jerenareo ange

1. tslem ( 27/10/2006 17:06)
iza kay no mahay an lé tsenjery t@ mbôla kely oe: jereo ny volonay madio tsara ery sady zay ndray nasina bogôdy,raha misy mahay d mba omeo zah.misôtra an!
2. Fiffi ( 27/10/2006 18:22)
tena misy mahay an'io eto satria efa nisy dinika momba an'io ! tena tsy tadidiko aloha nefa aiko tsara ery izy io an!

jereo nareo ange ity tananay ity
fa mahavita be sy mahasoa ery
jereo ny ankihibe na dia mihataka aza
tsy mihanjona fa e ! manampy ireto zaza !

eo akaikiny indray , tazano ilay fanondro
.......
3. yonikafopl ( 27/10/2006 18:42)
Za koa nahay an'io fa tena adinoko,njaso ataoko izay haiko,tsy tadidiko we inona no fanombohany,

MADIO ZAHAY
.................
jereo ny volonay
madio tsara ery
sady izay indray
nasiana bingody
jereo ny tananay
mandina aoka izany
ny faladihanay
toa tsy mandia tany

ny reninay moa
mpiapasoka mahay
voapasony avokoa
ny fitafianay

Ireo ihany no mba tadidiko kle,efa androany tontolo za niezaka nitadidy fa eh eh eh, efa antitra tokoa ka very ny zavatra hay fahiny:wink:
4. tslem ( 27/10/2006 20:30)
Dé misôtra an'i fiffi sy vonikafopl lou fa atambatambatra eo io dé tojo @ tanjona ny farany e.Merci
5. Fiffi ( 27/10/2006 21:21)
mbola tsy hampy aza le hoe ny tananay fa voatonona ao daholo ny ratsana raha ny tena izy ,saingy mbola mitadidy aloha :)
6. andry08 ( 27/10/2006 22:36)
Milaza zavatra amiko io tononkalo io tany an-tsekoly rireto an! Dia ahoana ny tihiny fa tsy tadidiko.Fa=D=D=D aloha
7. belaza ( 28/10/2006 16:30)
....tsy zaza be lalao
fa hendry sy mahay,
ka aza gaga enao
raha toa madio zahay.
8. cutie ( 28/10/2006 17:49)
de misy koa hoe:
ny boky sy kahie
voalamina avokoa
de tsy tadidiko tsony :oops:
9. tslem ( 29/10/2006 08:15)
dia misy koa hoe:

ary ny hohonay
voahety avokoa.
10. lanto ( 29/10/2006 09:30)
hihihi mifamotopototra daholo izy izany :)

MADIO ZAHAY


Jereo ny volonay
Voahogo tsara ery
Sady izay indray
Nasiana Bingody

Jereo ny tananay
Madio tsara koa
Ary ny hohonay
Voahety avokoa

Jereo ny tongotray
Mandina aoka izany
Ny faladianay
Toa tsy mandia tany

Ny reninay moa
Mpimpasoka mahay
Voapasony avokoa
Ny fitafianay

Angaha ny tena ihany
No diovinay zareo ?
Madio tahaka izany
Ny bokinay jereo :

Boky sy kahie
Sy kitapo koa
Avia jereo ange
Milamina avokoa

Tsy zaza be lalao
Fa hendry sy mahay
Ka moa gaga ianao
Raha toa madio izahay ?



Mety misy diso io fa tsenjery maimbo fotsiny an :)

11. tslem ( 29/10/2006 11:22)
Merci beaucoup de tout mon coeur ry lanto a! afa-pou tateraka,nivadika ao ankavanana mitsy ny foko marina mafy e,faly be mitsy mitsy zah:*:*:*:*
12. tslem ( 29/10/2006 11:27)
ka tsy ao anatin'io né zany lé tsénjérin fiffi é(jereo ny ankihibe,na d mihataka aza)!angamba hafa mitsy iny ô?
13. lanto ( 29/10/2006 13:26)
tslem> raha fantatro ho izany dia efa novaliako ela enao )
le an'i fiffi io hafa indray ka ! Ny ratsa-tanana dimy indray no tanisainy ao :)
14. tslem ( 29/10/2006 13:29)
merci fôna fôna:*:*:*
15. naritsimba ( 09/11/2006 05:57)
MADIO ZAHAY

Jereo ny volonay
Voahogo tsara ery
Sady izay indray
Nasiana Bigôdy

Jereo ny tananay
Madio tsara koa
Ary ny hoho indray
Voahety avokoa

Jereo ny tongotray
Mandina aoka izany
Ny faladia oadray
Toa tsy mandia tany

Ny reninay moa
Mpimpasoka mahay
Voapasony avokoa
Ny fitafianay

Angaha ny tena ihany
No diovinay zareo ?
Madio tahaka izany
Ny bokinay jereo :

Boky sy kahie
Sy kitapo koa
Avia jereo ange
Milamina avokoa

Tsy zaza be lalao
Fa hendry sy mahay
Ka moa gaga ianao
Raha toa madio izahay ?

Ny RAHONA RATSIMBA Georges

lanto> tena mahatadidy ianao izany, tsianjery nosoratan\'ny Dadako io.
16. andry08 ( 09/11/2006 12:25)
Misaotra anareo nampatsiahy ny fahakely e!
17. lanto ( 11/11/2006 22:33)
naritsimba:

lanto> tena mahatadidy ianao izany, tsianjery nosoratan\'ny Dadako io.

Hay dadanao no nanoratra an'io ? Misaotra azy be dia be mihitsy zany !!!

18. naritsimba ( 13/11/2006 13:20)
lanto> tsy misy isaorana izany, ny azy mantsy tsianjery ho an'i ankizy no tena betsaka nosoratany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5871