Vokatra ny voankazo isan-karazany izao nefa........

1. DONGAKA ( 18/12/2006 15:57)
Volana désambra vokatra daholo rehefa karazana voankazo ao ny : ny paiso ny manga ny letisy...ary fotoanan'ny orana ihany koa izao KANEFA dia maloto dia maloto ny tanàna. FAKO etsy fako eroa ...Avy eo vao gaga raha marary noho ny loto ihany fa tsy ny inona akory...avy mihinana dia atsipy etsy sy eroa ny hoditry ny voankazo..
novalian'i soanja ny 23/12/2006 15:56
2. Achia ( 18/12/2006 16:16)
Mety ry simplex ndray zao no tomponantoka @ zany :°)
3. pissoa ( 18/12/2006 16:24)
Izy mitsy retsy an ... izy sy bitso :-D:-D:-D
4. Achia ( 18/12/2006 16:28)
Ande hamorona angano aho ka , atao hoe ny gijo sy ny bitso :-D:-D:-D mety milay a!
5. Fiffi ( 18/12/2006 16:48)
DONGAKA:
avy mihinana dia atsipy etsy sy eroa ny hoditry ny voankazo..
mampalahelo be le tsy mba misy fivoharana mihintsy !


6. simplex ( 18/12/2006 19:28)
DONGAKA > io mintsy anie le tsy milay @ le vezetarianina mihinana voakazo tenda-kanina, d avy eo manao maloto eraky ny tanana e :roll:

mampalahelo be le tsy mba misy fivoharana mihintsy, ra zezika ny tsy ampy tonga tsory fa tsssssssssssss :°)

7. pissoa ( 18/12/2006 22:05)
Inn kou no hidiran'ny vezetarianina amizany e ? :? Ny hoditr'akondron'ny gijo iany no tena mpandoto tanana ! Ny fonona hena-baolina moa tsy tanisaina intsony, na ny fonona sambos misy toto-kena :b:-D:-D:-D
8. lapino ( 19/12/2006 03:07)
simp, marina letsy zany :-D:-D:-D
Tefaka indray ho an'ny vezetariana :°):°)
9. ikaretsaka ( 19/12/2006 03:47)
tsy hay intsony kao ny arianareo eny an-dalana na taolana na hodim-boankazo fa miady ny vegetarianina sy ny mpihinana gidro
10. pissoa ( 19/12/2006 05:07)
Ny taona no tena betsaka eny hoa ! Dia hoditr'akondro, dia fonona hena baolina ! :-D
11. pissoa ( 19/12/2006 05:07)
Oops - taolana :-D:-D:-D
12. soanja ( 19/12/2006 06:54)
Rha samy biodegradable daholo izany de tsy olana fa ny plastika no tsy laitra.
Fafao fotsiny rehafa maloto re dia atambaro ny navelan'ny mpihinana gidro syny vegetarianina , de manamboara compostes fa azo averina atao zezika indray le izy. Dongaka izany mba manao modely tsara voalohany de arahin'ny hafa. Efa avy izao ny orana de efa be ny kankana amin'ny manodidina manampy be amin'ny fahamasahan'io. Sa?
13. lapino ( 19/12/2006 08:16)
Ny tian'i Dongaka holazaina ngamba tsy hoe hangonina ny fako, fa mba samy hanatitra ny hodi-boankazony any @ toerana natokana ho an'izay daholo ny tsirairay. Ilay refrain ombieny ombieny ihany hoe : "ovay ny toe-tsaina e". :wink:

Ireny biodegradable ireny mihitsy manko no tena itomboan'ny mikiraoba mankarary kibo, fa raha plastika tsy dia maninona loatra. :-P:wink:

Hanazavako azy dia hoe afaka tsinontsinoavina ny echelle kely, na @ espace (tanàna iray fa tsy firenena na kaontinanta) na @ fotoana (fizaran-taona iray fa tsy decennie na siecle), ka hoe tsy olana ny fako biodegradable. Kanefa dia ireo no tena olana mihatra aman'aina mivantana indrindra, araka ny fanazavan'i Dongaka azy tsara.

Ny momba ny fako plastika indray efa olana mihoatra ny size kosa ngamba.
14. simplex ( 19/12/2006 11:10)
Tena marina mintsy le hoe ovay ny toe-tsaina e. Ny fako na in na in refa fako dia tokony ariana any @ fanariam-pako, izay tsy eny @ arabe akory fa ilay daba natokana hoan'izany. Ny sasany aza moa tsy tahotra tsy henatra fa tonga de mipipi eo ambody poteau, tssssssssssss mbola ho ela mintsy e.

Ingahy Maire koa tokony manampy ny ezaka hi-inciter-na ny olona hanao an'zany. Ohatra hoe asiana boite kely fanariana fako isakny ny 40-50m, ny olona manko tsy dia tena hoe ratsy taiza loatra fa otran'ny hoe any @ 1 km vao misy fanariam-pako de tena tsy maintsy hoe ariany eo ihany io. Azo atao koa ny mampandoa lamandy hamaizana an'izay tratra. Io zao tena tsara mintsy, indrindra fa eny Analakely @ zao krismasy zao miakatra ny paiso sy ny lotchi. Ny mpivarotra koa tokony hanana ny fanariany fako ho azy sy izay mpividy eo aminy...
15. Achia ( 19/12/2006 18:01)
Tena marina mitsy ilay hevitra hoe tokony mba misy fanariampako isaky ny 40m , fa io ao @ tsika mbola tsisy , ary azo hitarafana an'izany fa tsy de mahay ilay Ben'ny tanana , nefa ao Tsimbazaza ao a! tsisy na hodin'akonro aza asa kere angaha ny mpninana ao ao @ zoo zany a! :-*
16. pissoa ( 19/12/2006 18:13)
Achia :-D:-D:-D

Tsy ampy angamba ny fanariana fako, fa na izany aza aza atao hoe tsisy daba-pako dia ariana eny rehetra eny ny fako. Ampiasao ny plastic bags e, ataovy anatin'ireny dia rehefa mahita fanariana fako izay vao atsipazo any. Inoako farafaharatsiny any amin'ny toeram-piasana na toeram-pianarana na any an-trano mba misy toerana hanariana fako. Tsy mavesatra izany fanona mofo na hoditr'akondro ... raha tsy hoe tena mila akondro 5kg otran'gijo :-D
17. simplex ( 19/12/2006 19:13)
zay aloha marina fa saingy hoe mandrapaha lasa fiarahamonina modely antsika d aleo atao izay hahamora ny tsy hanarian'ny ol fako etsy sy eroa e. Satria tsy maintsy misy maningana foana eo ary any @ tany mafiloha no betsaka, d ny maningana ndray no normal fa tsy le manao ny tokony ho izy. D aleo zarina otran'ny zana-tsaka vao mianatra manao maloto, atao eo akaikiny fasika izy d tsy mamely eran'ny trano :°)

18. pissoa ( 19/12/2006 19:35)
:-D:-D:-D

Hevitra atsipy iny mandrapahafeno daba-pako ny tanana ;):-D
19. soanja ( 19/12/2006 23:53)
[quote=lapino]
Ny tian'i Dongaka holazaina ngamba tsy hoe hangonina ny fako, fa mba samy hanatitra ny hodi-boankazony any @ toerana natokana ho an'izay daholo ny tsirairay. Ilay refrain ombieny ombieny ihany hoe : "ovay ny toe-tsaina e". :wink:

Ireny biodegradable ireny mihitsy manko no tena itomboan'ny mikiraoba mankarary kibo, fa raha plastika tsy dia maninona loatra. :-P:wink:




Tsy ampy zany le fanazavana nomeko fa ny tiako resahina dia le efa miparitaka amin'ny tany mba misy manao modely tsara mandraoka sady manoro ity ny tsara anaovana lavajezika.
Ankoatr'izay koa anefa manomboka ny fanebeazana ara-pahasalamana ny manodidina. Any an-tsekoly (compost) , any an-trano compost ary n'aiza n'aiza . Nu Fanjakana tokony handray andraikitra hanome ireny baoritra na waste management bins ireny sady miaraka amin'ny info amin'ny fanantantrehana azy.
misy fanombohany ny zavadrehetra. ka raha te hanova zavatra dia ianao no modely voalohany.
Mahereza ary.
20. Achia ( 20/12/2006 08:08)
Ary Rasimp... mitoraka moramora ao ihany a! fa mba fanontaniana ty raha toa moa izany ka amboarin'ny fanjakana tsara ny tanana de mino ve isika fa ho maro ny Malagasy mba ahay hanaja izany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2914