hono hoaho

1. bazylou ( 05/12/2006 22:36)
mba inona ny tetik'asa eto amin'ny serasera?? sa....
2. hery ( 05/12/2006 23:31)
Tsy manana tetikasa ny serasera :-)

Fitaovana ahafahanareo manao tetikasa fotsiny izy.

http://lisitra.serasera.org/content/view/19/40/lang,mg/

3. bazylou ( 06/12/2006 00:00)
fa maninona no tsy manao ianareo fa mivohy hevitra fotsiny?? io angalba no etape manaraka ataonareo sa???
Tokony hitarika olona ianareo hanao zavatra iray ho an'ny Madagasikara fa tsy manao forum fotsiny!!
Ohatra azo atao ny resaka telethon gasy anaporisihana ireo tambanivohitra hamokatra bebeb koka na ny manao orinasa kely. Eny fa na dia ho 100e fotsiny aza no mety ho azo main'io telethon lazaiko io!!
4. fijo ( 06/12/2006 05:33)
tarito ary e,ise koa anie eto e.aza miandry raha manan ahevitra fa avy dia ataovy di amanaraka ny olona.
5. kitjo ( 06/12/2006 05:48)
Ho antsika mpikambana angamba no manomboka izay tokoa araky ny tenin'i fijo

tairo bazyl an, za partante foana ra activite zany..hihihihi

ho an'ny serasera manokana angamba raha nanaraka ny fivoatry ny site bazylou tsy nilaza an'io oe "forum fotsiny" io...

miasa ange reo mpiandraikitra ireo e!
Jereo dol ny service available omena antsika maimai-poana eto

Afaka mamorona groupe Namana ato isika raha manana projet dia mangataka @ i Hery raha azo entina sy atao @ anaran'ny Serasera..hhmmm:^)
6. hery ( 06/12/2006 09:04)
Averiko indray ilay nolazaiko etsy ambony.

Ny serasera dia fitaovana fotsiny... Ianareo mpikambana rehefa avy niresaka sy nifankahita teto amin'ny serasera no manangana ny tetik'asa(-nareo) any.

Eritrereto foana ho toa ny trano ngeza be (complexe) iray fihaonana ny serasera. Misy ny ankamaroan'ny ilaina ao. Dia ny olona miditra ao no mifampiresaka sy mifankafantatra dia manangana zavatra amin'izay. Efa nisy ny tetik'asa nivoaka toa izany ary mbola hisy.

- Tetikasa-na groupe (nanangana associations, nanangana sites hafa, nanao fitadiavam-bola sns.)
- Tetikasa manokana (nanangana tokatrano :-) sns.)
- Tetikasa manohitra (nanangana zavatra nentina hanaratsiana sy hanimbana ny serasera)

Tetikasa efa nisy daholo ireo ary mety mbola hisy hatrany. Dia anjaran'ny tsirairay no mitady hevitra.

Izaho kosa tsy afaka ny sady hifofotra no hively vy. :-)
7. simplex ( 06/12/2006 11:43)
d ahoana ny tetikasa fampandrosoana, fanitarana ary fanatsarana ny serasera?

mila fiezahana kely ny eo lafiny "marketing" hoy aho.

ity izao, tsara be le hevitra fa eo @ fampihelezana azy no tsy ampy kely. Tokony hanaovana ezaka manokana ny fampahafantarana azy @ namana "cible"...
8. Samoana ( 06/12/2006 14:41)
Ny tetik'asa hampandrosoana ny serasera dia ny fandoavana latsakemboka hatrany mba aha ela velona azy :D e ! Efa hitako be ny manatalenta manitatra sy manatsara azy fa ny tena aza no tsy maharaka intsony
( mbĂ´ mamporisika za nefa tsy mbola nandoa rakitra akory t@ ity fa mangatak'andro lava:oops:)
9. bazylou ( 07/12/2006 21:19)
aza asiana izany fandoavana rakitra izany fa tsy any ampiangonana isika. Tsy anjaratsika ny manao izany fa eo ingahy webmastera izy ihany no mandidy an'io..!! aleo hanao ny azy izy!! fa ny fampandrosoana haingaan dia ny manampy na mandraya njara amin'ireny zob ireny ohatra, na microfinance eny ambanivohitra ,.... betsaka e!!
10. ikaretsaka ( 09/12/2006 04:47)
eh eh eh.. alefaso tsirairay fa raha vao asavoritaka ohatran'io hoe zao ko azo atao zao ko azo atao de eo enao!.. 1 aloha no alamina de vita iny vo 1 ndray
11. ikaretsaka ( 09/12/2006 04:50)
azo atao koa ny mandeha irery fa tsy voatery ho association... de but 1 ihany fa raha vao but betsaka izany de misangojy eo fotsiny...
Ny ahy zao tanana vaovao any atsimo any no nataoko efa 1 volana zao... karazana logements sociaux
12. hery ( 09/12/2006 08:29)
Aiza ho aiza izany r\'ikaretsaka?

Sao dia tokony hankalazaina raha mbola mila tohana?
13. kitjo ( 09/12/2006 10:31)
Toulouz..

apetrako ny sary?hihihi

so bedy eo za fa misy copyright le izy! :lol:
14. ikaretsaka ( 09/12/2006 16:06)
hery:

Aiza ho aiza izany r\'ikaretsaka?

Sao dia tokony hankalazaina raha mbola mila tohana?



Aleo vita vao mankalaza
15. ikaretsaka ( 09/12/2006 16:26)
adino ny 0 fa 10 volana io
16. ikaretsaka ( 10/12/2006 03:50)
kitjo:

Toulouz..

apetrako ny sary?hihihi

so bedy eo za fa misy copyright le izy! :lol:



kitjo> :wink: aoka aloha!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3754