Fihevitrareo momba ny olona avy any Ambohimalaza

41. MTN ( 20/12/2006 19:00)
Fiffi: menamenatra be akia aho fa mitehaka ny olona
42. Bakobako2 ( 20/12/2006 19:02)
MTN >=D =D
matotra aky a! zava misy aty amtsika daholo zany ary firenena miaina io Gasikara io , ka misy an zany rehetra zany , filoha tanindrana pm tanivo sns
^:^
43. Fiffi ( 21/12/2006 06:19)
MTN: aza hatao mahamenatra akia zany fa mendrika an'zany kosa ny zavatra nolazainao an ! de ao aloha hampiako kely indray ! :)=D=D=D=D
44. mandrindra ( 21/12/2006 13:06)
ambohimalaza = dedaka
45. felanawil ( 21/12/2006 15:51)
:-D :-D :-D :-D
46. dailynews ( 22/12/2006 16:58)
ny amiko tsy mampaninona ahy na iza na iza mba faly @ fiaviany satria izay no maha izy azy azy. saingy kosa rehefa tonga @ hoe, ny anay no tsara kokoa noho ny anareo dia izay ilay tsy mety. samy manana ny hanitra ho azy io.
47. naritsimba ( 26/12/2006 10:04)
Izaho tsy terak'Andriatompokoindrindra avy ao Ambohimalaza akory ary tsy taranak'andriana ihany koa, fa niaina sy nianatra ary nifandray tamin-drizareo tao.
Ny tsapako dia mbola misy ny lova tsy mifindra ao Ambohimalaza ao, fa saingy tsy dia henjana be tahaka ny taloha akory ny fanerena.
Arakaraky ny fifandraisanao aminy no ahafahanao mandresy lahatra azy ireo @ fombany, ny anay raha vao misy olona mitonona fa Ambohimalaza ka manambony tena be loatra t@ izany dia tsotra ny avalinay azy: Aza dia mihambo ho andriana, fa na dia ny fanjakana aza tsy nentinareo, fa mankanesa any aminay atoronay fa ny andriana avy ao aminay dia nitondra fanjakana foana (RANAVALONA I, RANAVALONA II, RANAVALONA III) fa tsy adalan-dalao.
Misy ny olona avy ao Ambohimalaza no manana izany toetra izany, fa misy kosa no tsy manana an'izany.
Tahaka ny asa io, tsy ny asa ambony sy ambany, fa ny fanajanao ny asanao no maha ambony na ambany azy, dia tahaka izay koa io, arakaraky ny fanajanao ny tenanao no hanajan'ny olona ny hafa, fa tsy mila miavona akory.
48. xxx ( 28/12/2006 06:20)

Zà de olona avy any Ambohimalaza et je suis fière de l'être ,tsy mieboebo na mampiseho akory hoe Andriana aho ( ary suis encore fière de l'être au grand damn de ce qui lit ) fa na aiza na aiza toerana sy vohitra misy Andriana , de tsy Ambohimalaza irery akory ny mety hanana toetra sy fomba fisainana toy izany , ary zà raha misy miteny hoe nareo Ambohimalaza tony toy izao sy toy izao de vao mainka hampisehoko aminy fa tiako ny fihaviako ary mijoro ho Ambohimalaza foana aho , na iza faly na iza tsy faly ,satria zay ary aho ka hanova inona eo aho , tsy hanaratsy ny olona ao amiko na iray tanindrazana amiko velively mandrakizay aho na inona na inona toe-tsaina sy zava-misy sy fomba aho ,

ary averiko foana o afa tsy Ambohimalaza irery no manana fisainana mety ho hafahafa sy manambony tena fa mbola tsy sendra sy nahita ny hafa ianareo amin'ireo vohitra sasany ireo

nefa na izany ary faly aho fa Ambohimalaza ray sy reny ary reharehako izany , ny fitaizana azonay rahateo koa mametraka zany ao an-tsainay ka tsy hampiova velively ny hafatra efa nampitaina aminay

olona iza koa moa r'ireto no tsy hanambony ny tenany na tsy resaka hoe firazanana ihany aza ?hita eny @ sehatry ny fiaraha-monina andavanandro zany , asa , harena sy ny maro tsy voatanisa fa refa manaja ny anao enao sy manaja ny hafa ary tsy manohina ny sasany de efa tsara zay

49. avyany ( 21/05/2015 10:33)

DISO BE ianao.Ny olona tsy avy any indraindray ary matetika tonga dia mi classer oe manambony razana ny avy an.complexe angamba(miala tsiny).Fa ny ten izy dia izao.Ilay ra nolovana no misy reflet matetika dia tsy zakan'olona.Tsy any irery anie no mis andriana e.Kanefa ny haf tsy dia re.fa aona?(efa ver ve lay reflet sa tsisy?TENY NINDRAMINA LE REFLET fa singan ny atao oe hasina io
50. avyany ( 21/05/2015 10:35)
tsia.fa miankina am tsi1 1 io
51. avyany ( 21/05/2015 10:41)
somary precis de izay ilay tong dia tsy tian olona.Nefa maasoa an
52. Sylviana ( 13/06/2017 09:25)

xxx:


Zà de olona avy any Ambohimalaza et je suis fière de l'être ,tsy mieboebo na mampiseho akory hoe Andriana aho ( ary suis encore fière de l'être au grand damn de ce qui lit ) fa na aiza na aiza toerana sy vohitra misy Andriana , de tsy Ambohimalaza irery akory ny mety hanana toetra sy fomba fisainana toy izany , ary zà raha misy miteny hoe nareo Ambohimalaza tony toy izao sy toy izao de vao mainka hampisehoko aminy fa tiako ny fihaviako ary mijoro ho Ambohimalaza foana aho , na iza faly na iza tsy faly ,satria zay ary aho ka hanova inona eo aho , tsy hanaratsy ny olona ao amiko na iray tanindrazana amiko velively mandrakizay aho na inona na inona toe-tsaina sy zava-misy sy fomba aho ,

ary averiko foana o afa tsy Ambohimalaza irery no manana fisainana mety ho hafahafa sy manambony tena fa mbola tsy sendra sy nahita ny hafa ianareo amin'ireo vohitra sasany ireo

nefa na izany ary faly aho fa Ambohimalaza ray sy reny ary reharehako izany , ny fitaizana azonay rahateo koa mametraka zany ao an-tsainay ka tsy hampiova velively ny hafatra efa nampitaina aminay

olona iza koa moa r'ireto no tsy hanambony ny tenany na tsy resaka hoe firazanana ihany aza ?hita eny @ sehatry ny fiaraha-monina andavanandro zany , asa , harena sy ny maro tsy voatanisa fa refa manaja ny anao enao sy manaja ny hafa ary tsy manohina ny sasany de efa tsara zay


Bonjour, afaka mba miresaka aminao ve izaho tompoko fa manao fikarohana momba ny lova tsy mifindra ao Ambohimalaza mihintsy zaho, merci
53. nrakotoarinjara ( 13/11/2017 04:37)
Diso be mihitsy ny tonga dia milaza fa ny olona avy any Ambohimalaza dia andriana avokoa. Misy ny andriana fa aza adino fa misy koa ny menakely ary misy ny andevo. Ny tena manambony tena dia ireo menakely na andevo mba nivoatra kely tamin'ny fiainana ka na ny fasany aza dia voleny tranomanara. Ny tena marina dia ireo no misehoseho eraky ny tanàna fa avy eny Ambohimalaza. Ny andriana tsy mieboebo, tsy be teniteny ary indraindray aza tsy fantatrao mihitsy hoe avy eny izy ireo raha tsy efa mandevina olona ao amin'ny fianakaviany ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4154