The Black Dhalia

1. soanja ( 25/09/2006 06:58)
Mba nijery ilay film aho fa nifangaro be amiko le izy. Tsy arako intsony hoe iza no namono an'iza? Fa de violent izany raha film. Sa ve donjona be zah? Mba efa nisy nahita ve tompoko?
novalian'i cutie ny 03/10/2006 15:33
2. hery ( 25/09/2006 07:52)
Mbola vao tamin'ny zoma no nivoaka taty aminay :-) (kanefa mba nivoaka tao Venise ihany)
Nieritreritra ny hijery an'io mihitsy aho fa malaza be... kanefa toa mampisalasala ahy indray i Soanja.

3. vakiniadiana ( 25/09/2006 10:52)
Tsy mbola hitako fa ohatra ny tiako ho jerena na ny titre-ny fotsiny aza : "Black Dhalia", mampatsiaro ahy an'ilay film "Tulipe Noire" taloha :-D
4. Fiffi ( 25/09/2006 16:02)
ny aty mbola @ 08 novembre 2006 vao mivoaka.
5. soanja ( 25/09/2006 20:25)
vakiniadiana:

Tsy mbola hitako fa ohatra ny tiako ho jerena na ny titre-ny fotsiny aza : "Black Dhalia", mampatsiaro ahy an'ilay film "Tulipe Noire" taloha :-D


Ilay tantara mantsy dia namboarina avy amin'ny tantara marina. De ilay mpanoratra ilay tantara marina tamin'i boky koa dia nisy namono toa ilay tovovavy ny mamany tafarakelin'ny famonoana an'ilay tovovavy. Izay no nahatonga an'le io nanoratra ilay boky. Dia misahotaka ao ny famonoana olona. Izaho moa tsy mahatanty dia manampy maso foana toa zazakely.


6. vakiniadiana ( 26/09/2006 05:09)
Ny ahy ireny film somary mampiasa saina kely ireny mihitsy no tiako, efa leo film tonga dia fantatra ny farany
7. mandrindra ( 26/09/2006 11:25)
miandry ny fivoahan'ny horonatsary aty indray izany vao afaka maneho hevitra
8. soanja ( 26/09/2006 16:54)
Okay ary e.
9. dailynews ( 26/09/2006 17:41)
efa hitako t@ court tv ilay tantara saingy ilay film mbola tsy hitako.
10. soanja ( 27/09/2006 05:25)
Dailynews> salut! Aza mandeha mijery raha tsy mahantanty violence an. zah tena nijafajafa be tao sady fay vao tafavoaka tao. :D:-P:-P:-P
11. dailynews ( 27/09/2006 13:30)
soa ihany ianao fa niteny fa izaho koa tena tsy mahatanty film be violence...fa tahaka ireny zazakely ireny rehefa mijery na mody mihitsy na miafina ambany helik'i ...ny lohako rehefa mitranga ilay izy.
12. soanja ( 02/10/2006 03:56)
Ny ahy moa tamin'izay tsy nisy helika hanafina ahy dia niafiako tao fa sady apetaka eo amin'ny tarehy ny tanana roa manafina an'ilay maso nefa mbola mitsirika ihany eny an'elanelan'ny rantsan-tanana. Asa na mpanao izay indry? Hozy aho an'eritreritra hoe : " Kalalao maty an-dronono anao ty niany Soanja. Maty amin'ny raha tadiavinao!" :D:D:-*:-*
13. dailynews ( 02/10/2006 13:36)
za koa omaly vao nijery ilay "the covenant" iny an, beurk tsy tiako ilay izy, izaho moa tsy tia resaka film misy resaka famosaviana sns ireny fa maika t@ niala tao antrano niaraka t@ olona vitsivitsy dia tsy nahafantatra hoe inona no tao fa dia lasa fotsiny.....
kalalao maty andronono tao koa aky zaho an...
14. soanja ( 02/10/2006 20:50)
Ny ahy indray resaka famosaviana sns tena tiako mihitsy kah. Mahavariana ahy ny zavatra vitan'ireo olona ireo. Fa raha resaka antsy sy basy sns dia ialako lavaitra mihitsy fa tsy zakako raha vao be ra mipitipitika. :{:{:{
15. cutie ( 02/10/2006 21:29)
mbola vo hijery an;io film io za
Fa ny film tsy tantiko alou reny film mampijaly biby reny e.
Raha film violent njay raha tsy misy torture de tantiko.
16. soanja ( 03/10/2006 14:59)
Toa violent fotsiny zany le izy kah. Ny biby indray tsy voaresaka ao.:D:D
17. cutie ( 03/10/2006 15:33)
ok:lol::lol::lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1095