Ny Viro

1. soanja ( 07/09/2006 05:16)
Ny viro- Sao mba misy afaka manome ahy ny andinindiny momba ity biby ity. Misaotra mialoha.
novalian'i prime ny 25/10/2006 13:59
2. rasoul ( 07/09/2006 10:52)
Fain zany viro zany kle? mbola tsy nahare zany zay ko
3. soanja ( 07/09/2006 19:45)
Biby any an'ala e. Tia mihinana hena izy ka raha mitondra hena ianao any anaty ala tandrenmo fa mety arahiny ary mety hokakeriny 9rahany amin'ny alalan'ny fofon-kena sy ra). Saingy tiako ho fantatra tsara inona marina izy io, hiresahako tsara ny momba azy amin'ny tantarako.
4. Achia ( 07/09/2006 20:18)
tsa mbola nahare zany viro zany aho raha tsy vao izao ka , fa araka ny fitantaran'ny ol de ahoana no fandrenesanao azy ?
5. soanja ( 07/09/2006 23:44)
Inona moa ny tantarany fa hoe io ro vampire-tsika raha ohatra ka eritreretina hoe mpitsetsitra ra satria ny fanihintsika dia mihinana voankazo toy ny manga sy voana baobab sns.
Ny akoho no ataony mahamay. Ka na dia lavaka kely makarakara aza ny fefin'i tranon'akoho dia vitany ny lasa kely be dia miditra ao izy. Tsetsafiny ny ran'akoho na zavatra hafa izay dia avelany mitsitra eo.
Betsaka koa ny betsileo tambavala sy ny Tanala matahotra rehefa mandeha amin'ny alina satria tena enjehiny mihitsy raha vao misy fofona ra kely na tahak'izay. Koa tsy fanao ny mitondra hena manta amin'ny alina raha any anatin'ny alamando.
Dia ny tantara moa izany mbola hoforonina.
Zaho efa nahita viro fa maizina loatra dia tsy hitako izay hanazavana azy fa noheveriko fa bitro kely raha dinihina haingana.
Te hahafantatra an'io ara-tsiansa aho. Aleo hiandry an'i HM sao mba rakany ity ray ity.
6. ferrari ( 08/09/2006 20:30)
Ny viro sao de chauve-souris lay mandede ny alina dia matory lay maraina:roll:
7. soanja ( 09/09/2006 00:12)
Ferrari a, tsy fanihy mihitsy ilay izy ka. Tena biby hafa mihitsy sady toa tsy misy any ankafa afa tsy any amintsika.
8. soanja ( 09/09/2006 05:20)
Izay vao hitako ilay tadiaviko fa misaotra antsika rehetra.
Tena nafangaroko tokoa mantsy ny fosa sy ny fosa fossana. Io tadiaviko io no antsoina hoe Malagasy civet http://info.bio.sunysb.edu/rano.biodiv/Mammals/Fossa-fossana/index.html
9. dailynews ( 10/09/2006 01:02)
io izany ilay viro ? dia misaotra an i soanja indray izany fa dia nahalala zava baovao, tena mbola tsy nahalala ity iray ity indray aho sady amin'izay eto mkara ihany no hahitana azy ? hmm....
10. cutie ( 10/09/2006 02:10)
zao koa za vo nahalala an'io fa misaotra an'i soanja
11. soanja ( 10/09/2006 03:51)
Tsy misy fisaorana fa faly foana mizara.
Ity mantsy no tenenin'ny olona foana hoe mpihinana ny akohoko. http://animaldiversity.ummz.umich.edu/site/accounts/pictures/Cryptoprocta_ferox.html

De miteny aho hoe an an efa nifanena tamin'io imbetsaka tany an'ala aho fa tsy io ilay hitako tamin'izay alina izay. Hay lay Fosa Fossana no tena fositra. Fa ity mantsy Fosa tsotra fotsiny na vontsiramena no fiantso azy. Ity alo dia gravy raha hihinana lemuriens sy akoho saingy tsy dia miakatra antanana loatra. Fa samy fosa aby e. Any Mada ihany no ahitana an'ireo an!
12. prime ( 15/09/2006 14:30)
Raha tsy hay tsy misy vôlagna...
13. soanja ( 15/09/2006 23:54)
prime:

Raha tsy hay tsy misy vôlagna...


Tsy azoko,inn zany no tian'i Prime resahina eo? 8O


14. prime ( 20/09/2006 10:31)
Tsy mahay n'il n'il mikasika an'io zà soanja a... d mbô mamaky fotsily a... hihihihi
15. soanja ( 20/09/2006 12:26)
Ok Prime . Efa io nomeko io ny momba azy kah. Ary Prime mahafantatra momba ny Fanano?
16. fens ( 25/09/2006 18:29)
Viro: Hay ve ka misy izany biby zany eto e

Ny ahy ny fantatro zao de ny Fanano ilay ohatran'ny bibilava fa araka ny finoana de olona no mivadika ho Fanano
17. soanja ( 27/09/2006 05:34)
Mbola anisan'ny mistery aby zany ry Fens. Le viro aloha tena izy fa tsy resaka an.
18. prime ( 29/09/2006 09:29)
Zà koa tsy mahay ny momba ny fanano fa efa nandre... fa misy zavamiafina izy io fa miandry ny azonareo zaraina...
19. soanja ( 30/09/2006 00:11)
Lohahevitra vaovoa io e?
20. prime ( 25/10/2006 13:59)
eny e...:°):-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.175