Sarimihetsika Malagasy

1. simplex ( 20/08/2006 20:19)
Rehefa avy nijery sarimihetsika vita gasy , izay tsy lazaina ny lohateny, aho dia tsoriko fa tsy afa-po ary mino aho fa mahavita tsara lavitra noho izao isika.

Maro ny zavatra tokony ahitsy, singanina manokana eto:

* samihafa ny milalao tantara @ radio sy milalao film. rehefa film dia tsy voatery tenenina daoly ny zavatra hatao fa ny fihetsika dia efa manambara izany.
* tokony miaraka ny fihetsiky ny vava sy ny feo
* tokony tantara mahaliana, misy suspens, ary mba realiste no atao (script bien etudie)
* tokony tsy atao be fahatany ilay mozika @ fond

Zarao ny hevitrao?? tsikera na/sy soso-kevitra??

:-*:-*
novalian'i IZA ny 26/12/2006 10:01
2. Herimiafina ( 20/08/2006 21:00)
Ny scenario ao ihany fa ny tena olana goavana dia acteur tsotra no milalao fa tsy comedien, satria tsy misy emotion ny teny avoaka fa toa tsianjery maimbo be.

Manaraka dia tokony sarahana ny scenariste, ny producteur ny cameraman sns fa tsy hoe olona iray daholo no manao ny scenario na ny production na ny cameraman....

Mbola misy foana ilay hoe tezitra mafy nefa mitsikitsiky fa alaina camera! hehehehe:-D
3. eprom ( 21/08/2006 06:59)
Simplex> za indray manao hoe omeo ny lohateny, ny mpikarakara, ny mpilalao, sns. Misy mantsy ny hita fa miezaka kanefa mampalahelo raha ny fitadiavambola maimaikan'ny sasany no anaovana tsikera faobe.
4. simplex ( 21/08/2006 16:05)

HM: ^:^^:^ tokony asiana sekoly momba ny arts sy theatre ve zany ? :-w:-w

eprom: mety marina ny lazain'ise, tanisao ary ireo hita fa miezaka. Mety mba liana hijery ihany manko za :D

:-*:-*
5. tisera ( 29/09/2006 11:19)
fa na dia be dia be aza aloha ny azo kianina @ ilay film gasy dia anisan'ny mba mankafy ny mijery azy io aho é!
Jemima -Ralaitavin-dravao - Tana Mania sns... sns...
6. Lenaivofilm ( 27/11/2006 12:19)
rehefa namaky ireo voalaza rehetra ireo aho dia hitako fa mitombona daholo na ny manakiana mitondra fanatsarana na ny manatsara, fa amiko amin'ny maha mpilalao ahy dia hitako hoe raha toy ireny no zavatra vita nefa tsy nankany ampianarana akory ny malagasy mpilalao sy mpanatontosa sns... dia hitako hoe efa mihezaka ny rehetra, raisanay daholo ny sosokevitrareo
7. bazylou ( 27/11/2006 23:25)
vendrana be ny film gasye !! nany scenario sy ny texte aza tsy hainy akory!! ny doublage izany moa,, aoka fotsiny, ampian'ny tsy fananana materialy dia berk
8. xxx ( 29/11/2006 21:42)
vendrana be ny film gasye !! nany scenario sy ny texte aza tsy hainy akory!! ny doublage izany moa,, aoka fotsiny, ampian'ny tsy fananana materialy dia berk :fa hono hoa ry bazilou fa de maninona ianao no manatsatso olona otranio ,tsy hitako no andanianao fotoana ato
9. bazylou ( 30/11/2006 01:05)
Mila mianatra teatra , mila saosy , mila zavatra bediabe fa tsy ireny filma zefa kely ireny, ny maizina aza mahavita bona lavitra noho ireny:: hita be hoe bas de gamme, fa fitiavana te hanao fotsiny, aleo tsy manao rah atoa ireny foana!!
Na ny doublage aza tsy tafavoaka akory
10. IZA ( 26/12/2006 10:01)
mba tohano ihany aloha oa le sarimihetsika malagasy fa tsy ho lasa lavitra miintsy isika ra tsy izany.
za mahita fa efa tena nisy fiovana kosa ny srimihetsika malagasy e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1047