao fanazavana vodinondry lavabe izao kle:-D !
6. pissoa ( 16/01/2007 20:41)
Efa mazava be ny tenin'i simp. Feno ny fanazavana raha mazoto mamaky. Raha asiana peratra mba mi-cheat kely ... asaivo atoron'lery dia ny aloha na asaivo alatsany ao amin'ile paosy tenenin'i simp :oops::-D
7. naritsimba ( 17/01/2007 05:29)
Fisehoana na fiantranoana: Io dia fotoana hifanatrehan'ny ray aman-dreny roa tonta, izany hoe efa samy fantatrareo daholo ny ray aman-dreny sy ny raibe sy renibe avy @ andaniny sy ny avy @ ankilany, ary ny mombamomba anareo tsirairay avy, sao mantsy ka tonga @ fitenenana hoe mandady @ hazo tsy fantatra na mihinan-kena tsy fantatra anarana, izay no antony. Eo ihany koa no anolorana ny tampimason'anadahy satria tahaka ny manaboridana ilay zazavavy eo imason'olo-pady ny firesahana fanambadiana eo imason'ny anadahiny, na vavy tokana aza izy tsy maintsy misy foana ny mitonona sy milaza fa anadahiny, tsy voafetra io tampimaso io fa izay tian'drazatovolahy omena ary tsy iadiam-barotra akory. Io koa no fotoana anapahana ny fomba anatanterahana ny raharaha.Tsy mila mpikabary na mpitondra teny fa ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo dia efa mahavita an'io.

Fanateram-bodiondry na fangataham-bady:
Eto dia tsy misy fifankahafantarana mialoha satria efa vita tany @ fisehoana na fiantranoana ny fanontaniana mikasika ny loharano niaviana dia ny ray aman-dreny sy ireo raibe sy renibe fa dia ny fangatahanan'ny tovolahy ilay tovovavy tiany ho alaina vady no atao eto. Izay fianakaviana tiana hanatrika araky ny nifanarahana tany @ fisehoana no manatrika eto indrindra ny isany raha toa ka nisy ny famerana. Maro karazana ny fomba eto, fa ny tsy maintsy tanterahina dia ny fanolorana solombodiondry , io dia tsy maintsy VOLA VELONA fa tsy VOLA MATY akory.
Ny atao hoe VOLA VELONA: vola tsy ankasa ary tsy maintsy asiana vola madinika maneno miaraka aminy izany hoe raha atao ny fizarana azy avy eo dia tokony tsy ho lany zara io solombodiondry io. (Tsara ny manontany mialoha ny fomban-tany ny tovolahy hangata-bady, na hanontany ny mpikabary na ray aman-dreny mba tsy hisian'ny olana.)
VOLA MATY kosa izy raha toa ka ankasa ny fitambaran'ny vola atolotra( 1000, 2000, 100000 sns)

Izay no azo lazaina fa raha toa ka te hahalala bebe kokoa dia afaka manoratra amiko na manantona ahy, betsaka mantsy ny fomba arahina @ resaka fanateram-bodiondry ary samy hafa arakaraky ny fiavian-drazazavavy izy io.

misaotra namaky.
8. Fiffi ( 17/01/2007 11:41)
hummm.....mazava be kosa angamba zay eh ?
9. bluesea ( 17/01/2007 16:43)
misaotra an'ireo rehetra namaly ny resako indrindra fa i simplex sy naritsimba!:lol:

mbola misy fanontaniana kely ihany ireto sady hazavaiko tsotsotra ilay contexte:
aty andafy izahay no mipetraka, ny RAD-ko efa nifankahita t@leiry fa ny RAD-ny mbola tsy niresaka mivantana tamiko fa efa mahalala ny mombamomba anà! hody any Dago izahay ka tsy maintsy ao anatin'ny 1 mois hijanonanay any ny zavatra rehetra no vita:wink:

dia ho ao anatin'ny 1 mois ve izany izahay no hanao an'ilay présentation any @fiankam's, hanao fisehoana, hanao vodiondry...?:?

dia ahoana izany ny timing @izany satria izao izahay dia efa tokony manomana ny programa rehetra fa tsy afaka miandry an'ilay négociations @fisehoana! a priori aloha samy ok daholo ny fianakam's-nay @projet-nay e! ka angamba tsy dia hisy olana loatra ny négociations

ary ahoana ilay fanontaniana hoe hifindra finoana ramatoa? tokony hifindra finoana marina ve le ramatoa? zà aloha tsy dia mazoto loatra @izany nefa tsy dia io antony io no hanakana anà tsy handroso e!8O

@ vodiondry zany tsy voatery équilibré ny isan'ny havana avy any @papa sy maman manatrika? ny aty amiko ihany ve io sa ny any @lery koa?

tena tro ve le 80 personnes? tokony hoe firy raha betsaka indrindra? lery manko mi-insiste hoe ao @fiankaviany hono refa misy vodiondry ohatr'ireny dia asaina daholo cousins cousines...

ary ilay vodiondry eo @otrin eo no raisonnable?

dia le peratra tsy azoko tsara ilay ilàna posy? fa angà tsy hoe ao anaty bouquet de fleur ilay peratra no tadiavina????

dia refa raikitra ny négociation momba ny dépenses, azo atao ve ny milaza explicitement hoe izahay roa ihany no miatoka ny dépenses retra fa tsy ny fianakaviana?

ary le oe ny organisateur tsy tokony za fa olon-kafa, donc tokony ho iza? parents ve sa iza???

ary mety ho azo atao ve raha ny RAD roa tonta no mifankahita sy miresaka any Dago (izany hoe manao ny fisehoana na tsy haiko izay anaran'izany satria izahay roa tsy manatrika) dia refa tonga izahay dia vodiondry no atao?

izay indray aloha fa miandry ny valiny e!:D8):P



10. booboo ( 17/01/2007 17:37)
Vita anatin'ny 1 mois aby zany...:wink:

-Fisehoana : une journée. ataovy ny première semaine ny ahatongavana any M/car

-Fangatahana sy Vodiondry : ataovy 3ème semaine-n'ny fangatahana any @ fin de semaine (hitsinjovana ny miasa andavan'andro...)

Ny 2ème semaine mi-verifier ny détails @ fangatahana sy vodiondry fotsiny.
Raha ohatra ka ianareo roa irery no hizaka ny raha lany aby aby @ raha dia tondé ataovy mazava dieny zao ny fiche technique-n'ny (zatra ny any @ scout zà fa miala tsiny) fandehany dia iny fotsiny no asehonareo ny rad @ fisehoana, afaka misafidy ao @ ilay fiche zareo avy teo hoe @ lafininy inona no hanampiany anareo (mividy voninkazo ohatra na tsy haiko.)
Alohan'ny ahatongavanareo dia efa tokony ok aby ny salle, ny mpikabary, ny invitations, ny motika sns...

-Dernière semaine : samy maka ho azy hihihihi.

Mahaiza mandamina tsara fotsiny ny fotoana sy ny fanatanterahana ny raha....





11. xxx ( 17/01/2007 17:39)
vary amin'anana
12. booboo ( 17/01/2007 17:44)
sy kitoza
13. simplex ( 17/01/2007 20:14)
voalohany aloha, tsy hoe macho:°), fa aza d manahy loatra enao fa lery no bandy (tsy enao akory :-P)

Ny mariazy tsy azo atao kitoatoa:

- mila confirmation an'lery enao hoe tsy nanohitra v ny RAD-ny, enao koa torak'zay ahoana ny pt d vue an'RAD-nao.

- mila miresaka @ RAD-nao enao, azavao azy ny projet rehetra. Indrindra fa le hoe 1mois ny fotoana farahafaha betsany, sy ny hoe afaka mi-contribuer @ majorites an'ny depenses nareo. Lery koa torak'izay.

- timing tsotra indrindra: vao tonga d atao ny fisehoana. Atambatra @ sabotsy 3eme semaine doly ny ambiny. Alaina aloha enao, avy eo misoratra, d faranana any ampengonana. Tsy mety io raha tsy efa nilamina tsara ny fisehoana. Enao ataoko fa efa olon-dehibe ihany, tonga d omany dieny zao ny zava-dehetra. Resaka diplomatika no tena important indrindra, tonga d efa borosio tsikelikely ny RAD-nao fa izay no tena tianao eo @ fiainanao. Lery koa torak'izay.

Enao tsy miresaka mariazy mintsy? efa fantatry ny RAD-nao v zany ? mbola negociations koa izay.

=> ilazao 3-4-5-6 mois en avance ry zareo mba tsy ho choc be le izy

- mifindra finoana: zao le izy, ry zareo no mangataka fa tsy hoe enao no manolo-tena. Tadidio fa fanomezam-boninahitra hoan'ny RAD-nao no tena resaka eto. Ra te hande tsy mila tso-drano enao tsy mila mangata-bodiondry akory izy fa tonga d vitao any @ misy anareo any doly ny retraretra.
Generalement, ny RAD-nao tsy hanaiky an'zany kanefa kosa normalement izy hanotany izay tena hevitrao. Eo no tena hisian'ny negociations, fa tsy hoe enao tonga d manaiky resy. Aza adino, izy no mangataka ;-). Ra tsy te hiova enao, d ampafantaro an'lery dieny izao io ary atao convaincu @ determination-nao izy.

- Ny isan'ny invites: 60 maxi, 40 anao 20 anazy, bdb zany an. Ny anao tsy mikoty ny ankizy kely tsy manatrika. Tsy chiffre exacte io fa miankina @ isan'ny ol ao anatin'ny fianakams anareo tsi1 1 avy.

- montant vodiondry: tsy d anjaranao loatra ngambany ny mivakl @ zany. Mifanindry v ny fianakavinareo sa ahoana? anontanio ny RAD-nao ny mety aminy (mino aho fa tsy hamaly izy :°) )

- peratra: ilaina ny posy ra toaka ataon'zareo an'le hoe tsy misy azo alatsaka @ tany ilay potika "polystyrene", nanetsefana anle vazy misy an'le vonikazo, mandrapaha hitanao an'ilay peratra. Atao any ampaosy fa mora feno ny tanana. Na koa efa mifanaraka nareo fa any @ fotony mintsy no misy azy na tsy haiko eee.

- mbola tsy negociations akory fa mandamina terrain enao miantso azy ireo mikasika ny projet-nareo d efa ilazao ny RAD @ resaka depenses fa io facteurs iray mety hitenenany anao hoe tsy atao antemotra izany ny fanambadiana satria tsy tao anaty budget. Fa ra efa vonona ny sosy d tsy mipetraka izay blem izay.

-organisateur: tsy hoe tsy enao fa tsy enao irery satria tsy hovitanao irery mintsy izany. Enao koa mila matoky tena refa manao zavatra ;-) ny tena mety ra misy ol vao nanao raharaha vao haingana eo @ fianakavianao... tsy voatery akory.

- Afaka mifampihaona dieny mialoha ny RAD roa tonta raha toa ka tsy manana attitude coince ny sasany. Mety manatsara zavatra izany. Mety ho sarotra ihany anefa ny aneken'zareo an'zany. Anjaranareo ny mi-convaincre azy...

D mbo matokisa RAD ihany koa fa efa nanambady talohanao izy ireny. Refa misy olana tonga d teneno hoe izao ny olako ry dada a... Aza manao zavatra irery hoe tonga d predetermine avy any andafy doly ny zava-dehetra fa ry zareo miexecuter fotsiny. Mbola zanaka nateraka enao aloha hatr@ zao :°).

zay fa ngamba i Naritsimba manampy ze voalaza. Mirary soa d mahareta hatr@ farany :D
14. naritsimba ( 23/01/2007 10:03)
Raha io voalazanao io dia izao anaovana azy: Azo ata tsara ny mampiaraka azy rehetra andro iray raha tianareo roa, izany hoe sady fisehoana no vodiondry ary faranana @ soratra sy ny fanamasinana any am-piangonana.
Ny filazana any am-piangonana no tsy maintsy misy fiantsoana in-telo, ary ny taratasy isoratana no karakaraina mialoha.
Anjaranareo roa no mandresy lahatra ny fianakaviana ny @ fanatanterahana azy ho andro iray daholo, raha toa ka efa manaiky ny ray aman-dreny roa tonta.
Ny tsy maintsy atao eo @ fisehoana rehefa tapakareo roa ny daty anaovana azy miaraka dia ny TAMPIMASON\\\'ANADAHY, io dia tsy maintsy atao raha vao resaka fanambadiana, tena mahasarotiny ny anadahin\\\'ny vehivavy io.
Raha andro iray no anaovana azy ireo miaraka dia tokony hitovy ny isan\\\'ny fianakaviana avy @ lahy sy ny vavy. (Azonareo atao tsara ny milaza fa ianareo roa ihany no miantoka ny fandaniana rehetra, fa tsy maintsy anontaniana ny ray aman-dreny mikasika ireo olona izay tsy azo ialana fa tsy maintsy asaina, izay ianareo vao mamaritra ny namana izay tianareo roa asaina).
Raha toa kosa ka andro hafa no anaovana ny fanateram-bodiondry dia manatombo ny isan\\\'ny fianakaviana avy any @ vehivavy ary voafetra ny isan\\\'ny avy any @ lehilahy, fa rehefa tonga ny fotoanan\\\'ny Mariazy dia ny mifamadika @ io no atao, ny fianakavian\\\'ny lehilahy no manatombo eo @ isa fa voafetra ny avy @ dravehivavy, fa azo atao anefa ny mampitovy ny isa rehefa ifanarahanareo tsara na samihafa aza ny andro anaovana azy.

Ny peratra fifamofoana izay atolotra eo @ fanateram-bodiondry dia tsotra: tsy maintsy fantatry ny mpikabary avy @ drazazalahy hoe misy peratra sa tsy misy, fantany koa hoe nafenina ve ilay peratra ka raha nafenina dia hainy ny toerana izay nanafenan-drazazalahy azy, tsy idirako lalina io satria anisan\\\'ny zavatra mahafinaritra, indrindra ho anay mpikabary ny manao an\\\'io fanolorana peratra io, ka dia aleo ho anjaran\\\'izay mpitondra fitenenana avy amin-drazazalahy no mahalala ny tokony atao, safidin-drazazalahy na ho afenina na tonga dia atolotra rehefa vita ny fanolorana ny vodiondry.

Ny tena tsara dia atrehanareo roa daholo ny zavatra atao mikasika ny fanatanterahana ny raharahanareo satria tsy maintsy misy zavatra izay tsy ho voavalin\\\'ny ray aman-dreny fa ianareo no mahalala azy.

Ny fifindrana finoana dia araka ny Soratra Masina, ny lahy no lohan\\\'ny vavy noho izany dia manaraka ny finoan\\\'ny lahy ny vavy rehefa mivady izy, izany akory tsy midika fa ario ny finoanao fa asio fandaminana mba hampirindra tsara azy, tahaka ny hoe, rehefa misy fotoan-dehibe, na raharaham-pianakaviana (raisina mpandray, batisa sns) dia mankany @ fiangonana izay nisy an-drazazavavy.

Ataovy ny fandaminanareo roa sy ny fizarana andraikitra dia avy eo ianareo mahalala hoe iza no olona ampiandraiketina ny fanatanterahana, ny fanendrena olona dia tsy midika akory fa hoe izay tiany no atao fa ianareo no mibaiko azy, tahaka ny hoe: fitadiavana trano, mpanao sakafo, fiara sns rehefa mahita ilay olona voatendry dia miaraka aminy ianareo manao ny fifanarahana ary mandoa ny vola raha toa ka misy ny fandoavana izany mialoha, tsy dia fanao loatra ny mampitondra vola olona ialana @ fifanomezan-tsiny na tsy fahatomombanana aty aoriana fa tsara raha miaraka satria ianareo no tena mpanapan-kevitra.

izay fa sao lava loatra eh!
15. zozou ( 19/09/2012 10:39)

slt!vehivavy no manoratra.
zay roa manomana mariage,fa ny vodiondry sy ny soratra atao decembre,de ny mariage janvier.
Ny tiako anontaniana d ny momban'ny fandaniana?
ny vehivavy no mikarakara ny vodiondry sy ny soratra,de izahay zany no miantoka ny lany @zany,ny reniko nefa sahirana de ny dadatoako no anisan'ny manampry azy
izaho efa miasa,ka tokony izy zan no tokony ampiako voalohany? zay vao manampy le olona miaraka @ko @fanomanana le mariage avieo?sa ve ny lehilahy no tokony hiantoka ny rehetra?
nierieritreritra hiresaka @miny sy ny RARny a oe: za tsy maintsy manampy ny reniko @vodiondry sy soratra satria sahirana zahay mo anjaran'ny vehivavy io, ka tokony ijery ze anampiany anjanany @fikarakarana mariage ry zareo.mety ve ny iresako anizany sa le miaraka @ko no teneniko idinika @RARny? Le VOLA no tena resahako eto zany e!
ny eritreritro mantsy de ny anampy ny RARko @le soratra sy vodiondry de avieo vo mijeri zay ho anjarako @le mariage,
de le isan'ny invite ko avieo no mampiasa saina a hoe atao ahoan:@ vodiondry,@mariage.ny isan'ny avy any @ sy ny avy any @ko?zay mantsy 2 fois ny isany ry zareo?
sao koa avieo ry zareo iteny hoe ny anazy no atao betsaka ny isa raha manampy @vola ry zareo,nefa izaho tsy maintsy andray anjara@le depense ihany koa de tsy tiko ijaly @ le isan'ny olona mande ny fianakaviako.
16. poussyando ( 22/11/2015 15:10)
Ts d azoko ry reto le resaka peratr atao ampaosy an?ef tokon hitondra mpikabary v am fiaonana voalohany?ef fantatrin RAD daol v reo tokony atao reo?
17. andie15 ( 19/01/2016 12:23)
salama tompoko ,mba afaka manome haiteny ho hay ve ianareo aminy fomba fanolorana ny ala-fady ,de mangataka iany koa aho ,satria kabary malagasy no resahana ,ka aoka tsy asiana teny hafa afa-tsy teny gasy iany ,misaotra mialoha
*
18. sinoa.arinaivo ( 08/03/2016 07:31)
naritsimba:

Fisehoana na fiantranoana: Io dia fotoana hifanatrehan'ny ray aman-dreny roa tonta, izany hoe efa samy fantatrareo daholo ny ray aman-dreny sy ny raibe sy renibe avy @ andaniny sy ny avy @ ankilany, ary ny mombamomba anareo tsirairay avy, sao mantsy ka tonga @ fitenenana hoe mandady @ hazo tsy fantatra na mihinan-kena tsy fantatra anarana, izay no antony. Eo ihany koa no anolorana ny tampimason'anadahy satria tahaka ny manaboridana ilay zazavavy eo imason'olo-pady ny firesahana fanambadiana eo imason'ny anadahiny, na vavy tokana aza izy tsy maintsy misy foana ny mitonona sy milaza fa anadahiny, tsy voafetra io tampimaso io fa izay tian'drazatovolahy omena ary tsy iadiam-barotra akory. Io koa no fotoana anapahana ny fomba anatanterahana ny raharaha.Tsy mila mpikabary na mpitondra teny fa ny ray aman-dreny sy ny mpiray tampo dia efa mahavita an'io.

Fanateram-bodiondry na fangataham-bady:
Eto dia tsy misy fifankahafantarana mialoha satria efa vita tany @ fisehoana na fiantranoana ny fanontaniana mikasika ny loharano niaviana dia ny ray aman-dreny sy ireo raibe sy renibe fa dia ny fangatahanan'ny tovolahy ilay tovovavy tiany ho alaina vady no atao eto. Izay fianakaviana tiana hanatrika araky ny nifanarahana tany @ fisehoana no manatrika eto indrindra ny isany raha toa ka nisy ny famerana. Maro karazana ny fomba eto, fa ny tsy maintsy tanterahina dia ny fanolorana solombodiondry , io dia tsy maintsy VOLA VELONA fa tsy VOLA MATY akory.
Ny atao hoe VOLA VELONA: vola tsy ankasa ary tsy maintsy asiana vola madinika maneno miaraka aminy izany hoe raha atao ny fizarana azy avy eo dia tokony tsy ho lany zara io solombodiondry io. (Tsara ny manontany mialoha ny fomban-tany ny tovolahy hangata-bady, na hanontany ny mpikabary na ray aman-dreny mba tsy hisian'ny olana.)
VOLA MATY kosa izy raha toa ka ankasa ny fitambaran'ny vola atolotra( 1000, 2000, 100000 sns)

Izay no azo lazaina fa raha toa ka te hahalala bebe kokoa dia afaka manoratra amiko na manantona ahy, betsaka mantsy ny fomba arahina @ resaka fanateram-bodiondry ary samy hafa arakaraky ny fiavian-drazazavavy izy io.

misaotra namaky.

19. njakavunj ( 23/02/2017 07:58)
inona avy moa zany ny kazana vodiondry nisy teto sy niantsoana azy?
20. njakavunj ( 23/02/2017 07:59)
inona avy moa zany ny kazana vodiondry nisy teto sy niantsoana azy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.296