Ary maninona?

1. soanja ( 09/08/2006 03:25)
Mahavariana ahy fa tena vitsy be ny hevitra ato an? Tena tsy misy fika mihitsy ve?
novalian'i dailynews ny 20/09/2006 23:57
2. Fiffi ( 09/08/2006 03:42)
angamba !
3. jentilisa ( 09/08/2006 03:57)
fa inona no vinavinan'i soanja?
4. soanja ( 09/08/2006 04:20)
jentilisa:

fa inona no vinavinan'i soanja?


Madagasikara miala amin'ny fahantrana. Misy mahita tetikasa ve. Vinavina ny ahy iny.


5. Fiffi ( 09/08/2006 04:32)
aleo angamba vita aloha ny fifidianana !
6. naritsimba ( 09/08/2006 05:10)
soanja> ahoana ny hevitrao ary fa izaho io dia manana tetikasa ho fampandrosoana an'i Madagasikara. Efa manao izahay io fa mila itarina sy aparitaka manerana an'i Madagasikara satria sady tsy mifidy toetr'andro no tsy mifidy toe-tany. Momba ny resaka fambolena izy io.

Fiffi> tsy mila miandry fifidianana zahay fa efa lasa izao.
7. Fanja1 ( 09/08/2006 05:30)
manja be zany tetikasa nareo zany naritsimba fa tohizo.. mino aho fa ahatarika namana bdb nareo:)
8. naritsimba ( 09/08/2006 11:00)
fanja1: eny @ Vitrine de Madagascar eny Iavoloha izao misy ataonay iarahana @ Société SENI izay, hanao exportation na tongolo, zay manana ny teknika nampianarana anay dia ho hita eo izay mamokatra na ny an'ny Fanjakana na ilay nataonay e!
efa nahavokatra laisoa sy petsay zay fa tena leo indray, tamin'ny fihinanana azy.
9. soanja ( 09/08/2006 13:24)
naritsimba:

fanja1: eny @ Vitrine de Madagascar eny Iavoloha izao misy ataonay iarahana @ Société SENI izay, hanao exportation na tongolo, zay manana ny teknika nampianarana anay dia ho hita eo izay mamokatra na ny an'ny Fanjakana na ilay nataonay e!
efa nahavokatra laisoa sy petsay zay fa tena leo indray, tamin'ny fihinanana azy.


Arosoy eto izany ry Naritsimba miaraka amin'ny votoatiny dia hohitantsika eo ka. Tena zavatra mahafinaritra ahy ny momba ny fambolena sns.
SRI mantsy no efa nataoko tany ambanivohitra fa toa tsy nahovoka firy tamin'izay ka aleo indray jerena ny hevitrareo fa tena vonona ny hiara miasa aho raha misy azoko hanampiana ka.


10. miangalyandria ( 09/08/2006 17:13)
izany petsay izany raha atao petsay maina tonga dia be dia be ny mpitady any finda sa ahoana ry naritsimba, izaho mantsy isaky ny misy zavatra hoe mba ho entina dia anana maina foana ! bon courage lesy dia mazotoa a : iny izao ny ahy mba vinavina :-*
11. Herimiafina ( 09/08/2006 19:27)
soanja:

Mahavariana ahy fa tena vitsy be ny hevitra ato an? Tena tsy misy fika mihitsy ve?

tena betsaka ihany retsy ilay hevitra fa ny mpamangy ny vitsy dia las atavela e.
Ireto size aty ambanimbany ireto aloha dai tena tsy mba misy mpitsidika mihintsy e! Asa variana amin,ny fitiavana sy ny antson'ny fo, sns daholo ve klé? :(

12. miangalyandria ( 09/08/2006 20:39)
olon'ny fo ve izany isika fa tsy olon'ny vinavina ry herimiafina ? tsy dia cool o :-o
13. Herimiafina ( 09/08/2006 20:47)
Samy ao daholo ihany kah, fa itony size aty ambanimbany itony fotsiny no tsy be mpitsidika satria latsaka ambany loatar angamba, raha vao manokatra serasera mantsy dai tonga dai ny fitiavana sy ny antson'ny fo no ambany maso ary ny hatsikana, hehehehe:-D

[align=center]Tokony samy hiezaka daholo, hampiasa souris kely ery amin,ny barre de defilement.[/align]
14. soanja ( 10/08/2006 03:06)
Tena marina dia marina ny an'i Herimiafina. Mba tsidiho ity sehatra ity re raha mba azo atao fa ity no ahitana hoe hamokatra isika eto na tsia. Fa ny resaky ny fo sns anie dia efa samy mba fa nahazo ny anjarany avy kosa raha ny fahitako azy.:-*:-*:-*
15. miangalyandria ( 10/08/2006 05:44)
soanja : tsy nahazo ny anjarany fotsiny fa efa diso be loatra aza ny fandraisana anjara any :x
16. soanja ( 10/08/2006 13:06)
Marina tsy azo lavina ny andry ry miangalyandria.:-*
Ny tsapako dia ny eo ihany no miverimberina.
17. Herimiafina ( 10/08/2006 15:15)
Tairo ary ny tetik'asa e!
-Fanmboarandalana.
-Fampandrodona ny eny ambanivohitra.
-Protection social Food for work/Cash for work.

isika ve dia ambakan'ireo karana ireo raha resaka fitadiavambola e! :-*
18. miangalyandria ( 10/08/2006 18:46)
ny fitiavam-bola eo ihany ry herimiafina fa ilay fitiavan'asa koa iny zavatra iray hafa a ! ny ahy aloha ny eny ambanivohitra tena mahaliana ahy mihitsy. Ary nankaiza moa i naritsimba teo e ?
19. soanja ( 10/08/2006 23:33)
Ny ahy aloha dia tsoriko fa ny Education ny ankizy eny ambanivohitra no tena mahamaika ahy ka raha misy te hiara miasa amiko dia manorata manokana any amiko. Manana tetikasa aho ary efa manan-tanteraka fa ny tanana manampy dia raisiko tsara daholo. Misaotra.
ps Zah tsy masiaka rehefa eny amperinasa fa tsara fanahy be sady tsy zah no boss.:wink::wink:
20. miangalyandria ( 11/08/2006 04:34)
fa inona ilay tetik'asan'i soanja ho an'ny fanabeazana eny ambanivohitra ? mba ampitao amiko fa izaho koa liana e ! andefaso hafatra hoe aho raha ohatra ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0849