Fomba amam-panao fanaon'ny Malagasy @ resaka fasana

1. saho ( 08/01/2007 17:21)
Raha misy mahafantatra ianareo hoe inona avy ny fomba amampanao fanaon'ny razambe malagasy rehefa manao fasana, rehefa manokatra fasana, rehefa misy maty, rehefa manamboatra na mikarakara fasana...

Tena liana aho fa mba te hahalala ny fomban'ny Andriana taloha. Resaka trano manara eo ambonin'ny fasana...inona avy no fantatrareo momba izany satria aho tena liana. Ahoana ve ireo olona manantona antsoina hoe mpanandro, dadarabe, mpisikidy sns...

Misaotra mialoha ho an'ireo izay manana ho lazaina
Bye
novalian'i BENEM ny 15/04/2018 05:37
2. Fiffi ( 08/01/2007 18:01)
de aleo aloha zany hiandry ny namana zay mahafantatra fa toa mahaliana tokoa izy zany ?
3. andry08 ( 08/01/2007 18:45)
Ny any fantatro dia tsy mahazo manao fasana raha tsy mipi-bolo. Izany hoe efa misy volo fotsy.
4. soanja ( 14/01/2007 06:04)
Azoko anontaniana ve Fasana inona no resahina> Merina, Antandroy, Betsileo, Antakarana sns? satria miankina amin'io le fomba mantsy.
5. saho ( 14/01/2007 15:48)
Raha ny tena tiako ho fantarina dia ny afovoantany e! Merina izany dia avy eo ny betsileo...
Toa tena misy fadifady sns eo @ resaka Andriana kanefa taloha amiko izany fa @ izao fotoana izao efa misy razana hafa fomba miditra @ fasan'Andriana ankehitriny...

Ny tiako angatahina eto dia ny fomba amam-panaon'ny andriana merina taloha rehefa izany hoe manao fasana izany sy Izay mikasika ny momba ny fasanan'Andriana Merina rehetra e!

Misaotra mialoha ra-Soanja an!
Bye
6. soanja ( 17/01/2007 06:34)
Ity ry SAHO ilay fombafomba saingy tsy voatery ho antsakany sy andavany akory ary miala tsiny amin'ny razana rehetra aho raha nanome ireto torohevitra ireto raha sanatria ka misy diso.

NY FANAMBOARANA FASAMBAO

Ny fanamboarana fasam-bao izany amin'ny andron'i Merina dia isan-karazany miankina amin'ny fototry ny fianakaviana fa ity no saika hitovitovizany.

Fotoana

Rehefa tapa-kevitra dia ny lazaina mialoha ny "OMBIASA" satria izy irery ihany no afaka manome ny fotoana tsara hanombohana azy. Miankina amin'ny VINTANA mantsy ny zava-drehetra ka ny ombiasa no tsara antonina noho izany.
Ny fararano na ririnina no tsara hanombohana ny fananganana azy saingy mety koa ny lohataona sy fahavaratra.

FADY: Ny manamboatra fasana amin'ny fotoana fambolem-bary na tera-bary fa mapikotrokandro sy manavandra ka manimba voly.

Mila fantatra mazava ao anatin'ny andro iray ny ora hanombohana azy fa tsara raha Alarobia na Zoma na Asabotsy ny hanombohana azy ary tsy maintsy amin'ny harivariva na alina.

Toerana:

- Mila fantatra tsara ny fifandraisan'ny trano sy ny tanana ary ny fasana ka ny ombiasa ihany no afaka milaza izany mazava sy manome hevitra. Fa raha ny izy dia:

FADY:
a- ny manamboatra fasana amin'ny Antsinanan'ny tanana satria ao ny fanaovana joro sy fanompoantsampy.
b-ny manambiatra fasana amin'ny Avaratra Andrefana ny tanana satria io no adijandim-bintana.
c-ny Avara-tanana satria io no toerana mitondra fifaliana

ka ny ATSIMO ATSINANANA na ATSIMO ANDREFANA ny tanana no tokony hanorenana azy ary takotakona fa tsy mazava be hita eo an-tanana na tazana ny alokany.

d- ny varavaram-pasana mitodika miakandrefana saingy tokony eo amin'ny andrefan'ny fasana ny varavarany fa atonila hitodika mianatsimo.
e- manorina amin'ny vavan'ny lohasaha ny fasana
g- manorina amin'ny tany noana : tany lenodenoka sy malemy fa manjary noana olona ny fasana.

Ny halalin'ny fasana moa izany dia ireto ny farafahakeliny: haavo miakatra avy eo amin'ny tany dia 2.5m ary ny halaliny midina dia 2m na mihoatra fa tsy latsaka.

Raha tsy misy ireo toerana ireo dia ilaina ireto fomba manaraka ireto atao dia ny fametrahana ny "FANONY" izay famaky maty sy angady maty eo amin'ny fasana. Izny hoe efa lany zara ireo no tsy zara raha misy vy eny aminy hanalana fady.

Tokony aorina eny an-tampokavoana ny fasana, toerana tsy misy loharano na rano.

"Manitsa-pasana" ny filaza ny fametrahana marika ny zoron'ny fasana ka ny ombiasa no manao an'io asa io. Ka raha tsy misy ny ombiasa dia tsy maintsy olona fotsy volo no manao azy fa tsy tanora.

Ny antitra no misantatra ny asa fa tsy azo atao tanora mihitsy, zany hoe ny mamadika ny bainga voalohany. Na fisantaram-pasana ka akohovavy efa nanatody sy lava fantsy no atao sorona eo ary ny ombiasa no manao ny sorona. Tapahina ny lohany dia avy eo araraka amin'ireo "manitsa-pasana" ny rany sy ny toerana nomarihana rehetra ka ny varavaram-pasana no tokony marihany voalohany hoe aiza vao milaza ny hafa izy.

Ny karama na hasin=tanana amin'izany dia ny "Vola tsy vaky" na tsanganolona volafotsy ary "vilia bakoly vaovao" ary miaraka amin'ireto sampy ireto, izay antsoina hoe "Fanefitra":
- Tsileondoza
-Malaimisaraka
ary misy koa ny "Fanidy"

Marihana fa mandritra ny fananganana azy dia tsy tokony hisy famonoana biby mihitsy fa FADY izany afa tsy famonoana omby amin'ny fitaterana ny rangolahy (tafon'ny fasana) sy ny varavaram-bato izay antsoina hoe "ringom-pasana" na "ny tsy tononina" ka ireo ny refy:

( 2m 80 ny haavo, 1m 50 ny sakany, 0.50 m ny hateviny) ka lehilahy 50-100 ny mitatitra azy ary ny vehivavy mihira sy mandihy.

Rehefa mitatitra an'ireo vato ireo dia ny varavaram-pasana no farany taterina mba tsy hisy fiheverana hoe maika ny hahavitan'ny fasana. Ary mila atsahatra mihisty ny fanaganana azy raha toa ka vita haingana. Tsy tokony hovitaina ao anatin'ny taona iray ny fasambao iray.

FADY ny mihinana voan-kena manomboka amin'ny fanambaroana azy ka mandrapahavitan'ny fasana ny fianakaviana.

Asiana vatan'akondro ny fasam-bao mba atao solom-paty mandra-pisian'ny olona alevina ao.

Rehefa atao ofisialy fa vita ny fasana dia mila mamono omby ary manao fety ny iray tanana ka sodina, amponga ary lokanga no zavamaneno ampiasaina.

FADY ny manondro fadsana fa aforitra ny tondro rehefa manondro azy.
FADY ny mandonto manakaiky ny fasana fa mila mamono omby raha toa ka misy manisy maloto ary raha biby dia mila vonoina mihitsy.

Raha misy fanontaniana dia apetraho ihany fa tsy voatery ho haiko akory anefa. MISAOTRA.



7. saho ( 17/01/2007 09:59)
Misaotra betsaka anao ra-Soanja fa ny fanontaniako dia hoe inona no mahasamihafa ny Ombiasa sy ny dadarabe na mpisikidy na mpanandro fa tena tsy azoko...satria ny fahazoako azy dia mitovy ireo sa mba mila fanazavana kely avy aty aminao aho

Misaotra betsaka
bye
8. niryna ( 28/01/2007 16:59)
andry08:

Ny any fantatro dia tsy mahazo manao fasana raha tsy mipi-bolo. Izany hoe efa misy volo fotsy.


Tena mbola tsy naheno izany indray 'zaho.Koa raha fotsivolo tanora izany tsy tonga dia efa kely dia nahavita fasana
9. niryna ( 28/01/2007 17:01)
soanja:

Azoko anontaniana ve Fasana inona no resahina> Merina, Antandroy, Betsileo, Antakarana sns? satria miankina amin'io le fomba mantsy.


Io koa no nahalasa ny saiko satria izy nanontany ny fanaovana fasana dia avy eo indray niresaka andriana.Mety ny fasan'andriana izany no tiany
10. niryna ( 28/01/2007 17:14)
Ny mpanandro dia ilay olona manondro ny andro hanaovan'ny olona fasana, trano .Milaza ny ora sy fotoana hanombohana azy sy ny fady tsy tokony atao mandritra na mandra-pahavita ny zavatra natao,sns.
Ny mpisikidy izany ve tsy ilay olona milaza mahalala ny ho avin'ny olona? Ilay milaza mahay ny ao am-po tsy miloaka ?
Miandry izay mahafantatra an'ireo be be kokoa :P
Hoy dadarabe hoe... io ve tsy ilay olona miresaka ny razana?
11. saho ( 29/01/2007 11:41)
niryna> misaotra anao nandray anjara teto
tena mahagaga ahy koa ilay fomba gasy io rehefa hoe hanao zavatra dia misy fady sns...

Dia amiko ny aty an-dafy anefa tena tsy manao izany mihitsy fa tena vao maika ary ry zareo mihamandroso foana na resaka fanaovana trano, na lalana, na inona na inona izany hoe rehefa manao zavatra dia arahina plan architect sy ny know how fotsiny dia vita ka izany no ilaina fahaizana sns...

Amiko dia fahaizana ihany no mampandroso ny firenena iray fa tsy mihaino ireto zavatra maizina ireto...tena gaga aho...izaho aloha kely taona dia niala mada kanefa dia tsy naharaka ireo fombafomba malagasy...dia ahoana ireo vazaha mahavita villa be na koa ireo gasy manambola be ireo izany dia maka olona mpanandro daholo? Tsy aiko aloha fa izaho mino an'Atra ary maharaka tsara ny fomba fiainan'ny vahiny aty ivelany fa raha ny fijeriko ny fomba vahiny dia manao ny marina hatrany ary tsy mila izany mpanandro izany fa raha tratry ny la loi hoe mangalatra na ohatran'izany dia migadra fa ny antsika gasy dia tena mahagaga ahy fa izany angamba no antsoina hoe zavatra iray mampiavaka ny gasy @ izao tontolo izao, kanefa dia tena be dia be izao ny villa sy batiment tsara be vitan'ny plan architect dia ireny ve mila mpanandro daholo...toa ohatran'ny finoanoam-poana ilay izy amiko sady efa lanin'ny toetrandro izany fa raha te handroso madagasikara dia arahina fianarana ambony sy fahamarinana dia mandeha ho azy daholo ny fiainana kanefa eto an-tany tsy ilaozan'ny mpanaraoraotra e! Misy daholo ny fitsarana (Tribunal) ho an'izay tsy manaraka la loi
Tena gaga aho ry zareo fa mbola ela isika gasy no ho sambatra eo @ fiainana raha minomino foana lava sa io no atao hoe fomba tsy azo ialana eo @ fomba malagasy, dia misy hery hafa mahasahy misolo ny didin'Andriamanitra sy Jesosy ve? Tena sahy ny malagasy raha ny fijeriko azy sa fahazarana ilay izy?
12. naughtyboy ( 30/01/2007 13:24)
toy ny malagasy rehetra ihany aho mamaly eto satria manaja ny fomba amampanao malagasy nefa tsy voatery hanaraka ireny rehetra ireny arabakiteny,anisany fahalalana hoterizina an'ny taranaka izy reny zay antsoina hoe kolontsaina.Misy mahatsara sy maharatsy azy daoly ny zv rehetra ary io lafiny io no jereko matetika araky ny fisehonjavatra sy vanimpotoana.Oh: ny fasana izy io amiko de toerana natao ialana sasatra ho an'ireo zay tsy namana intsony avy eo mo samy manana zay inony resaka fitahiana @ razana ,tsy afaka miaramiaina tsony ny velona sy maty ka ny safidiko zany de manasoa ny mpiarabelona noho zay oul efa lasana.. de miray hevitra tanteraka aho eto @ saho
13. ravonjison ( 30/01/2007 17:27)
Fanamarihina kely fotsiny no ataoko:
- isika gasy dia anisan'ny firenena be finoana
- misy ireo fomba gasy izay azo ekena noho ny antony mazava
- misy kosa ireo fomba izay hita fa tena tsy tokony hatao intsony
- ny ankamaroan'ny fomba gasy, sy ny finoanoam-poana gasy dia efa taloha alabe no niandohany(azo ekena t@ izany fotoana izany).Izao anefa dia efa nandroso ny olombelona, ny siantsa, ka ny fomba sy ny finoana sasany dia tsy azo ampiharina intsony @ izao fotoana izao.
Fanamarihana: Io no tena anisan'ny antony tsy mampandroso an'i Madagasikara ( fomba tranainy sy finoanoana foana),io koa no antony nahamora ny nanjakan' ny Frantsay antsika... tena misy consequence be dia be izy io, mora adalaina mantsy isika.

Ka izao no izy ry Saho a: anjarantsika no mieritreritra tsara izany , satria ireo olona efa antitra sy ireo olona tsy afaka manao fampitahana toa antsika, tsy azontsika hovana intsony ny heviny.
14. Ralynck ( 22/07/2014 09:43)
Manahoana daholo tompoko o !
Ohatrinona kay ny manao fasana. Sao dia mba misy manana plan fasana. Firy ny vato hilaina ? Ny vy ? Ny ciment ? Ny karaman'ny mpanao fasana ?
Misaotra dia ny mialoha tompoko
15. hery ( 22/07/2014 11:37)
Ralynck> Manorata resaka vaovao fa aza atambatra amin'ito resaka efa mandeha ito.
Raha hanokatra resaka vaovao: http://forum.serasera.org/forum/message/new

Ralynck:

Manahoana daholo tompoko o !
Ohatrinona kay ny manao fasana. Sao dia mba misy manana plan fasana. Firy ny vato hilaina ? Ny vy ? Ny ciment ? Ny karaman'ny mpanao fasana ?
Misaotra dia ny mialoha tompoko
16. Steawardo ( 28/01/2016 17:42)
Salama daholo tompoko! Inona avy ny karazana kilalao fanaon'ny Ntaolo taloha? dia inona no mbola voatazona atramin'izao. Toa tsy hita intsony ilay tena mahamalagasy rehefa tonga teto kolotsaina vahiny toy ny "internet" ,ny fijerena horonantsary. Vokatr'izany dia toa zary tsy dia afaka mifanakalo hevitra sy mifampiresaka intsony toy ny fanaon'ny olona fahiny ny malagasy amin'izao fa variana @fivoaran'ny kolotsaina vahiny.
17. honacisse ( 18/12/2016 05:59)
Déjà anontany hoe inona atao hoe fasana andriana
18. aipmadagascar ( 07/04/2017 15:53)
Fasana
Kendrena tsy hifanohitra amin ny fandehan ny masoandro ny fanorenana azy.Varavarana tokana miakandrefana.mitodika tany lemaka fa tsy havoana ny fasana.ireo aloa ny fototra tsara hofantatra.fa mbola maro ny sisa.
19. BENEM ( 15/04/2018 05:37)

soanja:

Ity ry SAHO ilay fombafomba saingy tsy voatery ho antsakany sy andavany akory ary miala tsiny amin'ny razana rehetra aho raha nanome ireto torohevitra ireto raha sanatria ka misy diso.

NY FANAMBOARANA FASAMBAO

Ny fanamboarana fasam-bao izany amin'ny andron'i Merina dia isan-karazany miankina amin'ny fototry ny fianakaviana fa ity no saika hitovitovizany.

Fotoana

Rehefa tapa-kevitra dia ny lazaina mialoha ny "OMBIASA" satria izy irery ihany no afaka manome ny fotoana tsara hanombohana azy. Miankina amin'ny VINTANA mantsy ny zava-drehetra ka ny ombiasa no tsara antonina noho izany.
Ny fararano na ririnina no tsara hanombohana ny fananganana azy saingy mety koa ny lohataona sy fahavaratra.

FADY: Ny manamboatra fasana amin'ny fotoana fambolem-bary na tera-bary fa mapikotrokandro sy manavandra ka manimba voly.

Mila fantatra mazava ao anatin'ny andro iray ny ora hanombohana azy fa tsara raha Alarobia na Zoma na Asabotsy ny hanombohana azy ary tsy maintsy amin'ny harivariva na alina.

Toerana:

- Mila fantatra tsara ny fifandraisan'ny trano sy ny tanana ary ny fasana ka ny ombiasa ihany no afaka milaza izany mazava sy manome hevitra. Fa raha ny izy dia:

FADY:
a- ny manamboatra fasana amin'ny Antsinanan'ny tanana satria ao ny fanaovana joro sy fanompoantsampy.
b-ny manambiatra fasana amin'ny Avaratra Andrefana ny tanana satria io no adijandim-bintana.
c-ny Avara-tanana satria io no toerana mitondra fifaliana

ka ny ATSIMO ATSINANANA na ATSIMO ANDREFANA ny tanana no tokony hanorenana azy ary takotakona fa tsy mazava be hita eo an-tanana na tazana ny alokany.

d- ny varavaram-pasana mitodika miakandrefana saingy tokony eo amin'ny andrefan'ny fasana ny varavarany fa atonila hitodika mianatsimo.
e- manorina amin'ny vavan'ny lohasaha ny fasana
g- manorina amin'ny tany noana : tany lenodenoka sy malemy fa manjary noana olona ny fasana.

Ny halalin'ny fasana moa izany dia ireto ny farafahakeliny: haavo miakatra avy eo amin'ny tany dia 2.5m ary ny halaliny midina dia 2m na mihoatra fa tsy latsaka.

Raha tsy misy ireo toerana ireo dia ilaina ireto fomba manaraka ireto atao dia ny fametrahana ny "FANONY" izay famaky maty sy angady maty eo amin'ny fasana. Izny hoe efa lany zara ireo no tsy zara raha misy vy eny aminy hanalana fady.

Tokony aorina eny an-tampokavoana ny fasana, toerana tsy misy loharano na rano.

"Manitsa-pasana" ny filaza ny fametrahana marika ny zoron'ny fasana ka ny ombiasa no manao an'io asa io. Ka raha tsy misy ny ombiasa dia tsy maintsy olona fotsy volo no manao azy fa tsy tanora.

Ny antitra no misantatra ny asa fa tsy azo atao tanora mihitsy, zany hoe ny mamadika ny bainga voalohany. Na fisantaram-pasana ka akohovavy efa nanatody sy lava fantsy no atao sorona eo ary ny ombiasa no manao ny sorona. Tapahina ny lohany dia avy eo araraka amin'ireo "manitsa-pasana" ny rany sy ny toerana nomarihana rehetra ka ny varavaram-pasana no tokony marihany voalohany hoe aiza vao milaza ny hafa izy.

Ny karama na hasin=tanana amin'izany dia ny "Vola tsy vaky" na tsanganolona volafotsy ary "vilia bakoly vaovao" ary miaraka amin'ireto sampy ireto, izay antsoina hoe "Fanefitra":
- Tsileondoza
-Malaimisaraka
ary misy koa ny "Fanidy"

Marihana fa mandritra ny fananganana azy dia tsy tokony hisy famonoana biby mihitsy fa FADY izany afa tsy famonoana omby amin'ny fitaterana ny rangolahy (tafon'ny fasana) sy ny varavaram-bato izay antsoina hoe "ringom-pasana" na "ny tsy tononina" ka ireo ny refy:

( 2m 80 ny haavo, 1m 50 ny sakany, 0.50 m ny hateviny) ka lehilahy 50-100 ny mitatitra azy ary ny vehivavy mihira sy mandihy.

Rehefa mitatitra an'ireo vato ireo dia ny varavaram-pasana no farany taterina mba tsy hisy fiheverana hoe maika ny hahavitan'ny fasana. Ary mila atsahatra mihisty ny fanaganana azy raha toa ka vita haingana. Tsy tokony hovitaina ao anatin'ny taona iray ny fasambao iray.

FADY ny mihinana voan-kena manomboka amin'ny fanambaroana azy ka mandrapahavitan'ny fasana ny fianakaviana.

Asiana vatan'akondro ny fasam-bao mba atao solom-paty mandra-pisian'ny olona alevina ao.

Rehefa atao ofisialy fa vita ny fasana dia mila mamono omby ary manao fety ny iray tanana ka sodina, amponga ary lokanga no zavamaneno ampiasaina.

FADY ny manondro fadsana fa aforitra ny tondro rehefa manondro azy.
FADY ny mandonto manakaiky ny fasana fa mila mamono omby raha toa ka misy manisy maloto ary raha biby dia mila vonoina mihitsy.

Raha misy fanontaniana dia apetraho ihany fa tsy voatery ho haiko akory anefa. MISAOTRA.

- Tsy mazava tsara le oe tsy mahazo mihinana voa kena mandritra ny fanaovana fasana
- Tsy azoko ihany koa ny hoe ao anatiny herintaona vao vitaina ny fasana.
-Ny Ntaolo malagasy sy ny fomba malagasy ve tsy nihinana kisoa sa oe fady kisoa?



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8053