Kary

1. soanja ( 21/08/2006 01:23)
Hono hoy aho ny kary ve saka ihany sa biby hafa mihitsy fa mitovitovy amin'ny saka. Azo ompina ve izy io ary inona no tena sakafony any anaty ala?
Misy an'io ve toeran-kafa any Afrika na andafy hafa? Misaotra indrindra mialoha.
novalian'i cutie ny 29/11/2006 22:42
2. Herimiafina ( 21/08/2006 01:43)
Samy hafa mihintsy ny saka sy ny kary ny fahalalako azy, na dia antsoina hoe saka dia aza ny kary.
http://www.chatsdumonde.com/index4.html

Toy ny lambo (lambo dia) sy ny kisoa (lambo) ihany koa.

Ny classification dia manaraka ny resaka génétique sy ny tantarany hatramin'izay. Raha ohatra ka iray ihany no niforonany tany aloha be tany dia noho ny mutation sy ny somation nitranga dai lasa niova ny apahany amin'ny composition genetique na genome ny biby.

Ny domestication dia antony iray nitarika io fiovana io araka an'i Darwin (Phenotype=genetique+MILIEU).

Noho izany ny GENRE (gender) dia mitovy ny an'ny saka sy ny kary saingy eo amin'ny lafiny espece (species) izy no miavaka tanteraka.

Ary na ny species aza amin'ny saka dia mbola ahitana karazana variété maro (race no iantsoantsika azy).
3. patrick2002 ( 21/08/2006 04:22)
tsy haiko aloha fa misy ilay hira hoe EH!
Saka manatody eh! orera orera
orera orera orera ah!
Ka izaho manao hoe saka manatody angamba no kary :-D:-D:-D
4. naritsimba ( 21/08/2006 06:37)
tena samihafa ny kary sy ny saka soanja an!
5. Fiffi ( 21/08/2006 08:10)
ny kary ve saka sovazy ? ohatran'ny fosa ?
6. booboo ( 21/08/2006 08:36)
aaa sady tsy mitovy @ saka-dia no tsy mitovy @ fosa. Ny fosa fohifohy ny vatany fa ny kary lava beeee kokoa. Ny museau-ndreo koa tsy mitovy. Tena samy hafa be zareo.

hihihihihihi tsy loza be ve zany miompy fosa zany ? indrindra raha mpiompy akoho hihihihihihihi
7. booboo ( 21/08/2006 08:40)
mety misy fosa angamba any @ zoo glady beee reny fa tahaka ny ravinala sy ny tariny ny fosa : tsy
(na) hitana afa-tsy tao M/car ihany
8. boubounezy ( 21/08/2006 09:21)
kary tô saka iany ngamba kou:lol::roll:
9. soanja ( 21/08/2006 10:20)
Misaotra antsika rehetra namaly.
Tsoaka ve izany dia hoe tsy saka ny kary fa biby hafa. Efa nojereko ilay site ry HM fa tsy hitako ny milaza hoe ity ilay kary. Zah manko tena mbola tsy nahita kary nefa voatery tsy maintsy hanazava an'io.
Meme famille ve zany fa espece samihafa mihitsy .Tena mbola mifangaro amiko e.
Ny fosa aloha tsy kary e, io indray arako satria efa nahita fosa aho. Mifanalavitra be ny tarehi'i fosa sy ny saka.
Inona izany ny anarana siantifikan'i Kary azafady na anarany amin'ny vazaha. Ohatra hoe alika = chien de ny kary inona? Any Mada ihany no ahitana azy? izay moa le izy ry boubounezy?
Ny fahenoako ny kary dia hoe mpangalatra akoho. Io tokoa ve no tena sakafo tiany sa volavo toy ny saka rehetra any Dago ihany. Miala tsiny fa be fanontaniana aho.
10. agoago ( 21/08/2006 12:07)
Io voalazan'i Herimiafina io, mitovy samy famille Fellidae ry zareo, hatra@ tigre, mitovy genre Fellus samihafa kosa espèce, ny iray espèce sauvage, ny iray domestique. Ao Parc Tsimbazaza misy ho an'izay mbola tsy nahatazana kary. Ratsy izy nohon'ny saka.
11. jentilisa ( 21/08/2006 13:49)
Ny kary dia toy ny saka mihitsy fa somary lehibebe kokoa amin'ny habe!
12. soanja ( 21/08/2006 23:16)
Misaotra betsaka anareo nanazava daholo o. Zany hoe azoko lazaina hoe : Wild cats ny Kary zany an?
13. prime ( 22/08/2006 14:00)
Azonao tsara...
14. Herimiafina ( 22/08/2006 23:31)
CATS daholo no Nom vernaculaire-n'ny famille des Felideae na tigre io na leopard na saka!

Ny kary raha tsy diso injay zah donjona ity dai Felis sylvestris ny nom scientifique-ny. Ny espece felis ny saka fiompy dai marobe noho ny croisement misy sy ny races recencées ankehitriny.

Ny fosa injay dai Cryptoprocta ferox no anarana scientifique-ny, izay biby hafa mihintsy anatin'ny famille des Canideae.
15. LazaDaddy ( 22/08/2006 23:37)
Fiffi:
ny kary ve saka sovazy ?
TSIA, misy "tompony" daholo ireny ary mahalala baiko sy ny asa ampanaovin'ny tompony azy. hahaha!


16. Herimiafina ( 22/08/2006 23:59)
Marina io remerka ataon'i Laza io! Raha vonoina ny predateur iray ao anaty ecosysteme iray ohatra dia mikorontana ity farany ary misy surpopulation-na proie.

Ny fahafatesan'ny loup na amboadia tany Lafrantsa tany izao ohatra dia nampirongatra ny lievre ary nitarika korontana tao amin'ny chaine alimentaire. :roll::-w
17. soanja ( 23/08/2006 03:29)
Felis sylvestris zany ve tsy afaka adika hoe "sakan'ala" ihany, zany hoe wild cats. Misaotra an'i Herimiafina nanome ny anarana asiantifikany saingy izaho anefa tsy hampiasa an'ilay izy loatra, fa ny fomba hanazavako ny kary tsy hieritereran'olona saka tsotra ao an-trano no tiako hasongadina. Zany hoe te hanazava aho hoe "Kary mpangalatra akoho, Garagara maso karaha kary, sns sns " momban'ny kary amin'ny Malagasy.
De rehefa vita io dia sao mba misy afaka manazava amiko indray ny Jaboady? Misaotra.
Ry zareo ireny hono raha ny fahenoako ny myth any avaratra dia tia milalao ilay fandehany ka raha mihomehy ianao mahita an'izany dia voan'ny tamberin-tany na very. Marina ve izany?
18. prime ( 24/08/2006 09:53)
tia milalao ilay fandehany
:-D:-D
19. Herimiafina ( 24/08/2006 18:47)
Tena tsy haiko indray ny momba an'izany klé. Le fandehany maimbo be avy amin'ny jaboady aloha ny fahalalako azy dai glande iray manokana ao amin'ny doudoune-ny ao no misy azy dai mifiritika masiso be e! :^):-D:oops:
20. soanja ( 24/08/2006 23:52)
An an tena misy mihitsy hono io rehefa mifanena amin'io any anaty ala ary tena fanahinihany mihitsy hono mijoro eo akaikinao hijereny ny masonao na mihomehy na tsia. Zany hoe ny hahavery anao izany no tadiaviny e, fa tsy hoe akory hanome anao cinema bojo.
Zany hoe ny Jaboady ve izany no skunk aty? toa tsy mitovy ireo ny fahitako azy sa ve samy mandefa ilay fofona maimbo daholo ireo karazam-biby ireo?
Misaotra betsaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1961