doro tanety sy doro ala

1. zakony ( 06/11/2006 13:46)
tena henjana loatra ny doro tanety sy ny doro ala eto amintsika amin'izao, ary ny setroka dia tena manamaizina ny andro atoandro.
tokony mba hasiana fiheverana kely izy ity fa tsy mety intsony, ny andro mihamaina, ny orana tsy mety milatsaka, Andriamanitra tezitra fa voaemboka avy aty ambany
novalian'i melody ny 27/11/2006 16:11
2. cutie ( 06/11/2006 14:59)
samia mandray andraikitra:lol:
3. velosoa ( 07/11/2006 14:57)
Tena marina mihitsy fa manamaizina andro ilay setroka sady fanampin'izany mankarary ohatra anay somary manana problème respiratoire dia mijaly be ! Misy le olona tsy tsy misy fisainana na kely aza ! Aiza ny toe-tsaina olom-banona ê ! mbola betsaka no mirefarefa amin'ny tany !
4. prime ( 08/11/2006 13:02)
velosoa> :roll:... mba hazavao raha tsy mahadiso...
velosoa:
...Misy le olona tsy tsy misy fisainana na kely aza ! Aiza ny toe-tsaina olom-banona ê ! mbola betsaka no mirefarefa amin'ny tany !
??? olona iza? nanao inona?
5. melody ( 15/11/2006 19:41)
so dia tsy ilay doro tanety no manome prob an'i velosoa fa ilay doro-fako? Io mo tena hitako problema ao Tana:(
6. prime ( 17/11/2006 14:16)
melody> ie izay koa mbola miteraka olana iray goavana...
7. melody ( 17/11/2006 15:26)
aiza i velosoa e?
prime: ilay dorotanety ange aky tsy hoe 'arson' ilay izy fa ny tantsaha no manao an'io satria hoe mamokatra zavatra hafa raha dorana ny ala sy ny manodidina azy kanefa tsy fantany ny vokany ao aoriana ao, ankoatr'izay ilay dorotanety ange tsy ao tana fa ivelany b mihintsy e, mety hiteny enao hoe hoentiny rivotra fa na dia izany aza, ratsy nohon'ny setrokiny auto ao tana ve izany? Mia betsaka ny tomobilina ao tana ary ny sasany aza tena mainty be mihintsy ny setroka mivoka.:)
8. prime ( 22/11/2006 15:05)
melody> Ny tatitra isam-bolana no maneho fa misy fiantraikany ara-pahasalamàna goavana avokoa ireo... fa ny setroka fiara dia "à moyen et à long terme" vao hita ny fahavoazana fa ny doro fako ohatra dia tena "toxique" be mihitsy ary eo no ho eo ny fiantraikany, satria ny aty dago tsy mba misy sivana (misy ny lalàna fa tsy misy manaja) ny fako fa na poizina sy fanafody sy "produits chimiques" aza dia ariana any @ fako... dia rehefa dorana dia tena zava-doza lavitra noho ny doro tanety sy ny setroka fiara...
9. melody ( 22/11/2006 15:47)
ka izay indrindra ange ry prime e, ilay doro-fako no tena gravy be ao tana, manarak'izay ny setrokin'ny auto. Aza manody ny tratrany emboutaillage any ambany tounela ireny fa tena sempotra mihintsy:(
10. prime ( 23/11/2006 14:56)
velosoa koa moa tsy tazana intsony...

melody> inona no vahaolana?
11. melody ( 23/11/2006 18:48)
prime: aoka aloha za hieritreritra kely, dia lazaiko anao eo ihany ny mba vaha-olana hitako:)
Ary inona no vaha-olana hitanao. Tsy hangala-tahaka za akory e,:-D:-D:-D
12. prime ( 24/11/2006 10:11)
:-D:-D:-D aleo ary aloha samy hieritreritra kely e...:@:-D:-D
13. melody ( 27/11/2006 16:11)
prime: nahita hevitra 2 izaho momba an'io.
1. alevina ny fako dia totofana, malalaka ny tany eto dago, ohatra hoe ireny 'quarry' ireny, halefao ao ny fako dia totofan, ny blem am'izay aneda dia ilay hoe 'mithane gas' rehefa ela ny ela, kanefa indray kosa io gazy io azo havadina energy fa mila fahaizana daholo ny manao izany.
2. toy ny ao paris, 'incineration'
ka ahona, inona no hevitra mety?:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1775