Tontolo iainana voretra

1. xxx ( 19/06/2006 03:48)
- Lany olona ve Madagasikara no olona mpametsifetsy sy mpanodikodim-bola foana no atao lehiben'ny Tontolo iainana toa ny "Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar", Sa dia ahoana mihintsy (Jereo Ankarafantsika 1998-2000). Fa io Rangahy io no mpitantana lehiben'ny Conservation International teto Madagasikara tamin'izay ary hatramin'izao.
- Dia ao amin'ny Hilton no anaovana fivoriana iraisam-pirenena mandritry ny telo andro, amin'ny olona 430. Ohatrinona no vola lany amin'izany. Tsy hita angaha ny andaniana ny volan'ny tontolo iainana tantanin'io organisme io? Tsara ho fantatra aloha fa 100 tapitrisa Dolara mahery ny vola azon'io fikambanana io avy amin'ny GEF, 120 tapitrisa dolara avy amin'ny MOORE, ary eo amin'ny 60 tapitrisa Dolara eo avy amin'ny USAID. Entina hanamboarana ny tontolo iainana eto Madagasikara izany ry mpamaky hajaina. Nefa inona no vita, ary hatraiza sy hatraiza no fiantefany amin'ny vahoaka manodidina ny ala?
novalian'i prime ny 30/06/2006 12:55
2. LazaRandri ( 19/06/2006 04:03)
voretra hoy ianao? hahaha! Ka io ange no vokatr'ilay lazaiko atsy ambadika atsy hoe maloto ny politika e! 8O
3. Herimiafina ( 22/06/2006 14:24)
Blanchiment d'árgent no tena betsaka ao!
Ny sty mampandeha tsara ireny projet ireny dai tsy ny tsy fandraisan''ny olona azy loatra (araka ny lazaina foana anatin''izao fatina rapport isankarazany mameno armoara izao), fa kosa ny delai d'execution fohy loatra sy ny obligation d ehandany ny vola.

Le resaka hoe tsy maintsy zero budgeting isaky ny manomboka annee fiscale vaovao dia raha misy ambiny ny saosy dai lanilaniana fahatany.

Ny manuel des procedures ampiasain-dry zareo moa dai aoka fotsiny fa vita à l'americaine ary tsy adaptable amin''ny situation any Madagasikara.
4. cutie ( 22/06/2006 15:38)
:evil:
5. xxx ( 22/06/2006 16:36)
mba misy porofo izany voalazanao izany?
6. LazaRandri ( 22/06/2006 21:52)
angatahako esorina io tenin'i HM io raha azo atao. Tsy miteny aho hoe diso io akory fa tsy tiako iharan'ny "herim-pamoretana" izy amin'ny maha namana azy :-*
7. LazaRandri ( 23/06/2006 00:10)
kanefa avelao hijanona eo fa toa tsy misy azo anenjehina azy io ka! hahaha!
HM> clap aclap clap! hahaha!
8. prime ( 23/06/2006 07:21)
Toa tsy mitombina io resahin'i HM io kooohhhh! ny "blanchiment" aloha tsy misy afaka mi"certifier" an'izany ka tsy tsara ny manao "affirmation gratuite" raha tsy misy porofo fa manjary manao toy ny "langage'ny" mpanohitra fotsiny... Mikasika indray ny projets @ izao fotoana dia mandeha mihitsy ny ankamaroany fa ireo somary sahirana dia tsy resaka racourcissement'na délai d'exécution loatra raha ny fahalalako azy fa tena ny implication'ireo projets ireo @ côté social, économique sy culturel @ ireo mponina manodidina. Izaho aza mahita fa mety ho tanterak'i ra8 alohan'ny fotoana iny défi tany durban iny mikasika ny hampitomboana ny surfaces des aires protégées... Hatreo aloha...:wink:
9. Herimiafina ( 25/06/2006 20:50)
Fantatr'i prime angaha hoa iza izaho reellement? Inona no asa nataoko fahiny? sns? mety misy antony mahatonga ahy hiteny an'io saingy aleoko aloha tsy tenenina eto sao de vita matavy eto eo tokoa. :wink: :-*
10. Solitikabe ( 27/06/2006 01:39)
Nga ry HM tsy tsara ny vita matavy? Sa ny vita mahia no tianao?
Prime
Resa-be fotsiny io fa mba jereo kely ny tabilao:
Efa tamin'ny taona 1998 no nanomboka ny fiarovana izany hoe tetezan'ala Mantadia Zahamena, Ranomafana Andringitra. Ohatrinona no vola lany tao? Dia mba hitanao ve hoe inona no tombotsoan'ny eny amorn'ala.
Ny Durban indray dia efa tany amin'ny taona 1995 no nanomboka niteny io 6000000ha io ny USAID, tarihin-dravoron-dolo (izay moa no ilazako azy eto). Saingy tsy nohenoin'ny mpitondra tamin'izany satria vesatraho an'ny Firenena fotsiny.
Misy ny atao hoe Katra Mosketera ao amin'io tontolo iainana io ary miasa ohatry ny Mafia ireo. Izay tsy mifanaraka amin'ireo dia daka daholo.
Resa-pianakaviana no tena betsaka ao, ary rehefa tsy namana tsy fianakaviana dia mbay tany.
Ny tantsaha asaina miasa maimai-poana toy ny any Anjozorobe, mandeha miaro ny ala, nefa ny ONG mitantana an'io nahazo Dolara 1000000 fa tsy hoe ariary 1000000an. Tsy hita eh
11. Herimiafina ( 27/06/2006 14:05)
Jerena ihany koa ny origine-n'ireny vola natokana ho amin'ny tontolo iainana sy fampandrosoana ny eny ambanivohitra ireny. Izay tapahan'ny ao amin'ny Senat amerikana (DAP 1, DAP 2, Development Assistance Program).

Rerena ihany koa ny processus ao ambadik'ireny antsoina hoe FUNDRAISING sy ny MONETIZATION ireny.

Tokony ho mahana foana min'ny fiavian'ny vola raha toa ka Multi-bailleurs ny ONG iray mpanantanteraka.
12. prime ( 28/06/2006 10:55)
Herimiafina> :-* Marina tokoa, tsy fantatro na mety fantatro ihany fa ps moa no miady eto dia basy...:D
Raha mikasika ny USAID na ireo fikambanana akaiky ny bekintana dia mety hitombina ihany ny ambaranao, fa ilay izy mantsy ataonao safobemantsina hoe ny ONG rehetra no nahataitra ahy... ny 0 budgeting/année fiscale kosa aloha système de gestion hitako hoe mety satria manamaivana ny suivi sy ny contrôle, ary mampirisika rahateo koa ny gestionnaire ho hentitra... satria raha tsy mazava ny teo aloha tsy mivoaka ny allocation vao2...
Solitikabe> Ka angaha moa mifandaka izany tenenintsika izany??? sa tsy voavakinao tsara? "ny olana @ ireo projets sasany dia ny tsy fisian'ny implication'ireo projets @ olona manodidina" hoy aho ao ambony ao... Ny hoe efa nanomboka t@ taona 95, tsy maninona izany fa ra8 aloha no nanana défi hanatanteraka azy dia lasa "événement afrique" tany durban ny tenany... Izay vonona hanao sy hanatanteraka ihany no tena izy e! :wink:
13. Herimiafina ( 28/06/2006 11:56)
prime> Okay, tsy nana heritreritra ny hipalaka ny ONG locaux izaho kah.
Fa kosa ny fihavian'ilay vola entina ampiasaina amin'ireny sehatr'asa ireny no notsipihiko.

Matetika mantsy dia miova arakaraky ny donateur na ny bailleur ny fitsipiky ny fandaniana vola. Misy ohatra ireo izay manery ny handaniana ny 50%-ny budget anatin'ny fotoana fohy (matetika 1/4 de parcours) ka tsy mijery akory ny priorité amin'ny asa izany, hany ka matetika misy mitongilana ny fomba fandaniana ny vola.

Ny efa hitako izao ohatra dia misy reliquat-na miliara maromaro tamin'ny budget iray dia tonga dia hoe ividianao 4x4 ny partenera.

Sahirana ny comptable manao extournement foana satria lasa mikorontana ny zavatra rehetra, eo anatrehan'ny audit externe masiaka dia masiaka, maro ny faux et usage de faux amin'ny liquidations financières, satria izay vao tonga amin'ny fahafampon'ny bailleurs, sns.

Ny tena gravy dia ny durée de vie ny projet, fohy loatra, ary ny principe exogènes (fanerena isankarazany) avy amin'ny politika manerantany.

Efa manao izay ho afany ny fanjakana mampiady ireo "principes exogenes" ireo amin'ny principes endogènes" (zavatra andrasan'ny beneficiaires) sy ireo antsoina hoe Administration parallèle (ONG internationaux, Angap, sns).
14. prime ( 29/06/2006 12:08)
HM> Izay vao mazava amiko, tsy mifanohitra anie izany ny resahintsika e!!!:-D
15. Solitikabe ( 29/06/2006 23:30)
Salama daholo an
Ny tena fikan-dry zalahy anakiray dia mody atao amin'ny dolara ny teti-bola, fa rehefa manao fandaniana dia amin'ny ariary ihany, na Franc moa tamin'izany. Dia marina io lazain'i HM io tsy lany ny vola dia mody avorivory eo daholo ny olona mba hanao atelier fihinanana.
Ny antony nananganana ny ANGAP sy ny ONE ary ny ANAE indray dia io ilay fika hoe zarazarao hanjakana. Rehefa tsy azo anaovana be loha ny ministra tamin'izany dia lazaina fa tsy mamely ny fitantanany, dia noforina ity ANGAP sy ONE ity mba hanenan-danja ny fanjaka mitantana.
Hita indray fa toa mba netinety ny nataon'ny SAGE, dia nesorina tao amin'ny fitantanana tetikasa vatsiana vola izy fa manjary tsy misy hihinana intsony fa mety ny ataony.
Efa hitako teto, mbola hitako eto... Fa ny mahay manao asa voaroaka daholo. Jereo ilay VITA nanao an'Andasibe toa io ahitantsika azy io amin'izao fotoana izao io. Nga io fikambanana io nahazo famatsiambola intsony.
Jereo raha saika hanao dobo sy fanatsarana ny fidirana tao Andasibe ny Japoney. Nabokaina ny asany dia noravana fa tsara loatra angaha ka tsy misy akana vola intsony.
zay ry zalahy an
Manantena antsika ny tanana
16. prime ( 30/06/2006 12:55)
Eka sheka!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4361