Ny vola sy ny Loto

1. mi ( 23/08/2006 08:26)
Jamban'ny vola ny akamaroan'ny olona eto dago ka tsy mahalala fahadiovana intsony??
Ny VOLA ve zany no mahatonga ny LOTO
novalian'i prime ny 15/09/2006 14:09
2. mi ( 23/08/2006 08:27)
toa mifandray reo satria ny vola no ividianana zavatra mahatonga loto
3. kolokanto ( 23/08/2006 09:40)
Miarahaba antsika rehetra ato ary!!
Loha-hevitra iray nentin'i herimiafina teto hoe inona ny fahantrana? Ary ny fahantrana no lasa fialan'ny olona hanaovany ratsy sy tsy mety.
Dia izao mi manontany indray hoe ny vola ve no mahatonga ny loto????
Raha amiko aloha dia tsy ny vola na ihany koa ny fahantrana fa ny toe-tsain'ny olona.
Eny an-dalana eny isika de manipy hoditr'akondro, voanjo, sachet.... Mieritreritra manko isika fa avy eo ireny ve tsy hisy handroaka?? Asan'ny fivondronana izany...Angaha moa ity toerana ity ahy? Dia hanao toy izay daholo ny Malagasy rehetra dia eritrereto ny mety ho fiavosan'ny fako eto amin'ny tanana izay hitarika aretina isan-karazany.
Ka mila miova io toe-tsaina io. Samy mila mandray andraikitra sy mahatsapa tena daholo ny tsirairay!
Tsy tokony hitady zavatra na antony hafa ilazana fa izato na izaria no mahatonga ny loto.
Mazotoa indray e!!

4. Fiffi ( 23/08/2006 09:49)
hoy H.Ratsimbazafy hoe "vola ô ! hatraiza re no fehetrany ?
5. Zina ( 24/08/2006 01:49)
hatrany am-pasana
6. prime ( 24/08/2006 10:01)
Zina> :°):-D:-D
7. Herimiafina ( 24/08/2006 18:49)
Tsy ny VOLA kah, ny OLONA TIA VOLA angamba no maimarina kokoa!:-*:-*:^)
8. prime ( 25/08/2006 10:42)
Olona maloto ve = olona manao maloto???:lol:
Vola ve => loto??? sa vola maloto?
Sa vola => zavatra => lasa loto???
Tena tsy mazava... toa tsy misy mitombina mihitsy e...:-w:-D:-D
Fa maro ny olona maloto tsy mpanam-bola, maro ny olona maloto tsy jamban'ny vola, maro ny olona maloto tsy tia vola...
9. rasah ( 27/08/2006 15:39)
tena mba hafa indray izany fomba fijery izany, dia tena ny fitiavam-bola be loatra tokoa ve no mahatonga ny loto sa ny tsy fisian'ny "civisme" sy ny tsy fanantaterahan'ny tompon-draikatra mahefa ny asany?
10. Herimiafina ( 27/08/2006 16:01)
Io koa mbola remarka hafa azo atao.
Satria lasa tia vola be loatra dia resin'ny fanjakan'ny vola dia lasa manadino ny civisme.

Fa izao e, tsy misy tia vola toy ny tany capitaliste, be ny mijaly, manompo vola mihintsy ary sahirana daholo tsy mahatsiaro havana fa manenjika HERE de travail maromaro mba ho bebe ny vola azo ao anatin'ny 1andro.

Kanefa: toa madio ihany ny ankabeazan'ny tànana. :^)
11. LazaDaddy ( 28/08/2006 02:13)
aza hadino koa fa misy HONO ny:

- olona mandoto vola (oh: mpivalotsa salibao)
- olona mandio vola (oh: Herimiafina, hahaha)
- vola mandio olona (oh: indulgence)
- vola mandoto olona (oh: ny avy any @ receveur taxi be)
12. rasoul ( 28/08/2006 17:16)
hoy mi:

Ny VOLA ve zany no mahatonga ny LOTO

Marina zany:satria raha eto dago no jerena:
Satria jereo nge ny fako eny Analakely rehefa sabotsy vo mangiran-dratsy e, mampalahelo be le mpiasan'ny kominina mandroaka azy ; Tsy inona no mahatonga izany nefa fa ny manam-bola ihany sa tsy marina zany??????????

13. Achia ( 28/08/2006 18:42)
LazaDaddy:

aza hadino koa fa misy HONO ny:

- olona mandoto vola (oh: mpivalotsa salibao)
- olona mandio vola (oh: Herimiafina, hahaha)
- vola mandio olona (oh: indulgence)
- vola mandoto olona (oh: ny avy any @ receveur taxi be)

=))=))=))=))=))=))=)) asy e le haligna e ! toi ngamba rahalahin'le ol nilaza io ka

14. cutie ( 28/08/2006 21:15)
:-D:-D:-D:-D:-D
15. Herimiafina ( 29/08/2006 02:27)
LazaDaddy:

aza hadino koa fa misy HONO ny:
- olona mandio vola (oh: Herimiafina, hahaha)


Misy adino! mandio sy mipasoka!

Tsara marihana fa ny olona no mahatonga ny fananan'Andriamanitra (toy ny Tempoly, sns) ho ratsy fa tsy ny fananan'Andriamanitra no ratsy.

Tsy ny vola no ratsy fa ny olona mampiasa azy no misy ratsy...hehehehe:-D

16. mi ( 29/08/2006 07:17)
Marina zany raHery a, TSY RATSY NY VOLA FANY FAMPIASANA AZY NO RTSY NA NY MAMPIASA AZY E :lol::lol:

17. prime ( 30/08/2006 11:59)
Efa filôzôfa aby anareo rô...:°):-D:-D
18. mi ( 30/08/2006 13:25)
:-D:-D:-D
19. rasoul ( 01/09/2006 11:14)
20. Herimiafina ( 01/09/2006 16:11)
Mila maitriser-na ny vola fa tsy ny vola indray no mi-maitrise antsika! lol hehehehe:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2452