Aquarium

1. soanja ( 05/09/2006 11:13)
Hono hoy aho, mba efa misy ve vinavinan'asa ho fananganana Aquarium ngezabe tahak'izay ao Antananarivo fa mba te hanampy aho. Tsy izany mantsy fa hitako hoe betsaka ny zaza tsy mba mahita izany atao hoe la cote de mba izy kosa afaka ihany hijery ny trondro ananantsika ao amin'ny ranomasim-bentsika sy ny rano hafa satria isika dia manankarena tokoa momba an'io ary mba afaka mianatra izay mba azo ianarana momba izany. Moa ho fidiram-bola amin'ny tourisme. Mety ho nofinofy ve io satria lafo be. Iza no afaka mba manome hevitra ahy momb aan'io? Misaotra o.
novalian'i soanja ny 08/09/2006 00:15
2. naritsimba ( 05/09/2006 11:30)
mbola tsy nandre momba an'io zà raha ho an'Antananarivo ry soanja.
Tsy dia mahay resaka momba an'izany mantsy ny tena eh!
3. Fiffi ( 05/09/2006 12:04)
zah aloha mahafantatra olona misimisy hiany manana an'io fa tsy mbola nandre hoe misy vinavina hisy an'io .
Raha hanisy an'io manko de miheritreritra aho hoe bdb ny zavatra mbola prioritaire tokony hatsangana fa mba rehefa vita ireny zay vao mba....
4. soanja ( 05/09/2006 12:05)
Zava-javatra tahak'izao no mba tiako ho hita any Mada. http://www.mbayaq.org/efc/
5. Fiffi ( 05/09/2006 12:09)
soanja: hummm ! de mba enganie ka hisy zany ! saingy hiharaha-mahafantatra fa na ny sekoly aza tsy ampy ! bdb ny toerana na faritra tsy misy sekoly akory ka zay no nahatonga ahy hoe mbola bdb ny zavatra prioritaire nefa asa aloha an! :):-*
6. soanja ( 05/09/2006 12:17)
Fiffi a, zah alo de tana mitovy hevitra aminao. Tiako tokoa raha feno sekoly i Mada ary izay no anandaniako ny ron-doha amin'izao.
Saingy mba mieritreritra ny ankizy ao andrenivohitra koa aho fa tsy de hoe ambanivohitra daholo.
Zany hoe azo atao ny sady miasa ary sy aty ary mifameno ireo. Fanabezana daholo no tanjoko.
7. Fiffi ( 05/09/2006 15:51)
soanja: tsara be akia le hevitrindry an! ka enganie ka mba hisy an'izao any . Hitako ohatran'ny aty ivelany zao de ny commune mihintsy no mikarakara ireny ankizy tsy mbola nahita ranomasina ireny mba hentina eny ! hafaliana moa zany an! ndryyy ! ohatran'ny hitakoery ireo ankizy Malagasy finaritra mijery ireto karazana trondro marobe :):-*
8. ferrari ( 05/09/2006 17:46)
Tsara ny hevitranareo fa mbola tsy misy hoe Tananarive kanefa misy ZOO. Fa rehefa jerena mampalahelo ny entretien sy sakafo, ny biby, ny personnel qualifie sy ny karama . Tsy ampy ny vola. Ou plutot otraminy tsy anatina ny fomba isika ny 'activité culturel'ou peut etre ny priorité zavatra afa.
Kanefa misy ankizy manao tily dia mandeha any ranomasina dia any mahita aquarium naturel. Iza nahitany zany l'été dernier tany foulpointe sy noss be nanao vacances miaraka ny zanako dia nisy scout bdb.
9. Fiffi ( 05/09/2006 20:06)
izay indrindra manko hoa ! tsy ampy ny vola ! io no tena zavatra olana goavana be mihintsy.
10. cutie ( 05/09/2006 20:20)
mitadiava mpamatsy vola :roll:
11. soanja ( 06/09/2006 03:43)
Mety ho nofinofy tokoa io raha ny fahitako azy amin'izao fotoana izao satria mbola mahantra isika fa indray andro any ho tanteraka io satria mino aho hiala amin'ny fahantrana isika ary hilamina Madagasikara malala.
12. naritsimba ( 07/09/2006 10:43)
soanja> misy manao aquarium ihany eto Tana fa saingy ilay kely ireny fa tsy misy lehibe e!
13. soanja ( 08/09/2006 00:15)
An an le ao ambony io no nofinofiko. Dia hita ao daholo rehefa mety ho spicies mampiavaka antsika. Dia mba manao interaction koa ny ankizy ao anatiny fa tsy mijery fotsiny.

Ndeha aho hanaoratra amin'ilay kalaza lahy iry sao mba afaka manampy izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3102