Mitady mpampianatra malagasy

1. zakilinina ( 27/12/2006 09:07)
Misy amin'ireo mpisera eto ve no mpampianatra teny malagasy ? Araka ny hevitrareo, tokony hijoro ve izy ireo handray anjara amin'ny fanitsiana ny tsipelina sy ny fahadisoana isankarazany ato ?
novalian'i chipie1 ny 27/12/2006 18:46
2. naritsimba ( 27/12/2006 11:18)
salama e!
Ny zavatra azoko lazaina dia izao tena misy ny mpampianatra Malagasy ato, ary izaho tsy mpampianatra akory fa tia ny teny Malagasy sy mankamamy azy ary zanaka mpampianatra Malagasy ihany koa.
Raha ny fanitsiana ny tsipelina eo amin'ny fomba fanoratra dia azo atao, fa ny olana dia maro ireo minia tsy manaja izany noho ny fiheverana fa tsy misy bedy eto na dia diso fanoratra aza.
Ao ihany koa ny fiheveran'ny sasany fa ny filazana ny tsy fahaizana teny Malagasy dia ampy hiarovan-tena fa tsy maninona na manoratra diso aza, sy maneho hevitra @ teny vahiny.
koa dia anjarantsika no misaina sy mandinika.

Dia mirary fety finaritra ho antsika namana rehetra.
3. jentilisa ( 27/12/2006 14:59)
Tokony apetraka ho karazan-dalàna mihiatsy aza ny fitadiavana izay hahamariana ny voasoratra!
4. pissoa ( 27/12/2006 15:17)
Eto amin'ny vetso moa ity dinika ity ...

Raha resaka tononkalo na hainteny no tian'i Zakilinina resahina, dia ekeko mihitsy. Rehefa hoe atao "Kanto gasy" dia aleo mba ho gasy.

Raha eto amin'ny forum kosa, ito anie "resaka" e ! Tsy hoe "satria tsy misy bedy", fa toy ny miresaka mifankahita ihany : tsy miteny ohatra hoe : a-mi-n'ny- A-sa-bo-tsy fa hoe am-sa-bo-tsy ...
5. chipie1 ( 27/12/2006 18:46)
tonga chou zakilinina e :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1923