Blood Diamond (Film)

1. soanja ( 17/12/2006 00:26)
Miala tsiny fa tokony nataoko tary amin'ny sarimihetsika ity saingy te hiresaka ny ato ampoko aho dia nanapa-kevitra hanao azy eto.

Raha manampotoana ianao dia manasa anao aho hijery ilay Film Blood Diamond fa tsy vitan'ny mahatonga saina fotsiny fa felaka eo amin'ny takolaka.

Misaotra an'izay nanao an'iny film iny aho. Latsaka ny ranomasoko nijery azy. Eo imasoko ny aina nafoy rehetra noho ny fitiavako peratra vatosoa sy volamena mamirapiratra. Tadidiko niverina tamiko ireo fanahin'ny havako lasana 6 be izao maty tao Ilakaka.
Misaotra an'Andriamanitra aho fa na dia teraka tao Afrika aza, mba tsy nizara sisin-tany tamin'ny firenana hafa fa ny ranomasina no sisin-tany.

Fantatro no tokony ataoko amin'ny manaraka. Misaotra anao namaky.
novalian'i cutie ny 27/01/2007 12:14
2. cutie ( 17/12/2006 00:49)
true story nga io :roll:
3. ikaretsaka ( 17/12/2006 01:03)
mitovy mihitsy isika sy soanja @ izay
tsara ilay izy ary rehefa ny cause nao no iadianao hatramin'ny farany dia izany no tsara
fa mampalahelo ilay bandy mainty ry soanja a...
fa mampatsiaro ahy ny any ilakaka koa ilay izy aloha e
4. cutie ( 17/12/2006 01:06)
in no nitranga tany Ilakaka zany :roll:
5. soanja ( 17/12/2006 02:50)
Tsy true story ny fahitako azy fa saingy milaza ny zavamisy amiko ilay izy rehefa mitomany hividianan-dRams diamondra aho.
Ny any Ilakaka indray dia be izay efa maty izay ary zavtra tsy misy dikany no nahafaty ny olona tany sasany. Tantely afa-drakotra ny vatosoantsika ka manao izay danin'ny kibony aby.
Mino aho fa efa misy ezaka ataon'ny fanjakana kosa angamba. Finoana io fa mbola tsy nahita maso aho. Fa ny faty nalaina tany de efa 3 amizay no naleviko. :cry:
6. soanja ( 17/12/2006 03:28)
ikaretsaka:

mitovy mihitsy isika sy soanja @ izay
tsara ilay izy ary rehefa ny cause nao no iadianao hatramin'ny farany dia izany no tsara
fa mampalahelo ilay bandy mainty ry soanja a...
fa mampatsiaro ahy ny any ilakaka koa ilay izy aloha e


Tena mampalahelo be tokoa le bandy mainty ry Ika. Atao ahoana fa ny tandrefana no mametra ny fiainantsika mahantra e.
Ny film misy an'iny acteur maintsy iny de tiako be zany foana. Izy koa aloha tsara tarehy.:oops:


7. ikaretsaka ( 17/12/2006 03:49)
iza io? i leonardo ve?:roll::wink:
8. soanja ( 17/12/2006 04:30)
O o o I Djimon Hounsou ka. Le mainty e.:D
9. grasolo ( 17/12/2006 08:25)
Mba azo atao ve ny mamintina eto amin'ny teny fohy ny momba an'izany film izany ho an'izay tsy afaka mijery na tsy afaka mahita an'ilay horonan-tsary. Dia mba azonao lazaina tsotsotra ve ny tantara nahazo anao ry SOANIA, raha mety, mba ho fianarana sy lesona ho an'ny rehetra. Mba fangatahana ihany io fa tsy voatery hiteny ny tantaranao ianao. Tsy dia mety mantsy ny miresaka sy miady hevitra amin'ny zavatra tsy dia fantatra loatra.
Misaotra
10. soanja ( 17/12/2006 09:58)
grasolo:

Mba azo atao ve ny mamintina eto amin'ny teny fohy ny momba an'izany film izany ho an'izay tsy afaka mijery na tsy afaka mahita an'ilay horonan-tsary. Dia mba azonao lazaina tsotsotra ve ny tantara nahazo anao ry SOANIA, raha mety, mba ho fianarana sy lesona ho an'ny rehetra. Mba fangatahana ihany io fa tsy voatery hiteny ny tantaranao ianao. Tsy dia mety mantsy ny miresaka sy miady hevitra amin'ny zavatra tsy dia fantatra loatra.
Misaotra


Ny famintinana ilay FIlm izany dia hoe misy Diamondra be dia be ao Sierra Leone nefa tsy hita taratra amin'ny economian'izany fa tsy hita daholo izay najavonany. Ny zavamisy dia misy manondrana azy antsokosoko mandeha amin'ny frontieres ilay izy ka mankao Liberia. De ao no misy manao afera azy manondrana any Londres, mandalo ao Inde aloah le iz afangaor amin'ny fosika mba tsy ho tratra. Mandritra izany fotoana izany ao SL dia mitombo nyisan'ny tanana notafihan'ireto olona ireto ka mody atao hoe politika nefa ny zaza amandehilahy no alaina dia tezana ao anaty fiainana mampatahotra, fanaovana lavage de cerveau ary ireo no manafika sy mamono ny hafa mpiray tanindrazana aminy , no sady koa natao haka ilay diamondra , izay sivanina avy ao anaty rano. De eo ny tanatra no tena manomboka fa betska ny maty satria te hanao peratra diamondra mamirapiratra ny firenena tandrefana. Ny zaza amanbehivavy ary ny olona rehetar ao Afrika tsy manakialofana fa tra-boina ary refugees daholo. Ao ny maty, ao ny voaolana ary ao ny fehezina ampiasaina ho fitaovana politika. De mitohy ny tantara fa lehilahy iray sy ny fianakaviny no notafiana tao anaty tanana kely iar ka ny zanany nalaina notaizan'ireto dahalo mpatranka sy mpanondrana ireto vatosoa. Izay tratar mangalatra na manafina dia maty eo no eo. tena violent be le movie an.
Farany dia nisy ny ireo vazaha fotsy hoditra mahazo tombony amin'ny fanondranana ary ny maintsy very fianakaviana sy mijaly. Be ny maty e noho io vatosoa io.
Mampatsiahy ahy ny ao Ilakaka izany. Nisy 6 ny havako maty tao. Ny sasany tena nanao business namory namana dia nagady ka nahita dia nisy namono tany amin'ny hoteliny, moa ny sasany mpivarotra na sendra nandalo tao dia noheverin'olona fa nahita safira dia nisy namono koa. Mandevian no azo atao tamin'ziany fa tsy miys fanjakana ny tao afaka nanaramaso ny zavanisy tao. Asa ny amin'zao fa dia niana-desona izahay mianakavy. Tsy mboa nisy nanankarena be koa aloha tamin'io na dia nafoy aza ny havana.
Izay ny amin'iny. Ny hany azoko atao dia hamidiko daholo ny ravako diamondrako rehetra sy ny vatosoako rehetra ato an-trano raha vao mahazo alalana amin'ny vadiko hanaovako asa soa daholo izany vola izany.Ny fosika ihany no ho tazomiko.
Mahereza daholo.


11. methode ( 17/12/2006 10:59)
Zahay tsy mahita fa mba andefaso le film aloha e! Tsy misy aty! lol Tsy mahazo n'inon'inona! Na ny salle de Cinéma eto aza efa nikantona daholo!
12. soanja ( 17/12/2006 15:38)
Atao akory Methode fa izay le fiainana e.
Mizara izay mba hevitra eto no azoko atao. Refa tonga any le film indray andro any de mba tadidinareo le resaka teto. Sady le izy koa anie ka film fa ny hevitra entiny no zavadehibe hoe alohan'ny hividiananao zavatra na imateimatesana amin'ny zavatra iray dia azonao ato mandinika hoe ahoana no nahatonga ity zavatra ity eto anolona'ny masoko eto. ilaiko ve ity sa tsy ilaiko amin'ny fivelomako sns.
Izay no atony hiadivako sy hiasako mafy amin'ny resaka Fair Trade. Tiako raha zavatra Fair trade no eny amiko satria sady manabe aho no manampy ny hafa.
13. cutie ( 17/12/2006 21:13)
aiza no misy an'zany Ilakaka zany :roll:
14. soanja ( 17/12/2006 21:18)
Cutie a, oviana indry no ho any Mada fa entiko amizany toerana rehetra izany indry e (sahambavy, Fianara). Marina moa.
Any akaikin'i Isalo aky a, lalana mankany Tulear RN7. DE 10 km eo miala ny park National Isalo angamba izy io, province Fianarantsoa . Andraso fa handefasako sary indry raha mbola misy ato amiko.
15. cutie ( 18/12/2006 21:47)
hay ve ry Soanja
lazaiko njy refa mankany Dago za zany :)
16. soanja ( 19/12/2006 06:49)
Cutie a, hay film video ny aty amiko fa tsy sary. Rhafa tonga aty aminay zany indry de zaraiko azy.:D
17. cutie ( 19/12/2006 09:39)
ok:lol:
18. Ninyah ( 24/01/2007 19:40)
aiza no misy an' zany film zany ry reto?
19. cutie ( 24/01/2007 23:03)
Fa aiza i ninyah no mipetraka?
jereo any @ cinema rehetra any na mety efa tsy mivoaka tsony le izy zao , de any @ rental video store jerena :lol:
20. methode ( 27/01/2007 11:09)
cutie: Avoay ety le film de amin'izay zahay mahita daholo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1356