IZA NO METY MBA

1. bazylou ( 09/12/2006 00:32)
Izao ry zareo a! efa ela aho no teto niresaka sy nandany minitra teto fa mba misy zavatra ity tiako proposena anareo!!
Ity resaka telethon ity dia tiako ampidirina any amintsika . Tsy hatao ho an'ny voan'ny cancer akory ny telethon gasintsika fa natao kosa hanamboarana sy hamolavolana tetik'asa any antanana!!Ohatra fananganana dispensaire kely na hopitaly raha be ny saosy azo, na koa fananganana orinasa kely mpamokatra sy mpanodina vokatra, na koa fanaporisihana ny ambanivohitra hanana bibliotheque na fiompiana bebe kokoa,na koa itony resto du coeur itony ho an'ny mahantra,... Bref betsaka ny zavatra azo atao.
NY zavatra ilana fotsiny dia mila olona any MAdagasikara hanara-maso ny asa rehetra.
RAha ohatra hoe misy olona 2000 manome an tsitrapo 1e fotsiny dia mahavita dispensaire kely iray hari fomba izany!!
Ity ny emailko raha misy sahy ianareo""bazylou92@yahoo.fr""

MAnainga anareo aho satria sady hetsika ho antsika diaspora io no investissement ho antsika , na 1e aza mikoty satria efa 13000 fmg izany. Azon'ny gasy rehetra aty andafy rehetra na aiza na aiza no miparticiper an'io!! Mazava ho azy fa ny olona rehetra koa dia afaka manara maso ny asa!!
2. bazylou ( 09/12/2006 00:35)
manome 1e avy sao tsy mazava!! ary tsy misyresaka ra8 , na lerola na i lahiniriko sy herizo ao fa ianao manolotra no tompon'ny laka ao!!
3. ikaretsaka ( 09/12/2006 04:45)


eeeeh...moramora aloha! alefaso tsikelikely...
inona aloha ny tena ho amboarina sy financer na?
efa mpanao an'itony manko za fa ny hitako mahaz´ndana sy ataon'ny olona foana aloha de:
ny plan an'ny ny fototra aza tsy vita akory de tadiavina amidy sahady ny trano...
alamino tsara aloha fa raha ny... ohatra ohatra ohatra no mandeha de feno ihany ny teto!
4. kally ( 09/12/2006 07:50)
Asio fanazavana fanampiny marina aloha fa sao sanatria hoe izay 1euro ve no mba narotsaka dia hitakiana zavatra be!!!:wink:
5. diamondra27 ( 09/12/2006 08:23)
ny fanampiana dia atao any dago, donc atsangano aloha na rehefa hita zay tompon'andraikitra vao mitady mpiara-miasa sy mpanao asa soa e!
:-*:-*
6. diamondra27 ( 09/12/2006 08:24)
ao anatin'ny MAP ve io ry bazylou :-P:-P
7. kitjo ( 09/12/2006 08:25)
tsara ny hevitr'i bazyl fa ny ahy ny principe-ko aloha nanangana association dia tsy misy vola omem-potsiny!

tiako esorina @ eritreritry ny olona any Dago mihitsy ny mamatam-bonona sy omena fts fa ny anay dia mi-explorer izay zava-misy sy atout ananan'ilay tanana na communaute dia manampy azy m exploiter anzay ahafahana mahazo vola na mahazo izay zavatra tadiaviny atao..ry zareo no asaina miasa sy mandray andraikitra mivantana...fa ianao mi developper ilay projet sy mitady lalana manampy azy..

fa dia mazotoa aloha ianareo fa za fts tsy miditra @le oe manome vola fts comme ca!

bazyl: ny olana fts @le oe dispensaire na skeoly, raha tsy ry zareo mihitsy no mangataka dia manahirana be avy eo ny oe aiza no ahita dokotera, famatsiana fanafody sns....ka lavitr'ezaka be io fa eritrereto ihany...
Mila manangana ekipa mihitsy manao suivi a long terme manko!
8. hery ( 09/12/2006 08:26)
Izaho vonona raha toa ka matotra tsara ilay izy.

Azo faritana ny zavatra hatao.
Ho an'iza ilay izy.
Lazaina hoe ohatrinona ny budget.

Dia eo amin'izay no mitaky vola...
9. hery ( 09/12/2006 09:07)
Ok

Marina mihitsy aloha ilay hoe aleo ry zareo no mangataka... dia andrasana koa ry zareo hanome.

Ny fanaonay tany atsimo dia resaka vovon-drano.

Mangataka aloha ry zareo hoe anamboary vovo izahay. Dia avy eo lazainay hoe inona no azonareo atao.
Dia mifanaraka tsara hoe ry zareo hanao ny lavaka fa izahay miantoka ny ciment sy ny teknika.

Rehefa vita ny vovo dia mirehareha ry zareo fa tompony satria nisy hatsembohany tao. Voahaja tsara koa ilay izy amin'izay.

Dia toa izany koa no azo atao.

Mila jerena izany aloha ilay tanàna cible dia anontaniana hoe inona no ilainy ary inona no azony atolotra amin'ny fanatanterahana an'ilay tetikasa.
10. bazylou ( 09/12/2006 09:42)
Misaotra anareo rehetra!
NY ekipa aloha dia azo atsangana satria benevolat daholo no atao amin'io. Ary afaka manome ny soso keviny daholo ny rehetra amin'izay zavatra hofinancena sy amboarina. NY zavatra imasoana fotsiny dia ny resaka sosialy, io hatrany no atao.
Ohatran'io telethon io ho aho no systeme anaovana azy! Tsy maintsy misy olona izany any MAdagasikara mandray sy mijery ny fandehan'ny asa.
11. bazylou ( 09/12/2006 09:44)
Io anie tsy terena no sady izay fohinao no omenao e! ary azo jerena ohoe aiza no nalehan'ny volanao avy eo. Dia na 1e aza ve tsy fohinao !!??
12. kitjo ( 09/12/2006 10:26)
Izay lazain' i hery izay mihitsy no tiako lazaina ary ohatra an'io style vovon-drano io no ataonay

bazyl> an3 tsy resak ahoe tsy hoy k!
benevoles dol zahay ze mandeha ka ny any ampaosy mivoaka dia tsy 1euro fts aza fa mihoatra lavitra

fa ny tiako tenenina hoe tsy azoazoko fts le idee oe manangombola dia omena azy

araka ny lazain'i Hery io oe atao tsapany fa izy no mila azy..atao tsapany fa nisy ezaka nataony tao amzay izy mahatsiaro ho tompony ary koa tompon'andraikitra @ fitandremana sy fanajana ilay zavatra!

tsy resaka hoe tsy mahafoy vola mihitsy fa fitaizana toe-tsaina!
13. bazylou ( 09/12/2006 11:26)
MArina izany ry zareo kanefa raha resaka dispensaire ohatra ve dia mila an'izay filana sy fanatsapana an'ilay olona mila izay!!??
Ny toe tsaina anie tsy hary hovoataiza daholo e!
Tsy mampaninona koa raha hifampy zara ny zavatra atao ny omena sy ny mpanome.
Ohatra izy no manme ny tany dia isika no manangana ny zavatra.

14. bazylou ( 09/12/2006 12:05)
Izao no zavatra ilaikna araka ny voalazanareo rehtra teo izany, ka asa raha mba mety aminareo.
Mila olona na ekipa mihitsy izany any Madagasikara mijery sy manontany ireo any AMBANIVOHITRA ny zavtra ilainy ary koa ny hetahetany sy ny zavatra azony atolotra hanatanterahana ny projetny. HAtao 50 sy 50 io izany. NY iray manolotra tany ohatra dia isika no manangana ny dispensaire. NY fandehany sy fitantanana azy avyeo dia jerena miaraka amin'ny eo antanana koa.
15. kelly13 ( 09/12/2006 12:19)
za kou vonona!!! en fait tsy mbola nanao zvt sahala @ zao mihintsiny za fa mba vonona hitondra ny anjara biriky e! ataovy matotra tsara dol fotsiny ny tetik'asa sns, ary ny oul miandraikitra izany any mada kou d aoka mba ho oul azo itokisana tsara fa tsy ande hamitaka fa manjary rava ho azy. ry zareo ao @ semigany aza mou ry reto mahavita manao an'izany nefa ny communauté ndry zareo vitsy par rapport @tsika eto! ka d ndao fa lasa izao refa tena matotra tsara dol ny reetra e :)
16. kelly13 ( 09/12/2006 12:23)
adinoko kely, ilay resaka ôtran'ny resto du coeur kou tsy ratsy fa refa mizara ilay sakafo izany d asaina MBA mandou participation (inn mou no dikan'io @ teny gasy :?:) kely genre hoe 100 fmg ohatra! asa klou e!! satria ny tena mahaory antsika any ange ry reto d ny sakafo sy ny fanafody e! donc ra misy kou ny azontsika hanampina @ sakafo ce sera trop cooooollllll raoul eee!!!

bazylou>kay enao manana good :idea: an!!! etsy klou rahavako eeee :-*:-* sa mbola lavinao iany???
17. bazylou ( 09/12/2006 12:38)
Eo indrindra isika izao amin'ireo olona any Madagasikara !! iza nohirotsaka antsitrapo hijery sy ho any Ambanivohitra rehetra any ??
18. ikaretsaka ( 09/12/2006 16:02)
kitjo:

tsara ny hevitr'i bazyl fa ny ahy ny principe-ko aloha nanangana association dia tsy misy vola omem-potsiny!

tiako esorina @ eritreritry ny olona any Dago mihitsy ny mamatam-bonona sy omena fts fa ny anay dia mi-explorer izay zava-misy sy atout ananan'ilay tanana na communaute dia manampy azy m exploiter anzay ahafahana mahazo vola na mahazo izay zavatra tadiaviny atao..ry zareo no asaina miasa sy mandray andraikitra mivantana...fa ianao mi developper ilay projet sy mitady lalana manampy azy..


Izayy.. marina mihitsy izay


kitjo:
fa dia mazotoa aloha ianareo fa za fts tsy miditra @le oe manome vola fts comme ca!


io ilay noteneniko hoe alamino aloha hoe inona ny atao de tonga de manomboha fa ny zavatra tsy milamina akory dia ny omeo no atao...
jereo ny an'i P Pedro zao ohatra hoe efa milamina hoe hanao asa soa ho an'ny 4mi izy vao hitan'ny olona ny ataony zay izy vao mahazo fanampiana..


bazyl: ny olana fts @le oe dispensaire na skeoly, raha tsy ry zareo mihitsy no mangataka dia manahirana be avy eo ny oe aiza no ahita dokotera, famatsiana fanafody sns....ka lavitr'ezaka be io fa eritrereto ihany...
Mila manangana ekipa mihitsy manao suivi a long terme manko!


Izay indrindra.. mbola betsaka be ilay miroroa saina hoe dispensaire ve? hopitaly ve? sekoly ve? fa atao 1 aloha fa sarotra be ny mi convaicre bailleur na isika samy gasy aza hoe hanangana sekoly zao de hopitaly de zao de zao... alefaso aloha ny hoe hitanay tary fa sekoly ny mety, sekoly ohatran'izao zao ny lany...zao ny tombotsoa azo...izao ny ezaka efa natao...izay vao mangataka


19. bazylou ( 09/12/2006 19:22)
Izao e, ityzavatra proposena anareo mianakavyity dia tsymisy akangataka anyamianao fa rehefa tsy te hanome ianao dia mijanona!!
Tsotra fotsiny ny zavatra atao, atsangana ny ekipa mijery sy mamakafaka ny projet rehetra mety hatao ary ny mijery ny fomba hiparticipen'ny eo antanana
mandray azy dia alefa ny telethon avy eo. Tsy misy resaka politika ao , tsy misy akijery hoe ranona merina na cotier ary tsy misy akijery hoe iry mpomban'ilay8 na tsia. Ny hahatsara nyambanivohitra sy ny sosialy ao anatanana no atao sy imasohana!
Ny fototra hiaingany dia ny sosialy hatrany ( sakafo , fahasalamana, fanafody,fahadiovana,sns...)
Izay tsy tia handray anjara fa miandry fotsiny hoe andraso aloha handeha dia avy eo aho manome dia aleo mijanona fa tsy hahavitana zavatra.
Tonga dia tairina izao dia izao, mila olona ho any ambanivohitra benevola hijery sy hamakafaka ny projet tokony atao izany izao.
Raha ny any ambanivohitrao inona izao no tokony atsangana any ?? Samy mahita ny azy angamba ary samy manana havana mipetraka any Ambanivohitra. Ka aoka ary samy hijery ny azy. Dia rehefa avy eo borahy eto ny hevitrao na afaka miaona avy eo raha ilaina dia alefa ny tohiny!!

20. piste ( 09/12/2006 19:39)
Tsy haiko na manonofy ialahy na manao ahoana fa tsy misy olona hanome vola na 1 Euro eo raha tsy efa tena misy zavatra matotra sy mitsangana. Marina ny voalazan'ny sasany fa tsy resaka tsy fahafoizana io fa fahamatoran'ny zavatra atao sy kasaina. De +i alahy mbola be taim-bava ihany koa.
Ka ny tsaratsara angamba dia ovay methode hafa indray fa tsy lasa izao dada.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.137